- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Milina Coca Cola ‘Out of Order’ na Simba ao Aostralia

Sokajy: Oseania, Aostralia, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

Nisy fanentanana nahasehaka ny firenena manohitra ny Coca Cola taorian'ny fandresena teny anivon'ny Fitsarana momba ny lalàna mahasahana ny fonon'entana tao amin'ny Sisintany Avaratra (Northern Territory) ao Aostralia tamin'ny 4 marsa 2013. Indro i Robin Tennant-Wood namehy izany tao amin'ny bilaogy The Conversation [1] :

After the introduction of the Northern Territory’s CDL scheme last year, multinational beverage giant, Coca-Cola Amatil [2] (CCA), announced that it would mount a legal challenge [3] against the scheme.

… In the wake of the court decision, industrial sabotage activist group, Out Of Order [4], responded by putting “Out of Order” signs on CCA vending machines in all capital cities.

Taorian'ny fampidirana ny volavolan-dalàna momba ny famonosan'entambarotra tao amin'ny Sisintany Avaratra tamin'ny herintaona, dia nanambara ny Orinasa Goaibe iraisampirenena Coca Cola Amatil (CCA) fa hitory eny anivon'ny Fitsarana hanoherana ny volavolan-dalàna.

Teo am-pihainoana ny didim-pitsarana, nisy vondrona mpikatroka mpanimba orinasa, Out Of Order, namaly tamin'ny alalan'ny fametrahana marika “Out of Order” [Simba] tamin'ny mili-talantalana CCA rehetra teny amin'ny renivohi-parintany rehetra.

Out of Order Notice [5]

Simba voasoratra amin'ny Sisim-Bolamena [Gold Coast]  – Sary: pejy Facebook Out of Order [Simba]

Milaza ny toerana misy azy ho Hobart Tasmania, any amin'ny tena lavitra indrindra ao amin'ny Firenena ny kaonty   Facebook [4] sy Twitter [6] Out of Order. Milaza ny ao amin'ny Pejy Facebook misy an-dry zareo fa manana fanentanana roa hafa ry zareo, ka tononiny fa ny hafa dia ho fanoherana ny Banky ANZ sy HSBC noho ny fampiasam-bola ataon-dry zareo amin'ny arintany sy entona fandrehitra .

Nahangona sonia mihoatra ny 110.000 ny tao amin'ny Sum of Us [7]:

Stop fighting container deposit programs and drop your lawsuit against Australia's Northern Territory.

Ajanòny ny ady amin'ny programam-pamonosan'entana ary atsaharo ny fitoriana ny Sisintany Avaratr'i Aostralia.

Mitovitovy amin'ny isan'ny olona ampy taona any NT indrindra izany.

Vonona ny hampidera ny  fanaon-dry zareo izay miteraka ady hevitra amin'ny maha-ara-dalàna azy sy mampitaha azy ireo ho tahaka ny mpikatroka an-tserasera Anonymous ry zareo ao amin'ny Out of Order [6] :

‏@itsoutoforder [8]: But then again, maybe #outoforder are #anonymous , industrial sabotage activists… maybe we should ask #popefrancis

Kanefa [averina] indray, mety ho #anonymous ny #outoforder, mpikatroka manimba indostria… angamba tokony hanontany ny #papafransoà isika

Tsy mazava loatra hoe ahoana ny fomba hanampian'ny Pontifa. Tahaka ny Fiketrahana Masina, nahazo Filoha Tale Jeneraly ihany koa ny Coca-Cola Amatil ao Aostralia.

Take 3 [9], fandraisana an-tanana ataon'olo-tsotra ho fanadiovana ny torapasika namoaka ity petapeta-tsary maromaro ity tao amin'ny Facebook:

Out of Order Collage [10]

Petapetaka Out of Order – Sary: pejy facebook Take 3

Misy ihany koa vondrona mifanahatahaka aminy antsoina hoe Container Savers [11] izay manana  fampihatra manokana ho azy ireo aza ho fakana sary fakom-ponosan'entana:

Container refunds are the most effective mechanism for increasing recycling and reducing litter. The beverage industry opposes container refunds – let‘s show them where their trash ends up.

When you see drink container litter on the street, in a park, on the beach – or anywhere it shouldn‘t be – take a photo and upload it to the CS map.

Ny famerenana ny fonosan'entana no fomba mahomby indrindra hanamoràna ny fanodinana sy ny hampihenana fanarinariam-poana. Manohitra ny fepetram-pamerenan'entana ny orinasa mpamokatra zava-pisotro – Andao aseho azy ireo hoe aiza no iafaran'ny fakon-dry zareo.

Rehefa mahita fakom-pamonosan'entana eny an-dalana, eny amin'ny zaridaina, eny amoron-dranomasina – na any amin'ny toerana tsy tokony hisy azy – ianao, alaivo sary dia akaro ao amin'ny sarintany CS [Container Savers]

Noho ny antony maro samihafa dia nahantona ny tranonkalan-dry zareo saingy miasa soa aman-tsara kosa ny pejy Facebook [12] sy ny kaonty Twitter [13]. Sationan'ny asan-dry zareo:

Container Litter [14]

Tavoahangy sy kapoaka – Saripika: Pejy facebook Container Savers

Angamba fihetsika an-tsariohatra [saimbolika] ihany ny hetsiky Out of Order fa tsy misy fiantraikany loatra ara-bola. Navoitran'i Karen Marshall [15] tao amin'ny fanehoan-kevitra ao amin'ny Rakitsary haika [16] Out of Order :

I checked the share prices yesterday and was alarmed to see they are not going through the floor but have risen since the beginning of this.

Nohamariniko ny tsenam-bola omaly ary ranga nahita fa tsy nitsontsorika ny an-dry zareo fa mbola niakatra aza hatramin'ny nanombohan'ity raharaha ity

  

Nigel Arnold [17] namaly ary nitodika tany amin'ireo olon-tsotra iharan'ny raharaha:

I think this is a little unfair to the middle man. Most vending machines are privately owned.

Mieritreritra aho fa tsy rariny izao ho an'ireo olona antenantenany. An'olo-tsotra ny ankamaroan'ireo milina talatalam-pivarotana ireo

Nisioka ilay mpanao tantara an-tsary nahazo loka First Dog on the Moon [18] na ilay antsoina ihany koa hoe Mr Onthemoon:

‏@firstdogonmoon [19]: IS THAT LEGAL?!!? RT @itsoutoforder: Just heard about someone switching off twelve #coke [20] machines as part of #OutOfOrder Coke Challenge.

ARA-DALÀNA VE ?!!? RT @itsoutoforder: Vao nahare fa nisy olona nanapika ho faty mili-pivarotana 12 #coke [20] ho fihaikana ny Coca-Cola #OutofOrder

Nipoitra tao amin'ny Crikey.com.au [21] ihany koa ny tantara an-tsariny tamin'ny 5 Marsa:

Unregulated markets will kill us all! [22]

‘Hahafaty antsika rehetra ny tsena tsy misy fitsipika!’ Nahazoana alalana avy amin'i  First Dog on the Moon/Crikey

Nanao fanentanana ihany koa ny Greenpeace Australia Pacific [23] ary nanango-tsonia ihany koa:

@GreenpeaceAustP [24]: .@CocaCola [25] smashes popular 10 cent recycling scheme in NT. Tell the govt this is unacceptable http://bit.ly/stoptrashingaus_tw [26]#cokefail [27]

Potehin'ny @CocaCola ny tetikasam-panodinana malaza 10 cent any amin'ny Sisintany Avaratra. Ilazao ny governemanta fa tsy azo ekena izany.

Mandritra izany fotoana izany ny governemanta NT no niditra tamin'ny dingam-panohanana ny fampiharana ny fanariana fonosan'entambarotra mandra-piheveran'ny governemanta Aostraliana [maro] manangana ny lalàna manorina ny fametrapetrahana azy. Faly aoka izany ny fikambanana Clean Up Australia [28] [Diovy i Aostralia], mpanomana ny Androm-panadiovana an'i Aostralia:

@Clean_Up [29]: Congrats to the NT government for underwriting the cash for containers scheme for the next 8 weeks and pay everyone their 10cents! #cokefail [27]

Arahabaina ny governemanta NT tamin'ny fiantohana ny fampiharana ny fandoavam-bola momba ny fonosan'entana ao anatin'ny herinandro 8 sy ny handoavan'ny rehetra ny 10cents-ny avy! #cokefail

Nisaotra ireo nitsikera azy ny Coca Cola Australia ary namaly tao amin'ny pejy Facebook [30]-ny. Izao ny fanambarany [31] tamin'ny 6 Marsa: 

…a continuation of our commitment to recycling, a $5 million investment with our industry partners, for the Northern Territory to boost recycling rates and reduce litter.
For all the details – http://bit.ly/13FJWr0 [32]

…fanohizana ny adidintsika ho amin'ny fanodinana indray, fampiasam-bola $5 tapitrisa dolara miaraka amin'ny orinasa mpiara-miasa amintsika, ho an'ny Sisintany Avaratra entina hampiroboroboana ny tahan'ny fanodinana sy hampihenana ny famokarana tavoahangy na kapoaka.
Raha hijery ny antsipirihany rehetra – http://bit.ly/13FJWr0

Heverina fa afa-misolo tena ny fanehoan-kevitra miiba avy amin'ny fanehoan-kevitra mihoatra ny 600 ny fijerin'i Nigel Mitchell [33]:

So, if the COAG [Council of Australian Governments] meeting decides to support national implementation of a CDS, will Coke support this, or will they continue with their anti-environment and anti-democratic policies?

Izany hoe, raha manapa-kevitra ny hanohana amin'ny fametrahana CDS manerana ny firenena ny fivorian'ny COAG [Filankevitry ny governemanta Aostraliana], hanohana izany ve ny Coke, sa mbola hanohy ny politika mamely ny tontolo iainana sy tsy manaja ny demokrasia?

Ny marina, tsy nisy ny fanehoan-kevitra tsy miandany na mpanohana tao amin'ny fanehoan-kevitra zato voalohany na mihoatra. Inona no eritreretin'ny maro an'isa? Fantatsika fa misotro ry zareo – Ny pejy facebook-ny Coke Aostralia dia manana mpitia mihoatra ny 936.000.

Nandany ny lalànan'ny fanariana fonon'entambarotra ny Fanjakana Aostralia Atsimo [34] tamin'ny 1975 ary nametraka ny fepetra momba izany hatramin'ny 1977.