Nanana fifandraisana mivantana tamin’ny hetsi-panentanana anaty aterineto ny hetsika fanoheran'ireo mponina ny McDonald vaovao any amin'ny havoanan'i Melbourne any ivelan'ny tanànan'i Tecoma. Ny Oktobra 2012, nofoanan’ny fitsarana ara-panjakana ny fanapahan-kevitra nataon'ny Filankevitry ny tanàna handà faobe ny tolokevitra iray an’ny Maccas hanokatra fast food iray vaovao, .
Hatreto dia manana lahatsary telo ny vohikala Burgeroff mirakitra ny hetsi-panentanan'izy ireo. Ny voalohany dia navoaka tamin'ny fotoanan'ilay fanapahan-kevitra:
Ho fanampin'ireo fanasàna atidoha, fivoriana sy fidinana an-dalam-be, nitondra zava-mahafinaritra ho an'ireo hetsi-panoherana tamin'ny alalan'ny famelàna olona kely an-jatony eo amin'ny tohotohotry ny birao foiben'ny McDonald ireo mafana fo. Miandry ny “fanisàna ireo olona kely izahay”.

Hetsi-panoheran'ny Gnomeageddon any amin'ny foiben-toeran'ny McDonald any Melbourne
Sary nalaina tao amin'ny vohikala Burgeroff
Misy ilay pejy Facebook tsy azo ihodivirana: NO McDonalds in The Dandenong Ranges izay manana mpankafy eo amin'ny 6000 eo. @SAVE_TECOMA, ilay kaonty Twitter an'ny mpanohitra ny McDonald ao Tecoma, dia nampiasaina vao haingana izay ‘HANDETEHANA NY LAMIN'NY MACCAS!’
@SAVE_TECOMA: Androany izany no mitranga ry akama a. Azafady, afaka manone ve ianao 5 minitra, ny findainao ary ny feonao https://www.facebook.com/events/100475593476242/ …
Misy fanangonan-tsonia ao anaty aterineto nosoniavin'olona 9000.
Tenifofotra iray malaza ihany koa ny #burgeroff tamin'ny fanapariahana ny teny. I Freiheitdance (Kari) aza dia nanonona zanaka iray malaza avy ao amin'ny faritra:
@freiheitdance: #JulianAssange dia nipetraka tao Tecoma & Emerald. Manomboka eto ny hetsi-panovàna. Ndeha hangataka ny “tsy Burger avy ao Tecoma” aho izao. #burgeroff
John Weiss dia mpanohana ny firosoan'ny McDonald. Nifaniamby tamin'ireo mpanohitra azy izy tao amin'ilay vohikala Burgeroff ary nampiasa ny pejiny Facebook ho amin'ny fanaraha-maso ny firotsahan'ireo ankizy ho ao anatin'ny hetsi-panentanana:
Oao, lehibe maro mandrahona zazakely. Tsara kosa izany fanambaràna ho an'ny hevitrareo izany koa. Tsy misy afa-tsy ny fanararaotana ankizy avy aminà vondrona jiolahim-boto an-tsekoly!
Ny lahatsary farany, March Against Maccas (Diabe enti-manohitra ny Maccas), dia nandrakitra an-tsary ilay fidinana an-dalam-be ny 2 Martsa 2013:
Nanome toky ireo olona marobe efa ho 3000 fa “nijoro niaraka indray ny vondrom-piaraha-monina hanambara fa tsy hiverin-dàlana amin'ity ady ity izy ireo”.
Tsy ‘tia’ azy io mihitsy izy ireo!
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...