- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Global Voices Any Amin'ny OECD – Fikaonan-Doha Iraisam-Pirenena Momba Ny Fampandrosoana

Sokajy: Frantsa, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

OECD Global Forum on Development [1]

Nomena fahefana hitoraka bilaogy mivantana ny OECD Global Forum on Development ( Fikaonan-doha Iraisam-pirenena momba ny Fampandrosoana) [2] atao any Paris ny  4 sy 5 Aprily 2013 ireo mpitoraka bilaogin'ny Global Voices. Ho fanomanana ny fivoriana dia nametraka lahatsoratra momba ny olana amin'ny fampandrosoana izay hanampy amin'ny adihevitra amin'ny aterineto [3]isan-kerinandro amin'ny tranonkalany ny ekipantsika.

Ny Organisation for Economic Co-operation and Development (OECD) na [4]Vondrona ho amin'ny Fiaraha-miasa sy ny Fampivoarana ara-Toekarena [4] dia vondrona ara-toekarena iraisam-pirenena ivondronan'ny firenena 34 mandàla ny demokrasia sy ny varotra eran-tany. Mifantoka amin'ny fampihenana ny  fahantrana sy ny firaisana ara-tsosialy [5]ny Fikaonan-doha Iraisam-pirenena  momba ny Fampandrosoana ary mitaky ny fandraisana anjara lehibe avy amin'ny governemanta sy ny vondron'olon-tsotra mba hanampy amin'ny adihevitra fitadiavam-bahaolana.

Lova Rakotomalala [6], Julie Owono [7], ary Rayna St [8] avy amin'ny Global Voices no hanatrika izany sy hampita amin'ny bilaogy amin'ny fahaiza-manaony ny fivoriana.

Ny tenifototra ho an'io fivoriana io dia  #OECDgfd [9].

Bitsika momba ny  “#oecdgfd” [9]