Nomena fahefana hitoraka bilaogy mivantana ny OECD Global Forum on Development ( Fikaonan-doha Iraisam-pirenena momba ny Fampandrosoana) atao any Paris ny 4 sy 5 Aprily 2013 ireo mpitoraka bilaogin'ny Global Voices. Ho fanomanana ny fivoriana dia nametraka lahatsoratra momba ny olana amin'ny fampandrosoana izay hanampy amin'ny adihevitra amin'ny aterineto isan-kerinandro amin'ny tranonkalany ny ekipantsika.
Ny Organisation for Economic Co-operation and Development (OECD) na Vondrona ho amin'ny Fiaraha-miasa sy ny Fampivoarana ara-Toekarena dia vondrona ara-toekarena iraisam-pirenena ivondronan'ny firenena 34 mandàla ny demokrasia sy ny varotra eran-tany. Mifantoka amin'ny fampihenana ny fahantrana sy ny firaisana ara-tsosialy ny Fikaonan-doha Iraisam-pirenena momba ny Fampandrosoana ary mitaky ny fandraisana anjara lehibe avy amin'ny governemanta sy ny vondron'olon-tsotra mba hanampy amin'ny adihevitra fitadiavam-bahaolana.
Lova Rakotomalala, Julie Owono, ary Rayna St avy amin'ny Global Voices no hanatrika izany sy hampita amin'ny bilaogy amin'ny fahaiza-manaony ny fivoriana.
Ny tenifototra ho an'io fivoriana io dia #OECDgfd.