Karaiba: “One Billion Rising” na “Iray Lavitrisa Mijoro”

Tamin'ny 14 Febroary, maro ireo vondrona samihafa manerana ny Karaiba no nandray anjara tamin'ny hetsika iraisam-pirenena “One Billion Rising, na Iray Lavitrisa Mijoro”. Ity hetsika ity dia miantso ireo vehivavy maneran-tany hiara-handihy amin'ny hetsika ady amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy (ny “iray lavitrisa” dia mifandraika amin'ny antontan'isa milaza fa vehivavy iray amin'ny telo no iharan'ny herisetra na naolana):

Olombelona iray lavitrisa no hijoro sy handihy ny  14 Febroary 2013, ka handray anjara izahay ho an'ny firaisankina, ny tanjona ary ny tanjaka ary hanaitra izao tontolo izao aminà fomba fijery vaovao. Ny dihy dia mitaky toerana malalaka. Tsy misy zotra napetraka mialoha fa miara-mankany isika. Mampidi-doza, mifaly, mamoafady, masina, mikotaba izany. Mandika ny lalàna izany. Afaka tontosaina na aiza na aiza, amin'ny fotoana rehetra ary miaraka amin'ny rehetra izany. Malalaka izany. Tsy misy vondrona afaka mifehy azy. Mampifandray antsika ary manosika antsika handroso hatrany izany. Areti-mifindra izany ary mora miparitaka. Asam-batana izany, mihoa-petra.

Ilay vondrom-behivavy Code Red (Kaody Mena) dia nanasongadina ny sasany tamin'ireo hetsika tao amin'ny bilaoginy ary nanàmbatra sary avy amina hetsika samihafa manerana ny faritany.

Nampiantrano hetsika One Billion Rising roa i Barbados. Ny hetsika iray dia tao amin'ny Kianjan'ny Mahery fo tao Bridgetown ary nokarakarain'ny Kaomity mpiandraikitra ny Iray Lavitrisa Mijoro any Barbados, izay fikambanana mpiahy ho an'ny SAVE Foundation, ny Fikambanana Nasionaly ho an'ny Vehivavy, ary ny Fikambanan'ny Vehivavy ao amin'ny Firenena Mikambana.

One Billion Rising, Heroes Square, Bridgetown, Barbados

One Billion Rising , Kianjan'ny Mahery Fo, Bridgetown, Barbados

One Billion Rising, Heroes Square, Bridgetown, Barbados

One Billion Rising, Kianjan'ny Mahery Fo, Bridgetown, Barbados

Nisy hetsika iray hafa notanterahina tao amin'ny sampana Cave Hill tao amin'ny Anjerimanontolon'ny Antilles, tao anatin'ny Fiombonan'ny Vondron'ny Mpianatra. Ity hetsika ity dia nokarakarain'ny Sampam-pianaran-tsaranga sy Fampandrosoana.

One Billion Rising, Anjerimanontolon'ny Antilles, Cave Hill, Barbados

Ny Vehivavin'ny Antigua (WOA) dia nikarakara ny hetsika One Billion Rising, na Iray Lavitrisa Mijoro teto; notontosaina tany amin'ny làlana Lower Redcliffe, St. John's.

One Billion Rising in St. John's, Antigua.

One Billion Rising tany amin'ny làlana  Lower Redcliffe, St. John's, Antigua.

Ny hetsika tany Grenade dia nokarakarain'ireo mpianatra tao amin'ny Anjerimanontolon'i St. George. Nisy hetsika yoga ivelany koa nampiantranoan'ny Groundation Grenada tao amin'ny Kianjan'ny Camerhogne.

8473082889_80128275a0_c

One Billion Rising, Anjerimanontolon'i St. George, Grenade

Tany Guyane, ny Stella's Sisterhood of Support and Service Foundation (S4) no nikarakara ny hetsika, izay notanterahina tao amin'ny Zaridaina Fitsangatsanganana any Georgetown. Nandray anjara ihany koa ny Vondrona miady amin'ny Fanavakavahana ny Safidy ara-nofo.

One Billion Rising, Promenade Gardens, Georgetown, Guyana

One Billion Rising, Zaridaina Fitsangatsanganana, Georgetown, Guyana

One Billion Rising, Promenade Gardens, Georgetown, Guyana

One Billion Rising, Zaridaina Fitsangatsanganana, Georgetown, Guyana

Tany Saint Lucia, ny hetsika Iray Lavitrisa Mijoro dia nokarakarain'ny vondrona mpiaro PROSAF ary notohanan'ny  Fikambanana They Often Cry Out (TOCO), izay nanohy ny Tetikasa Clothesline fanaony isan-taona.

One Billion Rising, Derek Walcott Square, Castries, Saint Lucia

Iray Lavitrisa Mijoro, Kianja Derek Walcott, Castries, Saint Lucia

 

Nisy koa ny famoriam-bahoaka tany amin'ny Anjerimanontolon'ny Antilles, St. Augustine, Trinidad ary tany afovoan-tanànan'i Nassau any Bahamas. Code Red dia nizara hevitra izay misalasala amin'ny fampiasàna ny dihy ho singa lehibe amin'ny fanentanana One Billion Rising (Iray Lavitrisa Mijoro):

Iriako ny fahombiazan'ny hetsika ho an'ny vehivavy, manerana izao tontolo izao. Kanefa… tena manana olana goavana aho amin'ny fifantohana amin'ny  ‘Ndeha daholo handihy!’ ho an'ny hetsika ‘One Billion Rising’. Misy afaka miteny amiko ve hoe  – ary amin'ny fomba mangaraharaha, NAHOANA ny vehivavy,  and in a way that makes pellucid sense to me, WHY Women, anatin'ny filazan'ny lahilahy azy ireo ho toy biby fiompy fanolana, no tokony hisafidy hetsika tsy ivakiana loha, tampotampoka, *fankalazàna* amin'ny..dihy: ho enti-manamarika (izay tokoa ve?!?) ny hetsika One Billion Rising?

Code Red nanohy hoe:

Sahala amin'ny diso toerana ny zavatra rehetra, ary tahaka ny – farafaharatsiny ho ahy, “lamba fandio” psikolojikan'ny ala nenina nataon'ireo Vehivavy Erantany, hanandraman'izy ireo hihataka   ara-pihetsehampo amin'ny hoe Tsy MANAN-TAHOTRA aho amin'ny filazàna Ny ZAVA-MISY HENJANA BE: izany hoe, NY ZON'NY VEHIVAVY TSY MITSAHATRA NY MIKOROROSY MIDINA!

Tsy mitovy hevitra amin'io fomba fijery io i Patrice amin'ny fanohanany ny hoe “…tsy ny asa, hetsika,  fandraisan'andraikitra na tetikady rehetra no narafitra hanana fiantraika mitovy na hanatratra tanjona mitovy” :

One Billion Rising dia natao hanairana ny fahatsiarovantena. Rehefa niresaka momba ny  One Billion Rising, nanam-bintana aho nizara fahalalana sy antontan'isa izay nahatohina, nanaitra ary nankaloiloy ny olona. Tonga saina kokoa ny olona ary io fahatsiarovantena io dia mety hisy fiantraikany amin'ireo fifanakalozan-dresaka ataon'izy ireo sy karakarainy, ireo kandidà politika tohanany, ireo fitakiana ataony amin'ireo mpitarika azy sy ny maripàna amin'ny ankapobeny eto amin'ny firenena.

Nanampy izy hoe:

Ho an'ny resaka dihy, tsy mandray ny dihy ho toy ny dihin'ny tsy fahalalàna sy fialamboly aho.  Tsy natao ho fanesonesoana na hivazivaziana ny dihy. Mba marina, marobe amin'ireo mpandihy no mbola ho ireo vehivavy mirehidrehitra hatrany. Ireo tomon-kevitra tamin'ilay hetsika dia vehivavy niharan'ny fandoroana sy herisetra ara-nofo nataon-drainy nantritry ny taona maro. Amin'ny maha-vehivavy ahy dia endrika fihokoana no hitako amin'ny dihy. Marobe ireo ady ara-politika natao sy manodidina ny vatan'ny vehivavy hoe, ho amin'ny maha-vehivavy, ny fandraisana an-tànana ny fifehezana ny vatanao sy ny fanoherana ireo fomban-drazana amin'ny fanetsehana azy io, famolapolahana, fonontsonkontsonana sy fandraisana azy ho tena fanananao, ny fanekena sy fisitrahana ny fihetsiny amin'izay fotoana izay, dia efa mety ho trakefa matanjaka be.

Niresaka momba ny One Billion Rising ihany koa tao amin'ny podcast “Ennufff” novokarin-dry zareo i Damali sy Karen Robinson.

Avy amin'ireto loharano ireto nysary nampiasaina tao anatin'ity lahatsoratra ity, nahazoana alàlana daholo ny fampiasàna azy: http://www.flickr.com/groups/catchafyah/pool/with/8473082917/#photo_8473082917 http://www.facebook.com/OneBillionRisingBarbados http://car.unwomen.org/ne_gal_.cfm?ID=23 http://www.facebook.com/pages/PROSAF_ThePower-OfOne/167808243298256?sk=photos_stream.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.