Tahaka ny ahoana ny andavanandron'ny mpianatra ao amin'ny UIV, Oniversite indizeny ao Venezoela [es] ? Mpianatra telo avy ao amin'ny sampana educommunication (fampianarana sy fifandraisana) [fr] no nandray anjara tamin'ny atrikasa nokarakarain'ny Rising Voices vao haingana ho fanatsarana ny fahaizana maka sary nomerika sy ny fametrahana ao amin'ny aterineto ny sary alain'izy ireo ary ny fizarana izany.
Mandray anjara aminà tetikasa mikendry ny fampahafantarana ity oniversite miavaka ity ireo mpianatra telo ireo, natao mba hanomezana karazam-pampianarana ara-kolontsaina sy enti-manandrana ho an'ireo mpianatra avy amin'ny fiarahamonina indizeny ao Venezoela izany. Amin'ny fidirana aterineto mandeha amin'ny zanabolana ao amin'ny oniversite, izay azo tamin'ny alalan'ny fandaharan'asan'ny governemanta antsoina hoe Infocentros [es], afaka miditra aterineto ireo mpianatra mba hizara sary misy ny zavatra ataon'izy ireo ao amin'ny oniversite sy ny tontolo manodidina mandrakotra ny 2 000 hekitara ny oniverisite, miorina ao amin'ny Firenena Boliviana.
Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ity oniversite ity sy ny atrikasa izay notontosaina tamin'ny volana febroary 2013, vakio ny lahatsoratra bilaogy ao amin'ny Rising Voices sy Global Voices.
Indreto sombin-tsary nalain'ireo mpianatra ary narakitra tao amin'ny kaonty Flickrn'ny oniversite. Tsindrio ny sary raha hijery ny orizinaly .
Mbola maro ireo sary afaka tsidihina eto.