Fanafihana Ny Hindou Tao Bangladesh, Valifaty Noho ny Fanamelohana Ho Faty Ilay Lehiben'ny Islamista

Tsidiho ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana #Shahbag ao Bangladesy

Niharan'ny fanafihana ireo Hindou ao Bangladesh, satria vonona amin'ny fampiharana herisetra goavana manerana ny firenena ireo Islamista tezitra tamin'ny didim-pitsarana fanamelohana ho faty navoakan'ny fitsarana misahana manokana ny heloka bevava an'ady ho an'i  Delwar Hossain Sayeedi, lehiben'ny antoko Jamaat-e-Islami, didimt-pit

Tamin'ny 28 Febroary 2013 lasa teo no navoakan'ny fitsarana heloka bevava an'ady ny sazy fanantonan-doha ho an'i Sayeedi noho  ny heloka vitany nandritra ny Tolom-panafahana tao Bangladesy tamin'ny 1971 nisintaka tamin'i Pakistan. Raha nankasitraka sy faly tamin'ny didim-pitsarana ireo mpanohana ny hetsika Shahbag, izay nanao fihetsiketsehana nandritra ny iray volana mahery ho fitakiana ny fanasaziana ho faty ireo meloka an'ady, niteraka  hetsika feno herisetra manerana ny firenena kosa ny didim-pitsarana, hetsika notarihan'ny antoko Jamaat-e-Islami sy ny mpianany akaiky, Islami Chhatra Shibir ao Bangladesy. Nanafika polisy ireo mpanao fihetsiketsehana, nanakan-dàlana, nandoro fiara, ary nanimba trano fonenana sy orinasa 

Anisan'ireo kinendrin'ny vondrona tezitra, izay Miozolomana avokoa ny ankamaroan'ny vahoaka, ny fiarahamonina vitsy an'isa Hindou ao Bangladesh . Trano maherin'ny 500, tempoly 300, ary orinasa 300 manerana ny firenena hatramin'izao no may sy voaroba, araka ny fanambarana nataon'ny filohan'ny Janmashtomi Udjapon Porishad [fanamarihan'ny mpanoratra: fikambanana Hindou, izay mpikarakara ny lanonana Janmastami fankalazana ny fiterahan'ny Tompo Krishna], Debashish Palit  nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 14 Martsa 2013 tao Chittagong, tanàna midadasika indrindra ao amin'ny firenena.

Nandritra ny fanafihana, nisy namono tao an-tanàna atsimo-atsinanana ao Banshkhali i Dayal Hari Shil, Hindou 60 taona .

Tamin'ny 10 Martsa 2013, nanome baiko hisamborana ireo voarohirohy tamin'ny habibiana niseho tao Banshkali ao anatin'ny fito andro ny Fitsarana Ambony ao Bangladesy. Nanome baiko ny governemanta ihany koa ny fitsarana mba hiaro ireo vitsy an'isa akaikin'i Noakhali, izay niharan'ny fanafihana feno herisetra mikendry ny Hindou ihany koa.

The destruction by Jamaat in Banshkhai, Chittagong. The Hindu victims are living with fear under open sky.

Fiarahamonina Hindou ao Banshkhali, Chittagong miaraka amin'ireo sisa-tavela noho ny habibiana vitan'ny Jamaat. Tsy mana-kialofana izy ireo ankehitriny ary miaina anaty tahotra. Sary avy amin'i Mehedi Hasan Khan,  nahazoan-dalàna

Hafahafa ny anton'ny fanafihana feno herisetra natao tamin'ny fiarahamonina Hindou, satria tsy misy idiran'ireo Hindou ao Bangladesy ny didim-pitsarana navoaka ho an'i Sayeedi. Kanefa tsy vao voalohany teo amin'ny tantaran'ny firenena no niharan'ny fanafihana ireo vitsy an'isa – vao haingana no voatafika ihany koa ny fiarahamonina Boudista ao Ramu.

Bilaogera Arif Jebtik namariparitra ny mety ho anton'ny herisetra:

রাজাকারের বিচারের সঙ্গে কিন্তু হিন্দুদের কোনো ধর্মীয় সম্পর্ক নেই, অথচ পরিকল্পনা করে হিন্দুদেরকে আক্রমন করা হচ্ছে। এর কারণ হচ্ছে ভারতের সঙ্গে বাংলাদেশের সম্পর্ককে উস্কে দেয়া। যখনই শোনা গেল যে ইন্ডিয়ার রাষ্ট্রপতি এদেশ সফরে নিশ্চিতই আসছেন, তখন হিন্দুদের উপর এই আক্রমন শুরু হলো। […]

এখন যদি একই সঙ্গে বাংলাদেশের হিন্দুদেরকে বিপন্ন করে তোলা যায় এবং সেটি ইন্ডিয়াতে সরবরাহ করা যায় তাহলে ইন্ডিয়ার জামায়াত-শিবির তথা শিবসেনা-বিজেপি গোষ্ঠি সেখানে হইচই করার সুযোগ পায়। সেই হইচইয়ে বৃহৎ প্রতিবেশী ভারতের সঙ্গে একটি অস্থিরতা তৈরির সুযোগ তৈরি হয়।

Na dia tsy misy fifandraisana aza eo amin'ny fitsarana heloka bevava an'ady sy ny fiarahamonina Hindou, notafihana izy ireo noho ny drafitra fanahy iniana natao. Ny antony dia ny hampisy korontana eo amin'ny fifandraisan'i Bangladesy-India. Nanomboka ny fanafihana raha vao fantatra fa hitsidika ny firenena Bangladesh ny filoha Indiana. […]

Raha notandindonin-doza ny fiarahamonina Hindou eto, dia mety ho afaka manakorontana ny Jamaat Indiana na ny antoko ankavanana Hindou. Avy amin'izany no isian'ny fifanenjanana amin'i India

Bilaogera Gita Das nanoratra tao amin'ny bilaogy Mukto Mona (fihevitra Liberaly) fa notafihana ny Hindou ho heloka hampisehoana ny fanoherana ny didy azon’ Sayeedi.

human chain

Olona milahatra manohitra ny fanafihana ny Hindou. Sary tao amin'ny pejy Facebook I am Hindu.

Vahoaka maro manerana ny firenena no nitsangana nanohitra ny herisetra mihatra amin'ny fiarahamonina Hindou. Niely tao amin'ny habaka tambajotra sosialy sy bilaogy ihany koa ny fiampangana ny fanafihana. Oli Syed Mahbub, nizara tatitra momba ny herisetra nihatra tamin'ireo vitsy an'isa tao Daily Kaler Kontho [bn], hoy izy nanoratra tamim-piesoesoana:

ভালোই লাগে এদের রক্তের স্রোতে আমি-আমরা বেঁচে আছি। এই সনাতন ধর্মাবলম্বী ভাইদের, এই পুলিশ ভাইদের খুনের রক্তে আমরা নিরাপদ আছি। এরা মরে গেছে বলেই আমাদের মরতে হয় নি। ঢাকা সুরক্ষিত আছে। আরো সুরক্ষিত শাহবাগে আমি যাই-আসি। বাসায় খাই দাই। ভালোই আছি। এদিকে পুড়ে যাচ্ছে ওদের গা-জীবন-স্বপ্ন-স্বাধীনতা! দিগন্ত জুড়ে আমার কেবল অক্ষম  আক্রোশ!

Toa tsara ny miaina amin'ny fandatsahana ny ràn'izy ireo. Avotra sy velona isika amin'ny fandatsahana ny ràn'ny Hindou sy ireo mpitandro ny filaminana. Velona isika satria maty izy ireo. Tsy maninona i Dhaka. Handeha aho ary hiverina any amin'ny faritra voaaron'ny Shahbag. Misakafo tsara aho any an-trano. Tsara ny fiainana. Mandritra izany fotoana izany, hankany amin'ny Afo ny vatana-mandrevy-fanaleovantenan-dry zareo! Mipipika manerana ny faravodilanitra ny fahatezerako tsy manan-kery!

Tamin'ny antso ho fiarovana ny firenena manoloana ny herisetra ataon'ny Jamaat-Shibir, Sabrina (@sabrina_S71) nisioka hoe:

@সাবরিনা_এস৭১: জামাত-শিবির হায়েনার হাত থেকে #দেশ বাঁচান। ওরা #হিন্দু মন্দির ধ্বংস করছে। সংখ্যালঘু #হিন্দু সম্প্রদায়ের ওপর আক্রমণ করছে। #শাহবাগ। (লিন্ক)

@sabrina_S71: Arovy ny firenena manoloana ny habibiana ataon'ny Jamaat Shibir. Nopotehin'izy ireo ny tempoly Hindou. Voatafika ireo Hindou vitsy an'isa. http://t.co/BOLZ3D5c7H #Shahbagh.

Religion is personal

Afisy: Fiainana manokana ny finoana, an'ny tsirairay ny firenena.

Shehab (@omarshehab) nisioka hoe:

@ওমরশিহাব: আজকে জামাতের মেনুতে কয়টি হিন্দু পরিবার আছে? আজকের শেফ স্পেশাল কী? ধর্ষণ না অগ্নিসংযোগ? #শাহবাগ #সেভ বাংলাদেশ

@omarshehab: Fianakaviana Hindou firy no ao anatin'ny sakafon'ny Jamaat anio? Inona no tena manavanana ny Sefo? Fanolanana sa fandoroana? #Shahbagh #Save Bangladesh

Mpifanolo-bodirindrina ny Hindou, Boudista, ary ny Kristianina vitsy an'isa ao anatin'ity firenena ny Silamo no maro an'isa ity. Ho fampahatsiarovana izany, mpisera Twitter Lenin (@nine_L) nisioka hoe

হিন্দু-বৌদ্ধ-খ্রিস্টান সবাই আমাদের ভাই। চলুন জামাত-শিবিরের হাত থেকে তাদের রক্ষা করি। #shahbag http://www.thedailystar.net/newDesign/latest_news.php?nid=45104 …

@nine_L: Rahalahiko avokoa ny Hindou-Boudista-Kristianina. Andeha hamonjy azy ireo manoloana ny herisetran'ny Jamaat-Shibir. #shahbag

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.