Voasivana Ny Media Sosialy Taorian'ny Vato Tokana Manohitra Ilay Filoha Vaovao

Niharan'ny sivana ny media sosialy Shinoa noho ny adihevitra mikasika ilay olona tsy fantatra nandatsa-bato tokana manohitra ny fanendrena ofisialy ny lehiben'ny kaominista Xi Jinping ho filoha.

Nandritra ny fandahatsa-bato miezinezina, araka ny efa nampoizina, voafidy ho filohan'i Shina tamin'ny vato 2.955 mankasitra azy sy telo tsy nifidy i Xi tamin'ny 14 Martsa 2013 nandritra ny Kongresy Nasionalim-bahoaka faha-12 ao Shina.

Vato iray avy amin'ny mpanohitra ihany no hita nandritra ny fanisam-bato, ary tsy nampahafantarina ny momba ilay solombavambahoaka nandatsaka izany vato izany.

Nirohotra tany amin'ny habaka blaogy madinika Shinoa malaza, Sina Weibo avy hatrany ny maro mba hanontany ilay olona nandatsa-bato tokana manohitra, saingy niharan'ny sivana avy eo ny Weibo, ary voafafa avokoa ny maro tamin'ireo fanehoan-kevitra manontany momba ilay “vato tokana” ary nampidirina tao amin'ny lisitra lava be misy ireo teny voarara ilay teny hoe “vato tokana” avy eo .

The results of the vote was circulated on Weibo with netizens wondering who cast the vote of dessent.

Nivezivezy tao Weibo ny valim-pifidianana, ary nanontany ny momba ilay olona iray nandatsa-bato manohitra ny mpiserasera.

Noderain'ny fampahalalam-baovaom-panjakana ho nahazo vato be indrindra hatramin'ny vanim-potoana Mao Zedong ny filoha Xi . Tao amin'ny Weibo, nivezivezy tao ny amin'ny vaovao ifeng [zh] ny fampitahana ny vokatry ny latsa-bato tamin'ny fifidianana filoham-pirenena taloha: Nahazo vatom-pitsipahana 35 i Jiang Zeming raha toa kosa ka telo ny vatom-pitsipahana azon'ny filoha vao niala Hu Jintao.

Mpisera Weibo iray “Zeng Langbo” naneho-hevitra [zh] tamim-pivazivaziana:

中国好像更“民主”了!

Toa lasa miha-demokratika i Shina.

Mpanadihady vaovao “Laoxu Shiping” nanoratra hoe [zh]:

当选不是新闻,高票当选也不是新闻,而这三票弃权特别是这一票反对票是谁投的,这才是新闻。

Tsy zava-baovao ny nahalany an'i Xi, tsy vaovao ihany koa ny fitambaran'ireo vato nifidy azy, saingy ilay vato tokana manohitra sy ny momba ilay olona nandatsaka izany vato izany no tena vaovao.

Mana-pahaizana sy mpanoratra malaza Wu Jiaxiang nanohy niresaka momba izany [zh]:

一票反对也不是新闻,新闻是能出这样的新闻。

Tsy vaovao ilay vato manohitra, fa ny fahazoana mamoaka izany no vaovao.

Nihevitra ireo mpiserasera sasany fa avy amin'i Xi ihany ilay vato manohitra. Sheng Dalin, mpanadihady vaovao ao amin'ny gazety Henan ao Dongfang Jinbao nanoratra hoe [zh]:

不会是习大大自己吧?据说八大选主席的时候出现了一张反对票,惊动了特殊部门,一查,原来是毛自己投的!

Angamba mety i Xi ihany ilay olona? Nahare izahay fa nandritra ny Kongresy Nasionalim-bahoaka faha-8, iray ihany ny vato namala-peo, izay nampisafoaka ireo departemanta manokana, avy tsikaritr'izy ireo fa i Mao ihany no nandatsaka ilay vato!

Nihevitra ihany koa ireo mpiserasera sasany fa natao fanahy iniana ilay vato manohitra mba hiteraka adihevitra. “yjhjerry” nanoratra hoe [zh]:

我倒有点怀疑是不是故意为之了。帝国主义不是说我们操纵选举走过场么,那么干脆坐实,不妨弄一两张反对弃权票什么的,也显得我们有不同的声音嘛。

Manahy aho fa natao fanahy iniana izany. Milaza matetika ny imperialista fa haintsika ny milalao ny fifidianana, koa maninona raha vato roa avy amin'ny mpanohitra no mody naseho? Mampiseho izany fa mamela ireo feo isan-karazany haneho ny heviny isika.

Mpisera hafa “MC-Mark_Flghter” nihevitra [zh] fa angamba nisy olona nanindry bokotra tsy izy .

Caixu kosa nanoratra [zh] fa tsy zava-dehibe ny fahafantarana izay nandatsaka ilay vato manohitra:

纠结于是谁投了反对票没有什么意义,允许反对票的存在,并允许讨论反对票,才是值得花费口舌笔墨讨论的。

Tsy ilaina akory ny miady hevitra izay olona nandatsaka ilay vato manohitra, na nekena ilay vato manohitra ka tokony horesahana ny momba izany .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.