Manankarena ny tantaran’i Afrika saingy matetika mahantra ara-tahirin-kevitra. Mba hanentsenana io lavaka io ao Madagasikara, nanomboka asa fandraketana niomerika mikasika ireo tranga manan-tantarany ny fiaraha-monina sivily
Miaraka amin’ny finiavana hanome voninahitra sy hitahiry ny tantaran’i Madagasikara, pejy roa ao amin’ny facebook no mirakitra ireo sary anarivorivon’ireo tanandehibe sy ny mponina malagasy Madagascar Hier, na Madagasikara Omaly sy Il était une fois Madagascar, Indray andro hono Madagasikara.
Indro fijery indray mitopy maso miaraka amin’ny sary vitsivitsy navoaka tao amin’ireo pejy ireo izay tsy maneho fotsiny ny lasa vao haingana fa manome aina koa ny hanina taminà vanim-potoana tsotra, izay tsy mbola nampiharihary ny fahantrana sy ny fahasarotan’ny fiainana andavan’andro. Mba hahafahana mijery ireo sary hafa, tsidiho ny pejy facebook-n’ireo tahiry ireo.
Tahirintsarin’Antananarivo, ny renivohitra :
Ny zaridainan’Andohalo :
Anjerimanontolon’Ankatso :
Ny tsena tafolanitr’Anjoma
Tahirin-tsarin’ny tananan’i Toamasina, any amin’ny morontsiraka Atsinanana.
Tovovavy Betsimisaraka
Tahirin-tsarin’ny tananan’i Mahajanga, any amin’ny morontsiraka Andrefana
Tahirin-tsarin’ny tananan’i Fianarantsoa, atsimon’i Madagasikara
Mpandihy Antandroy, atsimon’i Madagasikara
Tahirin-tsarin’ny tananan’Antsiranana, Avaratr’i Madagasikara.
Ny Cap Diégo
Fanehoan’ny gazety Petit Journal mikasika ny ady tamin’ny mpanjanaka tao Madagasikara
Tsara soritana ireo hetsika roa ireo sy ny tetikasa hafa izay miasa ho amin’ny fikajiana ny tantara malagasy. Nomen’ny mpamaky aina tamin’ny alalan’ireo sarin’ny faritra hafa koa ireo pejy ireo.