- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mozika Niharan'ny Sivana Sy Feo Voaràra Ao Angola

Sokajy: Afrika Mainty, Angola, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Mozika

[Amin'ny teny Portiogey avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy filazana manokana.]

Noraofin'ny polisim-pirenena Angoley tamin'ny alalan'ny fanatanterahana ny fanapenam-bava izay manozongozona ny fitondrana ao Angola ny andiana haino aman-jery novokarin'ny mpikatroka Angoley. Anisan'izany ny DVD vaovao an'ilay mpiangaly rap Brigadeiro 10 Pacotes [1], mitantara ny “fiainana sy asan'ilay mpitarika revolisionera manan-tantara Jonas Savimbi [2]” [en] sy ny kapila mangirana (CD) sasany an'ireo mpiangaly mozika Chingui Chinhama.

Ho setrin'izany fihetsika izany, niantso [3] fihetsiketsehana eo anoloan'ny Biraon'ny Fadin-tseranana ao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Quatro de Fevereiro ao Luanda ny mpamokatra ny lahatsarin'i Brigadeir ao amin'ny  Independente Universal Produções niaraka tamin'ny Movimento Revolucionário [Hetsika Revolisionera] tamin'ny 7 Martsa 2013, mba hitaky ny hamerenana ireo horonantsary noraofina. Nisongadina ny tatitra, indrindra tao amin'ny Facebook, ka nirotsaka an-tsehatra  nanaparitaka [4] ny fihetsiketsehana tamin'ny fomba feno herisetra ny polisy.

Cover of the DVD "O Líder Revolucionário". Angola 24 Horas <a href="http://www.angola24horas.com/index.php?option=com_content&amp;view=article&amp;id=7653:policia-nacional-confisca-os-cds-do-brigadeiro-10-pacotes&amp;catid=23:angola24horas&amp;Itemid=34">says</a>, "Brigadeiro 10 Pacotes focuses his lyrics on problems within society, social inequality, political violence in Angola and the progress of the children of Angolan leaders". [5]

Sary rakotra ao amin'ilay DVD “O Líder Revolucionário”. Angola 24 Horas nilaza [6] hoe , “mifantoka momba ny olana ao amin'ny fiarahamonina, ny tsy fitoviana ara-tsosialy ary ny herisetra politika ao Angola sy ny fivoaran'ireo zanaky ny mpitondra ao Angola ny sarimihetsika Brigadeiro 10 Pacotes”.

Voalaza fa nisy ny namoy ny ainy, na dia nisy aza ny fitsipahana izany tatitra izany. Saingy, raha nisy ny fitadiavana “porofo mivaingana” dia nomena tsanganana malalaka ao amin'ny Foibe Angola [7] amin'ny pejy “tsaho miely [8]” raha resahina ny momba ny “Mano Negro”, na Negrão, izay mpanatontosa ny vokatr'i  Brigadeiro. Ny ampitson'ny fihetsiketsehana, nitady valinteny [9] tao amin'ny pejy Facebookn'ny Brigadeiro 10 Pacote i Pedrowski Teca

A fatality was reported, although these statements have since been contradicted. However, whilst seeking “solid evidence” column space was given to what Central Angola [7] dubbed “speculative rumours [8]” regarding the whereabouts of “Mano Negro”, or Negrão, Brigadeiro's producer. A day after the protest, Pedrowski Teca sought answers [9] on Brigadeiro 10 Pacote's Facebook page:

Ontem houve relatos de que o produtor do Brigadeiro Pacotes O Revolucionario [10], conhecido por Negrão, foi morto pela Polícia Nacional de Angola numa manifestação que visava exigir a devolução dos discos do Brigadeiro 10 Pacotes [outrora] apreendidos pelo regime. Em notícias no Club-K, Hugo Kalumbo afirmou ter visto o mano a ser alvejado e as autoridades afirmaram que o Negrão foi simplesmente detido e entregue às Forças Armadas Angolanas (FAA) visto que supostamente por lei um militar não deve participar em manifestações.

Questões:

1 – O Negrão foi morto ou simplesmente detido?

2 – Será que as FAAs podem apresentá-lo à público e explicarem, com base a lei, os crimes de que o Negrão é acusado?

Omaly, nisy ny tatitra nilaza fa novonoin'ny polisim-pirenena Angoley  ilay mpamokatra ny horonantsarimihetsik'i Brigadeiro Pacotes amin'ny Ilay Revolisionera [10], fantatra amin'ny anarana hoe Negrão nandritra ny fihetsiketsehana ho fitakiana ny hamerenana ny kapila mangilatr'i Brigadeiro 10 Pacotes noraofin'ny fitondrana [teo alohaloha teo]. Tamin'ny vaovao tao amin'ny Club-K, nanamafy i Hugo Kalumbo fa nahita ny namako voatifitra, saingy nilaza ny manampahefana fa nosamborina fotsiny i Negrão ary notànanan'ny Mpitandro ny Filaminana Angoley (FAA), satria nambaran'ireto farany fa araka ny lalàna, tsy mahazo mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana ny mpitolona

Fanontaniana:

1- Novonoina ve sa notànana fotsiny i Negrão?

2- Afaka mampiseho sy manazava, avy amin'ny lafiny lalàna, amin'ny heloka iampangana an'i Negrão ve ny FAA?

Mahatsiaro an'i Alves Kamulingue sy Isaías Kassule ny sasany, voalaza ihany koa fa nanjavona ireo mpikatroka hafa [11]taorian'ny fihetsiketsehana natao tao Luanda tamin'ny 27 Mey 2012. Afonso Casimiro naneho hevitra hoe:

se o “Caso” Kamulingue v Isaías Kassule, que já vai e dura e predura [sic] “já” quase ou aproximadamente “1 Ano”, desde que os mesmos (ambos) desapareceram nos Arredores ou algures e, nas Ruas desta Cidade Capital “Luanda”. Ainda e, até agora “Hoje”, não nos exclareceram-nos [sic] sobre o desaparecimento ou à suposta morte, do Kamulingue e Isaías Kassule; e, quanto mais Este recém-desaparecimento “ou acontecimento” do Produtor Musical Negrão??!!

[…] ny “raharaha” mampifanolana an'i Kamulingue sy Isaías Kassule, izay efa naharitra teo amin'ny herintaona teo, nanomboka tamin'izy roa ireo no nanjavona tsy hita teny amin'ny manodidina na teny amin'ny araben'ny renivohitra, Luanda. Hatramin'izao, mbola tsy nahazo vaovao mazava momba ny fanjavonan'izy ireo na koa izay mety ho fahafatesan'izy ireo izahay; ary ankehitriny, ny fanjavonana na ny “raharaha” mikasika ilay mpamokatra mozika Negrão indray no miseho?!

Central Angola's Facebook cover image [12]

“Kamulingue Kassule aho! Te ahafantatra ny toerana misy ahy ny zanako sy ireo rahalahiko”, Sary rakotra ao amin'ny Facebook “Central Angola”

Roa taona niadiana
Tamin'ny 7 Martsa 2011, izany hoe roa taona katroka alohan'ny fihetsiketseham-panoherana ny fandraofana ireo DVD, no nanombohan'ny hetsi-panoherana ny fitondrana manao hoe “lava loatra ny 32 taona [13]“, izay mitaky ny fialàn'i José Eduardo dos Santos eo amin'ny fitondrana. Tamin'ny volana Aogositra 2012, voafidy hiasa mandritra ny fe-potoa-piasana 5 taona vaovao manaraka indray i José Eduardo dos Santos.

Tamin'ny resadresaka [14] niarahana tamin'ny Deutsche Welle, niresaka momba ny fikatrohana nandritra ny roa taona nataony i Jang Nomada ary nilaza izy fa “sarotra ny asa ary misy ireo hery mampisaraka ny olona manangana sy mampitoetra izany karazana fomba fisainana izany”, nanondro ny hip-hop ho anisan'ny zavatra henjehin'ny fitondrana izy.

Tsy vao sambany no voasivana ny asa-mozikan'i Brigadeiro 10 Pacotes; tamin'ny fiafaran'ny taona 2011, noraràn'ny [15] Minisiteran'ny Kolontsaina ny fivarotana ny mozikany “Ditadura da Pedra”.

Brigadeiro 10 Pacotes- Estado da Nação [16]