Manamarika ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto ny 12 Martsa. Tamin'ny 2008 no voalohany indrindra nikarakaran'ny Reporters Without Borders [1], vondrona iraisam-pirenena mpisolovava ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto, izay niantsoana ireo mafana fo, hetsika sy fikambanana maneran-tany handray anjara amin'ny alalan'ny fampahatsiahivana ny olona mandrafitra azy ireo ny lanjan'ny fiarovana ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto.
Napetraka manokana ho fitaovana enti-manohitra [2], enti-manentana [2] ary entina manaparitaka fahalalana ny Aterineto sy ireo tambajotra sosialy, ary koa hivoy ny fampivoarana ny zon'olombelona sy ny lanjan'ny demokrasia. Ny tanjona kendrena amin'io andro io [3] dia ny hiarovana ny zon'olombelona ao anaty aterineto, hanandratana ny fahafahan'ny rehetra miditra anaty Aterineto, sy hampiharihariana ireo fahavalon'ny fisokafan'ny Aterineto — miaraka amin'ireo governemanta izay mihalasa mpanara-maso hatrany ny fomba fampiasan'ny vahoakany ny Aterineto.
Hanamarika ny andro amin'ny famoahana ny tatitra isan-taona fanaony mikasika ireo “Fahavalon'ny Aterineto ” ny Reporters Without Borders amin'ny 12:01am (Oran'i Parisy [4]) ny 12 Martsa. Ny tatitra amin'ity taona ity dia hifantoka amin'ny fanaraha-maso ny Aterineto ary hanoritra, tsy ny fihetsik'ireo governemanta manana fitondrana mpamoritra sy fanaraha-maso ny aterineto irery ihany, fa hamakafaka ihany koa ny anjara asan'ireo mpandray anjara anaty orinasa tafiditra anatin'io faritra io.
Namoaka ity lahatsary [5] [ar] manaraka ity ny Fikambanana Ejiptiana ho an'ny Fahalalahana Maneho Hevitra sy Miteny [5] , miantso ireo mafana fo sy mpitoraka bilaogy hitoraka bilaogy, hitoraka bitsika, ary hanaparitaka ny teny momba io andro io:
Fantatsika fa mandray anjara tsy tapaka anatin'ity andro ity ihany koa ireo vondrona hafa. Miangavy anao hametraka tsikera eto, na hitoraka bitsika ao amin'ny @Advox ary hilaza amin'ny vondrom-piarahamonina ny fomba hanomezantska haja ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto!