- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: Fampahafantarana ny Antoko Vaovao Tarihin'i Marina Silva

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

Nampahafantarina tao an-drenivohitra Brasilia tamin'ny 16 febroary 2013, tamin'ny anarana hoe “Tambajotran'ny Faharetana” ny antoko politika vaovao najoron’ ny minisitry ny tontolo iainana teo aloha Marina Silva [1].

Olona teo amin'ny 1700 no nanatrika ny fampahafantarana izany Tambajotra izany, anisan'izany ireo mpanohana, mpanangana ny antoko ary ny mpirehan-kevitra, ary manantena ny hoheverina ho tahaka ny tena antoko politika tena izy ity Tambajotra ity – na dia kasaina tsy ho toy ny antoko politika mahazatra aza. Mifototra amin'ny fampiasana aterineto ho fitaovana lehibe hanaovana hetsika politika sy miompana amin'ny fahatezàny ny Tambajotra, ary manana tanjona ny hanangona sonia 500 000 alohan'ny septambra 2013, izay ilaina ho fankatòavana azy ho toy ny antoko.

Brasília - A ex-senadora Marina Silva fala no lançamento de seu novo partido. Foto José Cruz/Agencia Brasil (CC BY 3.0) [2]

Brasília – Loholona teo aloha nampahafantra ny antokony vaovao. Sary avy amin'i José Cruz/Agencia Brasil (CC BY 3.0)

Tao amin'ny aterineto no niforonan'ny antoko, taorian'ny fampielezan-kevitra tamin'ny fifidianana filoham-pirenena nataon'i Marina Silva tao amin'ny tambajotra sosialy ny taona 201O. Tamin'izany fifidianana izany [3], vato teo amin'ny 20 tapitrisa teo no azony tamin'ny Antoko Maitso (Parti des Verts) [4] (PV), izay nahazoany ny toerana fahatelo ary niteraka fiodinana faharoa izay tsy nampoizin'ny Antokon'ny mpiasa (Parti des Travailleurs) [5] (PT), satria nihevitra ity Antokon'ny mpiasa ity fa handresy avy hatrany amin'ny fiodinana voalohany i Dilma Roussef [6]

Miankina amin'ny fahaizamanaon'ity Tambajotra ity maneho ny maha-antoko politika vaovao azy alohan'ny volana oktobra 2013 ny firotsahan'i Marina Silva hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena izay hotontosaina amin'ny taona 2014, izay tsy miankina ihany amin'ny fanangonan-tsonia fa miankina amin'ny fanaparitahana ny satan'ny antoko [7] [amin'ny teny portiogey, tahaka ity rohy manaraka ity] sy ny fankatoavan'ny fitsarana misahana ny fifidianana. Navoaka nandritra ny fampahafantarana ny Tambajotran'ny Faharetana ny  Finiavana ara-Politika [8] anaty 5 pejy, izay asa sy hevitra avy amin'ireo mpirehan-kevitra sy mpanangana ny antoko: Heloísa Helena [9], João Paulo Capobianco [10] ary Walter Feldman [11].

 

Captura de ecrã do website http://brasilemrede.com.br/ [12]

Pikan-tsary tao amin'ny habaka BrasilEmRede.com.br [13]

“Sady tsy ho an'ny maro an'isa no tsy ho an'ny mpanohitra”

Tao amin'ny aterineto, somary tsy dia nankasitraka ilay tambajotra ireo fanehoan-kevitra, nitsikera izy ireo fa “sady tsy maro an'isa, no tsy mpanohitra” ny antokon'i Marina Silva. Tahaka izany ity fanehoan-kevitra avy amin'i Carlos Afonso Quintela da Silva [14] ity:

 

[A Rede de Sustentabilidade] Irá “pescar” aqui e ali afiliados nas outras legendas. Certamente os insatisfeitos. Ou seja mais uma legenda para reunir os oportunistas e deserdados pelos seus ex-correligionários. Vai ser a cara de tantos outros já existentes.

Andeha “hanjono” ny vaton'ny ny antoko hafa ny [Tambajotran'ny Faharetana]. Izany hoe ireo mpanohana tsy faly tamin'ny antoko nisy azy. Arak'izany, antoko hanangona fotsiny ireo mpanararaotra sy ireo izay tsy masina amin'ny antoko manokana misy azy ity antoko ity. Mitovy tanteraka amin'ireo antoko hafa rehetra.

Taorian'ny fandaharana Roda Viva [15] tamin'ny 18 febroary, izay nohararaotin'i Marina Silva hanazavana teboka maromaro momba ny hetsika, indrindra momba ilay “sady tsy maro an'isa, no tsy tsy mpanohitra, ,nanjary somary nihamalefaka ny fanehoan-kevitra tao amin'ny aterineto.

Roberto de Santana Conceição [14] naneho hevitra fa somary variana ho babo tamin'ilay resadresaka izy raha nanaraka izany tamin'ny fahitalavitra:

 

[…] Marina parabéns pela entrevista, já estava decepcionado de ser Brasileiro, de ser gente, acredite, sei do poder das palavras tão usadas pelos grandes líderes políticos e religiosos, mas senti que poso [sic] voltar a votar, espero não me decepcionar.

Mas não se esqueça, vivemos num Pais que a corrupção viro [sic] tradição e a batalha será árdua.

Arahabaina i Marina tamin'ny resadresaka, diso fanantenana amin'ny maha-Breziliana azy, amin'ny maha-olona azy, hinoy izao, fantatro ny herin'ny teny fampiasan'ireo mpitarika politika sy fivavahana, nahatsapa aho fa afaka miverina mifidy indray, mino aho fa tsy ho diso fanantenana.

Saingy aza adino fa monina aminà firenena hanjakan'ny kolikoly izay lasa fomba fanao isika ka mafy ny ady hatrehina.

Manana fijery mifanohitra amin'ny fijerin'ny antokokon'i Marina Silva, toy izao manaraka izao no fijerin'i Amaro Doce tao amin'ny Bilaogin'ny naman'ny Filoha Lula [16] :

Nada decepciona mais nesse partido da Marina Silva do que a negação da luta política dos mais fracos e da pregação ao conformismo submisso aos mais fortes.

Tsy misy mandiso fanantenana kokoa mihoatra azy, ao amin'ny antokon'i Marina Silva ity, fandavana ny tolona politika ataon'ireo marefo sy fiondrehana manoloana ny fomba an-tany (konformisma) miankohoka eo anatrehan'ny matanjaka.

Nomarihany avy eo ny fanambaram-panohanana nataon'i Maria Alice Setúbal, mpandova sy mpiara miombon'antoka ao amin'ny banky Itaú Unibanco [17] sy i Guilherme Leal (kandidà filoha-lefitr'i Marina tamin'ny taona 2010 sy tompony sady mpitantana ny orinasa Natura [18]) amin'ny Tambajotran'ny Fahatezàna:

É a “utopia sonhática” do Itaú, da Globo, do bilionário neoliberal dono da Natura. É a sustentabilidade reacionária e conservadora. Os bilionários mandam, eles são os “sábios” conselheiros, orientadores e ideólogos de um hipotético governo, cuja REDE Marina se encarregaria de manter conectados os brasileiros, obedientes à ordem dominadora moldada por eles. Todos conformados, igual aos dominados no filme Matrix. Semelhante aos primeiros 502 anos da história do Brasil.

“Revirevy ariary zato am-pandrian'i” Itaú, sy Globo, ary ilay ratremabe neoliberaly tompon'ny Natura. Fahatezana mamaly bontana sy mpandala ny mahazatra. Ny miliaridera no mitarika, izy ireo no mpanoro-hevitra “hendry”, mpitari-dalana sy mpirehan-kevitry ny governemanta tsy azo antoka, izay ny TAMBAJOTRAn'i Marina no mampita ny hafatra amin'ireo Breziliana, ary mankatò ny baiko omen'izy ireo mpanorina azy. Manoa ny rehetra, tahaka ireo olo-pehezina amin'ilay horonantsarimihetsika Matrix. Mitovy amin'ny 502 taona voalohany diavin'ny tamin'ny tantaran'i Brezila.

Mifanaraka amin'izany fomba fisaina izany ihany, lasa miavaka ny fanehoan-kevitr'i Sonia Maria de Gouveia [19] momba ny fialàna amin'ny tolona ara-politika sy ny firehan-kevitra sosialista:  

O escritor Homero temia as imperfeições da palavra escrita, devemos, então, ter em mente o quão problemáticos são os textos escritos quando analisamos as ideias da ex-senadora e evangélica, de um lado ela tem um forte pé da nas ideais socialistas e favor dos pobres, de outro precisa cativar os jovens e pessoas sem ideologia comuns em nossa época, logo repudia sua formação socialista [em] prol do projeto pessoal de poder. A derrocada do socialismo apenas causou sofrimento ao mundo, no qual vemos a teoria da prosperidade obliterar qualquer preocupação social mais profunda.

Nisalasala ny amin'ny tsy fahombiazan'ny voasoratra i Homère, tsy maintsy ataontsika ao an-tsaina hatrany ho antsika, ny olona ateraky ny voasoratra rehefa mandinika ny hevitr'ity loholona mpitory ny vaovao mahafaly teo aloha ity, etsy ankilany, manohana ny foto-kevitra sosialista ihany izy, ho fanohanana ny mahantra, etsy andaniny izy, te-hanintona ireo tanora sy ireo olona tsy manana firehan-kevitra mahazatra amin'izao vanim-potoana izao.  Araka izany, ampiasainy ny tetikasany manokana hahazoana fahefana, ka tsy manome lanjany intsony ny fanabeazana sosialista niainany. Ny firodanan'ny sosialisma dia tsy mitondra afa-tsy fijaliana ho an'izao tontolo izao, ka mety ahitana ny fisongonan'ny petra-kevitry ny firoboroboan-karena manoloana ny fiahiana ara-tsosialy lalindalina kokoa.

Manoloana izany, Reinaldo Azevedo naneho hevitra tao amin'ny bilaoginy izay navoakan'ny gazetiboky Veja [20] ihany koa:

Neste [16 de fevereiro de 2013], [Marina Silva] reuniu os “marineiros” para dar largada à criação da legenda que não é nem oposição nem situação, mas “posição”; que não é nem pragmático nem utópico, mas “sonhático”… Estava no melhor da sua forma, e isso quer dizer, então, que ninguém entendeu quase nada do que ela disse, mas todos acharam genial

Androany [l16 febroary 2013], nampivory ireo “mpanjono” i [Marina Silva] hampahafantatra ny fananganana antoko izay sady tsy ao anatin'ny mpanohitra no tsy ho an'ny maro an'isa, fa amin'ny “fijoroana”; izay sady tsy azo tanterahina no tsy revirevy, fa “fanaovana ariary zato am-pandriana”… Tao anatin'ny heriny indrindra izy, izany hoe tsy misy mahazo izay lazainy ny olona, fa mahita azy ho marani-tsaina ny olona.

Tamin ‘ireo kabary nambaran'i Marina nandritra ny fampahafantarana ny Tambajotra, ity manaraka ity no notsongain'ilay bilaogera:

  Estamos vivendo uma crise civilizatória e não temos o repertório necessário para enfrentá-la.

Miaina krizin'ny sivilizasiona isika ankehitriny kanefa tsy ampy lahatahiry hiatrehana izany.

Avy eo, nitsikera ny “toetrany tia valim-bontana” ilay bilaogera:

Quando alguém diz que “vivemos uma crise e não temos repertório”, afirma, de modo oblíquo, que, nas crises passadas, o tal repertório existia. O que parece “progressista” no discurso de Marina é, no fim das contas, regressista. Ela tem saudade de um passado que nunca houve.

Raha misy olona miteny fa “mandalo krizy isika kanefa tsy ampy lahatahiry handresena izany”, amin'ny fomba ankolaka no ilazany fa nisy ny lahatahiry tamin'ireo krizy taloha. Izay heverina ho “liam-pandrosoana” amin'ny kabariny dia “liam-pihemorana” rehefa tena jerena. Mahatsiaro ny lasa izay tsy nisy mihitsy izy.

Registro Partido Rede, Cartório Venâncio 2000, Brasília DF. Foto de Luiz Alves no Flickr (CC BY-NC-SA 2.0) [21]

Fisorantana anarana amin'ny Antokon'ny Tambajotra, Biraon'ny notêra ao Venâncio 2000, Brasília DF. Sary avy amin'ny Luiz Alves sur Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Etsy ankilany, fihetsika manohana ny fananganana ny antoko vaovao no nasehoan'i Paulinho [22], bilaogera, izay nilaza hoe:

[A]o contrario de muita gente, que acha um exagero 30 partidos políticos no Brasil, creio que deveria ter pelo menos o triplo, uma vez que nosso país hoje, passa de 200 milhões de habitantes, sendo que 80% deles, são eleitores, portanto não acredito que 30 partidos políticos, representam suficientemente todas as correntes de pensamento no país.

Tsy tahaka ireo olona marobe izay mahita fa tafahoatra loatra ny isan'ireo antoko politika 30 eto Brezila, izaho kosa mihevitra fa tokony mbola hitombo avy telo heny izany, satria ahitana vahoaka maherin'ny 200 tapitrisa ny firenentsika ankehitriny, ary mpifidy avokoa ny 80 % amin'izany, tsy mino aho araka izany fa mahasolo-tena ny fomba fisainana rehetra ny antoko politika miisa 30.