17 Marsa 2013

Tantara tamin'ny 17 Marsa 2013

Shina, Nalefa Mivantana Tamin'ny Fahitalavitra Ny Famonoana Ilay Birmana Lehiben'ny Zava-Mahadomelina

Naw Kham, lehibenà mpivarotra zava-mahadomelina Birmana dia novonoina tamin'ny alàlan'ny tsindrona tany Shina. Nanaitra sy nahatezitra ireo vahoaka tany Myanmar ny nahalalàna fa nalefa mivantana tamin'ny fahitalavitra ny famonoana an'i Naw Kham. Nandiso fanantenana ny sasany kosa ny tsy nanaovan'ny governamanta fifanarahana fanakalozana gadra tamin'ny Shina.

17 Marsa 2013

Brazila: Asehon'Ireo Olom-Pirenena Tsotra Manao Gazety Ireo Asa Vaventy Tsy Vita Ao An-Tanàna

Rising Voices

Nabaribarin'ny tetikasa Amigos de Januária na ireo olom-pirenena Mpanao gazety manao fanadihadihana ao aminà tanàna kely ao Brazila ny tsifahombiazan'ny governemanta ao an-toerana, izay notsinotsinoavin'ireo Mpanao gazety vaventy ao amin'ny firenena, fa nopotehan'ny fandovàna fanaovana hatsirambina ny raharaham-panjakana sy ny tsy fandraisana andraikitra izany ka tsy hahafahana mamita ara-potoana ireo tetikasam-panjakana.

17 Marsa 2013

Mitohy Ireo Fandoroana Tena Any Tonizia

Dimy amby roapolo taona taorian'ny nandoroan'ilay mpivarotra voankazo an-dalambe, Mohamed Bouaziz, ny tenany, mbola mitohy io tranga io any Tonizia. Noho ny fahaverezam-panantenany momba ny sosialy sy tearena, nandoro ny tenany i Adel Khadri, mpivarotra sigara an-dalambe ny 12 Martsa tany amin'ny renivohitr'i Tunis. Maty [13 Martsa] ny tenany.

17 Marsa 2013

Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto

GV Mpisolovava

Manamarika ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto ny 12 Martsa. Tamin'ny 2008 no voalohany indrindra nikarakaran'ny Reporters Without Borders, vondrona iraisam-pirenena mpisolovava ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto, izay niantsoana ireo mafana fo, hetsika sy fikambanana maneran-tany handray anjara amin'ny alalan'ny fampahatsiahivana ny olona mandrafitra azy ireo ny lanjan'ny fiarovana ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto.

17 Marsa 2013

Maty Nisy Namono i Parveen Rehman, Very Anjely Mpiambina Ny Ambanitanàna Lehibe Indrindra Ao Pakistana

Parveen Rehman, mpiasa sosialy mitàna ny laharana voalohany ao Pakistana, dia maty notifirin'olona tsy fantatra tany Orangi ilay heverina ho Ambanitanàna lehibe indrindra ao Karachi toerana niasàny nandritra ny taompolo telo. Nanaraka fiofanana momba ny tao-trano, tsy nitandro hasasarana ihany koa i Parveen niasa nanangona rakitra mikasika ireo tany ao an-tanàna tsy mitsaha-mitombo ao Karachi, mba hiarovana azy amin'ny mafia mpangala-tany, izay efa an-taonany maro no naharaisany fandrahonana ho faty.

17 Marsa 2013