Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Sénégal: Namoy ny Ainy ao anaty Haintrano Ny Ankizy eny An-dalambe ao Dakar

Farafahakeliny sivy no maty nandritra ny hain-trano tamin'ny alahady harivan'ny 4 marsa lasa teo nitranga tao amin'ny fokontanin'i Médina ao Dakar. Farafahakeliny ny sivy amin'ireo dia talibés (mpianatra ao amin'ny sekoly koranika iray).

Efa maro ny tompon'andraikitra politika no niseho sehatra tamin'ity voina ity. Avoitran'ity voina ity manko ny fahasarotam-piainana mianjady amin'ireo ankizy lazaina fa talibés ireo.

Sur son blog Hady Ba nous explique ce qu’est un talibé :

Traditionnellement au Sénégal, les parents confiaient leurs enfants à des érudits pour qu’ils leur apprennent d’abord à mémoriser le Coran puis, au fur et à mesure qu’ils grandissent, les sciences religieuses. Durant les premières années de cet apprentissage, ces enfants ne sont pas nourris par le marabout auquel ils sont confiés mais par la communauté toute entière. Chacun de ces enfants a une écuelle et, trois fois par jour, ces élèves qui sont appelés talibés (oui, c’est la même racine arabe que taliban J) font le tour des maisons de la ville ou du village et reçoivent des poignées de nourritures qu’ils recueillent dans ces écuelles et mangent …  Cette éducation était faite pour former des hommes stoïques se contentant de ce qu’ils ont, résistant à la faim et indifférents aux plaisirs de ce bas monde. Elle s’inscrivait dans une certaine vision du monde et dans un réseau social tel que toute la communauté se sentait responsable des enfants errants.

Fomba nentin-drazana eto Senegal ny fandefasan'ny ray aman-dreny ny zanany any amin'ny mpampianatra manokana mba ahafahan'izy ireo mianatra mitadidy ny Korany aloha, dia arakaraka ny itomboany (no ianarany) ny fahalalana ara-pivavahana. Mandritra ny taona voalohan'izany fianarana izany, tsy ny “mpisikidy” nametrahana ireo zaza ireo no mamahana ireo zaza ireo fa ny fikambanana (fiaraha-monina) iray manontolo. Manana vilia lalin'aty tsirairay avy ny ankizy, ary in-telo isan'andro, ireo mpianatra antsoina hoe talibés (eny mitovy fototeny amin'ny voambolana arabika taliban) ireo no mitety trano any ambonivohitra na ao an-tanàna kely ka mahazo poti-kanina angoniny amin'ny vilia lalin'aty ary mihinana … Natao hamolavolàna olona hionona amin'izay ananany, hiaritra hanoanana sy ny karazam-pahafinaretana misy eto amin'ity tany diavina ity izany fomba fanabeazana izany. Misoratra ao anatin'ny fomba fijery izao tontolo izao ananan'ny sasany sy any amin'ny tambajotra sosialy iray ka mahatonga ny fiaraha-monina iray manontolo hahatsiaro ho tompon'andraikitra amin'ireny ankizy mivezivezy ireny.

 

Saingy tao anatin'ny taompolo vitsivitsy izay dia nisy ny zavatra nibolisatra araka izay voatantara ao amin'ny La détresse des enfants talibés (antso famoizam-pon'ny ankizy talibés) :

Les talibés survivent dans des daaras (écoles coraniques), souvent des habitations de fortune, inachevées, sans eau ni électricité, où les enfants, en surnombre, privés d'hygiène et de soins, s'entassent pour dormir, généralement à même le sol ou parfois sur des nattes, les uns collés aux autres. Beaucoup de daaras fleurissent ainsi, avec à leur tête des marabouts recherchant plus des profits personnels que le bien-être des talibés, devenus pour eux une source de revenus. Ils sont à la merci de leur «maître» qui a tous les droits sur eux. Le sévices corporels violents sont courant durant l'enseignement religieux. Au Sénégal, à peu près n’importe quel musulman peut se dire marabout, et il n’existe aucune loi régissant les daaras, contrairement aux établissements scolaires. Les marabouts sont vénérés et jouissent d’un véritable pouvoir sur la population.

Miavo-tena any amin'ny daaras (sekoly koranika) ny talibés, matetika ao amin'ny fialofana tsizarizary, tsy vita, tsy misy jiro sy misy rano, nefa dia toerana ifanontofan'ny ankizy mihoatra ny tokony ho zakan'ilay trano atoriana amin'ny tany na ambony tsihy, ary mifampitakisikisina ao. Miroborobo amin'ny toe-javatra tahaka izany ny daaras maro, ary “mpisikidy” mitady ny tombontsoan'ny tenany fa tsy izay mahasoa ny talibés no lehiben'izy ireo, satria io no loharanom-bolan'izy ireo. Eo ampelatanan'ny “maître” izay manan-jò feno amin'izy ireo ny momba ireo ankizy. Zavatra toy ny mahazatra izany fampijaliana ara-batana izany mandritra ny fampianara-pivavahana. Ao Senegal, saika ny rehetra no afa-miteny ny tenany ho “mpisikidy”, ary tsy misy ny lalàna mifehy ny daaras, tahaka ny lalàna mifehy ny toera-pampianarana mihatra amin'ny hafa. Toavina fatratra ny “mpisikidy” ary eken-teny eo amin'ny mponina.

Ho setrin'izany voina izany dia nanapa-kevitra ny handrara ny fangatahana an-dalambe ny governemanta :

Selon Abdoul Mbaye [le premier ministre] cette « mendicité organisée et cette exploitation des enfants en leur faisant vivre des conditions terribles et des risques doivent cesser ». À l’en croire, « c’est parce que les ressortissants sénégalais ne sont pas dupes que certains marabouts vont aller [chercher des enfants] jusque dans les pays limitrophes en Gambie, en Guinée Bissau et au Mali. Le Président de la République a donné des instructions fermes : de telles pratiques doivent cesser. Les marabouts véreux seront chassés et punis… »

Araka ny praiminisitra Abdoul Mbaye “tsy maintsy atsahatra ity fangatahana voarindra sy ity fanambakana ny ankizy avela hiaina ao anatin'ny tontolo mampihoro-koditra ity”. Ary raha hinoana ny teniny, “satria tsy azo fitahina ny senegaly ka misy ireo mpisikidy sasany tonga [mitady zaza] hatrany amin'ny firenena manodidina tahaka an'i Gambie, Guinée Bissau ary any Mali. Nanome toromarika hentitra ny Filohan'ny Repoblika : Tsy maintsy atsahatra izany fomba fanao izany. Horoahina sy hosaziana ny mpisikidy fetsifetsy…”

Fa araka ny nomarihan'ilay mpanao matoandahatsoratra Dom Bochel Guégan dia tsy vao sambany ny governemanta no efa naka fanapaha-kevitra toy izany.  Te-hino ny fandrarana ny fangatahana an-dalambe ataon'ny ankizy, izy , saingy… :

Il est tentant pour certains parents, tentant ou seule issue possible, de confier leur enfant en espérant qu'ainsi, il aura de quoi manger…

Sans compter tous les gamins venus de l'étranger, de Guinée ou d'ailleurs et qu'il faudra rendre à leurs familles, si on les trouve…

En 2010 déjà, Abdoulaye Wade, alors président de la République avait lui aussi annoncé la fin de la mendicité de ces mêmes talibés, poussé par la pression internationale des bailleurs de fond qui avaient posé ce préalable à toute autre aide financière.

La promesse n'aura pas tenu longtemps. Durant quoi ? deux, trois semaines nous avons effectivement constaté la disparition de ces gamins des rues, avant qu'ils ne reviennent, tous, et que les choses reprennent comme avant.

Fakam-panahy ho an'ny ray aman-dreny sasany, fakam-panahy na izay sisa no azony atao, mametraka ny zanany any amin'ny fiheverana fa any no ahafahany mihinan-kanina…

Tsy isaina intsony ny zazalahy avy any ivelany, avy any Guinée sy ny hafa izay tsy maintsy haverina amin'ny fianakaviany, raha hita izy ireny…

Efa nanambara ny hamaranana ny fangatahana ataon'ireo talibés ihany koa tamin'ny 2010 i Abdoulaye Wade, filohan'ny Repoblika tamin'izany fotoana, noteren'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena izay nametraka izany ho tsy  maintsy atao mialoha ny fanampiana ara-bola hafa.

Tsy naharitra ela ny fampanantenana. Hafiriana? roa na telo herinandro dia voamarikay tokoa ny tsy fahitana ireo  zazalahy an-dalambe ireo, nialoha ny hiverenan'izy rehetra, ary niverina toy ny taloha indray ny zava-drehetra.

Tsy izany fahasarotana izany ihany no tsy maintsy atrehin'ny governemanta araka ny navoitran'i Hady Ba sy Dom Bochel Guégan fa tsy ela ihany koa ny vali-bontan'ny mpitari-pivavahana. Lahatsoratra roa no notononiny :

Les maitres coraniques de Touba ; Darou Moukhty, Diourbel : « Aucun daara ne sera fermé ! »

« Aucun daara ne sera fermé… Nous refusons le diktat de l’Etat… L’Etat est dans une logique de règlements de comptes… Le talibé est un petit mendiant et l’Etat un grand mendiant … Nous sommes prêts à regrouper 6.666 daaras pour des prières destructrices … ».

“Tsy misy daara hikatona… Lavinay ny jadon'ny Fanjakana… Te-hanao politikam-balifaty ny fanjakana… mpangataka madinika ny talibé ary mpangataka vaventy ny fanjakana… vonona izahay ny hamory ny daaras 6.666 hanao vavaka fandravana …” .

Nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny collectif départemental des serignes daaras de Rufisque ary mandrahona ny hanao ady mystika amin'ny Filohan'ny Repoblika.
Misy ny manolo-kevitra ny hampidiran'ny fanjakana ao amin'ny fandaharam-pianarana ny fampianarana ara-pivavahana ; tahaka ny hevitry ny depiote Serigne Mansour Sy Djamil izay manombana fa an'ny fanjakana, izay ampangainy nisintaka tamin'ny sekoly koranika hahantra mba ho fampiroboroboana ny fanabeazana repoblikana [laika].

Photo de Dom Bochel Guégan. Avec autorisation.

Sarin'ankizy eny an-dalambe ao Sénégal navoakan'i Dom Bochel Guégan. (Nahazoana alalana)

Ao amin'ny Facebook ny mpiserasera iray no maneho hevitra  :

Ce matin [12 mars]  encore j'ai croisé des enfants, nus pieds, vêtus d'un simple tee-shirt trop grand, l'interdiction n'est bien évidemment pas respectée. Le premier ministre a dit hier que les lois étaient déjà existantes (vrai) et qu'il suffisait de les appliquer. Yako, fokon, espérons.

Androany maraina [12 marsa] mbola misy ankizy mifanena amiko ihany, tsy mikapa, manao akanjo tee-shirt fotsiny izay lehibe loatra, tsy voahaja mazava loatra ny fandraràna. Nilaza ny praiminisitra omaly fa efa misy ny lalàna izao (marina) ary dia ampiharina izany. Yako, fokon, adao antenaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.