- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Avy Any Arzantina Ny Papa Vaovao, Jorge Bergoglio

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

Ilay kardinaly Zezoita avy any Arzantina, Jorge Mario Bergoglio [1],  no Papa vaovao ho an'ny Fiangonana Katolika. Manomboka ny 13 Martsa 2013, ho fantatra amin'ny anarana hoa Papa François i Bergoglio.

Nalaky be tamin'ny fanehoankevitra ireo mpisera anaty aterineto taorian'ny fanambaràna fa hoe sambany no avy any Arzantina, ary Amerikana Latina, no hitondra ny Fiangonana Katolika.

Avy any  Buenos Aires, nanoratra i Rodrigo Hernán Torres (@RodrigoH_Torre [2]) [es] hoe :

@RodrigoH_Torre [3]:#Bergoglio [4] es nuestro nuevo Papa FELICITACIONES! Y todo el exito en este nuevo desafio y camino que comienza, es un momento historico

@RodrigoH_Torre [3]:#Bergoglio [4] no papantsika, ARAHABAINA! Ary mirary soa rehetra ho azy aho amin'ity fanamby vaovao sy làlana izay vao miandoha, mandritra ny fotoana manan-tantara ity.

Jorge Bergoglio, image from Wikimedia Commons [5]

Jorge Bergoglio, sary avy ao amin'ny Wikimedia Commons

Maro tamin'ireo mpampiasa Twitter no nampifandray ny vaovao tamin'ny baolina kitra, toa an'i Aaron Zamost (@zamosta [6]) izay mitanisa ny  “tànan'Andriamanitr'i”  Diego Armando Maradona:

@zamosta [7]; Papa François no faharoa avy any Arzantina  nahakasika ny tànan'Andriamanitra. http://bit.ly/KpI47u [8]

Na ilay mpanolotra fandaharana amin'ny TV monina any Etazonia,  Piers Morgan (@piersmorgan [9]), aza dia nanana ny azony lazaina mikasika ny baolina kitra ao Arzantina:

@piersmorgan [10]: Manana ny N°1 Katolika, N°1 amin'ny mpanao baolina kitra eto ambonin'ny tany ankehitriy i Arzantina. #Bergoglio [4] #Messi [11]

Anatinà lahatsoratra matomatotra kokoa, nibitsika i Caren Kalafatich (@CarenKalafatich [12]) [es] hoe :

@CarenKalafatich [13]: Somos argentinos, y es nuestra esencia: Festejamos un “Papa” pq es “argentino” y no hablamos de #Bergoglio [4] como hombre y su conservadurismo

@CarenKalafatich [13]: Avy aty Arzantina izahay, io no antom-pahavelomanay: Mankalaza ny “Papa” izahay satria izy  avy aty “Arzantina” ary tsy hiresaka an'i  #Bergoglio [4] amin'ny maha-olona sy lehilahy mpitahiry ny fomba azy izahay.

Marobe ireo mpampiasa twitter no manontany ny mety ho fandraisan'anjaran’ [14]ilay Papa vaovao tamin'ny Fitondrana Jadona tany Arzantina tamin'ny 1976-1983, tahaka an'i Guillermo Prein (@GuillermoPrein [15]) [es]:

@GuillermoPrein [16]: El Cadernal #Bergoglio [4] elegido Papa a pesar de su no explicada participación en ella última dictadura y del cerco a pederastas como Grassi

@GuillermoPrein [16]: Ny Kardinaly #Bergoglio [4] voafidy ho Papa na teo aza ny fandraisany anjara mbola tsy voazava hatrizao tamin'ny fanaovana jadona farany sy ny “fananganana fefy” hanafenana ny resaka fanolanan-jaza tahaka an'i Grassi [17]

Ho entinay ho anareo eto misimisy kokoa ny fandrakofana ny fanehoankevitr'ireo olon-tsotra sy ny fandalinana avy any Arzantina sy Amerika Latina. Aza miala.