Ilay kardinaly Zezoita avy any Arzantina, Jorge Mario Bergoglio, no Papa vaovao ho an'ny Fiangonana Katolika. Manomboka ny 13 Martsa 2013, ho fantatra amin'ny anarana hoa Papa François i Bergoglio.
Nalaky be tamin'ny fanehoankevitra ireo mpisera anaty aterineto taorian'ny fanambaràna fa hoe sambany no avy any Arzantina, ary Amerikana Latina, no hitondra ny Fiangonana Katolika.
Avy any Buenos Aires, nanoratra i Rodrigo Hernán Torres (@RodrigoH_Torre) [es] hoe :
@RodrigoH_Torre:#Bergoglio es nuestro nuevo Papa FELICITACIONES! Y todo el exito en este nuevo desafio y camino que comienza, es un momento historico
@RodrigoH_Torre:#Bergoglio no papantsika, ARAHABAINA! Ary mirary soa rehetra ho azy aho amin'ity fanamby vaovao sy làlana izay vao miandoha, mandritra ny fotoana manan-tantara ity.
Maro tamin'ireo mpampiasa Twitter no nampifandray ny vaovao tamin'ny baolina kitra, toa an'i Aaron Zamost (@zamosta) izay mitanisa ny “tànan'Andriamanitr'i” Diego Armando Maradona:
@zamosta; Papa François no faharoa avy any Arzantina nahakasika ny tànan'Andriamanitra. http://bit.ly/KpI47u
Na ilay mpanolotra fandaharana amin'ny TV monina any Etazonia, Piers Morgan (@piersmorgan), aza dia nanana ny azony lazaina mikasika ny baolina kitra ao Arzantina:
@piersmorgan: Manana ny N°1 Katolika, N°1 amin'ny mpanao baolina kitra eto ambonin'ny tany ankehitriy i Arzantina. #Bergoglio #Messi
Anatinà lahatsoratra matomatotra kokoa, nibitsika i Caren Kalafatich (@CarenKalafatich) [es] hoe :
@CarenKalafatich: Somos argentinos, y es nuestra esencia: Festejamos un “Papa” pq es “argentino” y no hablamos de #Bergoglio como hombre y su conservadurismo
@CarenKalafatich: Avy aty Arzantina izahay, io no antom-pahavelomanay: Mankalaza ny “Papa” izahay satria izy avy aty “Arzantina” ary tsy hiresaka an'i #Bergoglio amin'ny maha-olona sy lehilahy mpitahiry ny fomba azy izahay.
Marobe ireo mpampiasa twitter no manontany ny mety ho fandraisan'anjaran’ilay Papa vaovao tamin'ny Fitondrana Jadona tany Arzantina tamin'ny 1976-1983, tahaka an'i Guillermo Prein (@GuillermoPrein) [es]:
@GuillermoPrein: El Cadernal #Bergoglio elegido Papa a pesar de su no explicada participación en ella última dictadura y del cerco a pederastas como Grassi
@GuillermoPrein: Ny Kardinaly #Bergoglio voafidy ho Papa na teo aza ny fandraisany anjara mbola tsy voazava hatrizao tamin'ny fanaovana jadona farany sy ny “fananganana fefy” hanafenana ny resaka fanolanan-jaza tahaka an'i Grassi
Ho entinay ho anareo eto misimisy kokoa ny fandrakofana ny fanehoankevitr'ireo olon-tsotra sy ny fandalinana avy any Arzantina sy Amerika Latina. Aza miala.