- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andian'Olona Tezitra ao Pakistan Mandoro ny Tanàna Kristiana Manodidina Azy Ireo Ao

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Voina, Zon'olombelona

Noho ny Fiampangana ho nanao fitenenan-dratsy ara-pivavahana, [1] dia nisy andiana miozolomana 3000 nandoro [2] trano 100 tany Joseph Colony, tanàna kristiana an-tsisitsisiny lehibe iray ao amin'ny tanàna faharoa lehibe indrindra ao Pakistan dia i Lahore, tamin'ny Asabotsy 9 Marsa 2013.

Efa nandositra ny tranon'izy ireo ny alin'ny Zoma sy ny maraimben'ny Asabotsy ny mponin'i Joseph Colony, ao anatin'ny faritr'i Badami Bagh ao Lahore, rehefa nanaitra azy ireo amin'ny mety hisian'ny valifaty tamin'izay lazaina fa nanao fitenenan-dratsy teo amin'ny sehatry ny fivavahana nomarihan'i Sawan Masih, mpiasan'ny fahasalamana iray 28 taona avy ao amin'ny vondro-piaraha-monina misy azy ireo ny polisy.

Nivezivezy tao amin'ny tambajotra sosialy tamin'ny alalan'ny pejy Facebook Express Tribune ny sarin'ny hain-tranon'ny Joseph Colony [3]. Ao anatin'ireo sary ireo no ahitana andian'olona mifalihavanja eo am-pandoroana fandriana, milina fanasan-damba ary fitaovana fikarakarana tokantrano.

@norbalm (i N O R B A L M ™) [4] With Pride I BURN & Record it with my Mobile #Lahore #BadamiBagh pic.twitter.com/3agi09KxE2 [5]

Am-pireharehana no HANDOROAKO sy handraketako izany amin'ny alalan'ny findaiko #Lahore #BadamiBagh

Mob setting fire and recording via mobile. Image courtesy Tweeter user Norbalm [6]

Andian'olona mandoro trano sy mandrakitra izany amin'ny findainy. Sary avy amin'ny mpisera Tweeter @norbalm

@TahaSSiddiqui [7] (Taha Siddiqui): See burnt homes in #Lahore via @etribune pic.twitter.com/rJBRFBj0vz [8]

Jereo ny trano may ao #Lahore via @etribune

Lohahevitra mora mahatafintohina ny lalànan'ny fitenenan-dratsy ara-pivavahana [9] ao Pakistan; Maty novonoina noho ny fanoherany io lalàna io ny Governoran'i Punjab Salman Taseer [10] sy ny Minisitra Federaly Misahana ny vondron'olona vitsy an'isa, Shahbaz Bhatti [11].

Reza Habib Raja manoratra ao amin'ny Pak Tea House [12]:

In countries like Pakistan, it is the reverence of religion (which at times does not even have neat correspondence with actual adherence to its rituals) which is the main culprit. A law implemented in the name of religion is often impossible to repeal. People may not be following religion in their personal capacities, but fully understand its power in collective settings.

Ao amin'ny firenena tahaka an'i Pakistan, ny fankatoavana fivavahana (izay tsy misy idirany amin'ny fanekena ny fombafombany akory amin'izany fotoana izany) no fositra voalohany. Tsy voaisotra intsony matetika ny lalàna iray nampidirina tamin'ny anaran'ny fivavahana. Mety  tsy manaraka fivavahana noho ny fahafaha-mahefan'ny tenany manokana ny olona, fa mahatsapa tsara kosa ny heriny kosa rehefa mivondrombondrona.

Nentina hamelezana ny fivavahan'ireo olona vitsy an'isa ao amin'ny firenena matetika ny lalànan'ny fitenenan-dratsy ara-pivavahana [13]. Manavakavaka ireo antokom-pivavahan'ny vitsy an'isa ihany koa ny Lalampanorenana [14] ao amin'ny firenena. Voasakana tsy mahazo ho filoham-panjakana na filohan'andrim-panjakana ny tsy-Miozolomana araka ny Lalàmpanorenan'ny 1973 [14].

Pakistan's Christian minority shouts slogans against the attack on their community members in Lahore, during a protest in Hyderabad. Image by Rajput Yasir. Copyright Demotix (10/3/2013) [15]

Vondron'olona vitsy an'isa Kristiana ao Pakistan mihiaka ny fanoherana ny fanafihana ny mpiara-mivavaka amin'izy ireo tao Lahore, nandritra ny fihetsiketseham-panoherana iray tao Hyderabad. Sarin'i Rajput Yasir. Copyright Demotix (10/3/2013)

Reza Habib Raja manambara ao amin'ny bilaoginy Pak Tea House [12]fa tsy ny lalàna ihany :

Much more than the law, it is the mindset. I really don’t think that merely repealing the law will change anything. In fact law can only be repealed if there is a sufficient majority in the assembly. And that majority will only repeal it, if majority of the electorate wants it to be repealed. I really don’t think that any party has the political courage to even present the possible repealing as an agenda point in its political manifesto.

Mihoatra noho ny lalàna, ny toe-tsaina. Tsy mino aho fa hanova na inona na inona ny fanesorana ilay lalàna. Raha ny marina azo esorina ny lalàna rehefa azo ny maro an'isa ampy ao amin'ny antenimiera. Ary hanaisotra azy izany maro an'isa izany, rehefa mitaky ny hanesorana azy ny maro an'isa amin'ny mpifidy. Tsy mino aho fa hisy antoko hanana fahasahiana politika na dia ny hametraka ny mety hanesorana izany ao amin'ny drafitrasany ao amin'ny teny ierana politikany.

BoloBhi, fikambanana iray mifototra amin'ny fanajana zo no nisioka lahatsary nataon'i Saad Sarfaraz Shiekh [16] momba ilay zava-nitranga tao Badami Bagh.

@BoloBhi [17] (Bolo Bhi): “As sweepers, we clean their houses. They would die in the garbage if we didn't ” voices from #Josephcolony http://vimeo.com/61458898 [18]

“Tahaka ny fanaovan'ny mpamafa trano no hanadiovanay ny tranon-dry zareo. Ho faty ao anatin'ny fako ry zareo rehefa tsy izany izahay” feo avy ao #Josephcolony

@salmansid [19] (Salman Siddiqui): Just imagine being a Christian or an Ahmedi or Shia 4 a second in #Pakistan what future will u think u'll have 4 urself, ur family here?

Eritrereto ao anatin'ny segondra iray monja hoe Kristiana ianao na Ahmedi na Shiita ao #Pakistan fa ho avy manao ahoana moa no mba eritreretinao ho anao, ny fianakavianao ao?

Bilaogera sady mpanoratra an-gazety Sonya Rehman [20] nitafatafa tamin'iray amin'ireo mponin'i Joseph Colony:

Mpanao gazety Pakistaney iray monina any Etazonia, Beena Sarwar, no manoratra ao amin'ny bilaoginy [21], ‘Fanafihana iray efa voarindra hamelezana ny fananan'ny Kristiana ao Lahore; fihetsiketseham-panoherana ny Alahady':

The mob was given a free hand to burn and loot; it destroyed more than 150 houses and shops, as well as a church, including bibles and religious symbols (blasphemy case against perpetrators, anyone?). This is not the first time this has happened. Remember Shantinagar (1997) [22], and Gojra and Kerian. [23] (2009)

Nomena alalana tsy misy sakatsakana handoro sy handroba ilay andian'olona; namotika trano sy fivarotana mihoatra ny 150, namotika fiangonana sy baiboly ary sariohatra ara-pivavahana (fitenenan-dratsy ara-pivavahana hamelezana izay nanao izany?). Tsy vao sambany no nisy izany. Tsarovy Shantinagar (1997), Gojra sy Kerjan (2009)

Mamehy ny toe-draharaha any Pakistan ny bilaogy Pak Tea House [12]:

Religion has been elevated to such level and in a way that any debate on it has become impossible. Consequently, as a society we are completely impotent to even condemn those who misuse religion for committing horrifying acts. This impotence is the real tragedy and is even more horrifying than the actual act.

Nasandratra ho amin'ny ambaratonga avo sy amin'ny fomba mahatonga ny tsy fahazoana miady hevitra momba azy ny fivavahana. Vokatr'izany, tsy afa-mihetsika  mihitsy  isika, amin'ny maha-fiarahamonina antsika, na dia ny manameloka ireo mahavita zava-mahatsiravina amin'ny fampiasana diso ny fivavahana aza. tena voina tokoa izany tsy fahafaha-mihetsika izany ary mahatsiravina noho ilay fanaovana zava-doza aza.