Ny ‘Revirevin'i Shina’ Ve Tena ‘Revirevy Miaramila Matanjaka’ Tokoa ?

Nivoaka voalohany tao amin'ny Tea Leaf Nation tamin'ny 8 marsa 2013 ity lahatsoratr'i Rachel Wang ity ary navoaka indray noho ny fifanarahana hifampizara votoaty.

Tamin'ny 3 marsa, nisy lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Mifantoka sy manangana ny ‘Revirevy Tafika Matanjaka’ ” nivoaka teo amin'ny voalohan-takelaky ny gazety mivoaka isan'andro PLA gazety mivoaka isan'andro PLA. Raha atao indray mitopy maso voalohany ny lahatsoratra dia mitovy amin'ny taratasim-propagandy, famoaka mandritra ny fivorian'ny kongresy shinoa indroa misesy. Ny lahatsoratra dia ahitana teny filamatra tahaka ny, “Ny fankatoavana ny Antoko no fanahin'ny tafika matanjaka,” sy ny  “Ny fiasana mafy sy fiasana mafy no marika goavan'ny asa miorina tsara.” Amin'ny dingana lalina kokoa, anefa, dia mety ho lahatsoratra politika mampiako ny tetibolam-pirenena, izay tombanana ho 720,2 miliara yuan ($114,3 miliara) ny ho an'ny tafika amin'ny 2013, izay manondro fiakarana 10,7%.

Chinese flag by Flickr User Herr_Bert (CC: AT-NC-SA)

Saina Shinoa avy amin'ny mpisera Flickr Herr_Bert (CC: AT-NC-SA)

Mety misy fiantraikany bebe kokoa ny “Strong Military Dream” (Revirevy tafika matanjaka) – Mety mampiseho ny nofinofin'i Shina io . Ny andro manaraka ny nivoahan'ny lahatsortra tao amin'ny gazety mivoaka isan'andro PLA, nisy lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Miaramila matanjaka no revirevin'i Shina; Tsy maintsy manana Miaramila Matanjaka ny firenena Lehibe iray” nivoaka tamin'ny habaka mitondra anarana goavana, ahitana ny huanqiu.com, famoahan'ny Global Times amin'ny teny shinoa. Nasongadin'ny lahatsoratra fa “tsy ‘revirevin'ny mpanankarena’ ny ‘Revirevin'i Shina’” sy ny, “Eo amin'ny sehatra politika, tsy mitovy amin'ny firenena matanjaka ny firenena manankarena.” Ny kinendrin'ny lahatsoratra voalohany dia ny hoe ny revirevin'i Shina dia izay revirevin”ny Firenena Matanjaka – sy miaramila matanjaka.

Nanodidina ny fotoana nivoahan'ireo lahatsoratra ireo ny CCTV amin'ny teny anglisy mandeha ao anatin'ny 24 ora no manentana ny  adi-hevitra momba izany ao amin'ny [zh] Weibo:

 

#中国梦#大声说,勇敢做,让你的中国梦不再仅是个dream!梦想无关大小、不分贵贱;可以被现实打压,却不能被失望扼杀;可以遭遇不公,却不能放弃正直;与其咒骂,不如祝福,与其抱怨,不如改变。你的梦想,对中国很重要!央视英语新闻频道CCTVNEWS,携全球记者,记录中国梦,分享世界梦。参与#中国梦#互动,随手拍我的梦,@CCTVNEWS,转发最高的50个梦想,将在有一亿多海外用户的CCTVNEWS播出,向世界秀出你的ChinaDream!

#CHINA DREAM# ‘Nanonofy aho!’ Tsy mbola nisy fotoana teo amin'ny tantara ka niteny an-kahalalahana ny fanantenany, ny revireviny ary ny fomba fijeriny ny hoaviny tsaratsara kokoa ny Shinoa. An-tapitrisany ny ao Shina no mamelombelona ny revirevin'i Shina ao aminy, raha an-tapitrisany ny olona ivelan'i Shina no valalanina amin'ny fiainana ao. Zarao amin'izao tontolo izao ny Revirevin'i Shina ao aminao ary omeo aingam-panahy ny hafa!

Nisy sarimihetsika fohy nampitondraina ny lohateny hoe “Revirevin'i Shina,” izay notontosain'olo-tsotra ihany koa novokarina. Raha miezaka fatratra ny fampahalalam-baovaom-panjakana ny manao hivoahan'ny fiteny manatsara zavatra tahaka ny hoe, “Tiako ny firenentsika ho be herimpo, sy hanana vina, sy fahendrena handreseny ny sarotra,” dia asehon'ny filazan-kevitra amin'ny ankapobeny tamin'ilay sarimihetsika sy ny resaka momba ny Revirevin'i Shina amin'ny ankapobeny fa tsy mety hirotsaka an-tsehatra ho ao ny mpiserasera amin'ny ankapobeny. Lasa ny esoeso, hisitrisitra ary fitarainana aza no betsaka. Mpisera Weibo iray mitazona ny  @Paradise Bird 128 (天堂鸟128) [vorona paradisa 128] no manoratra [zh]:

我的梦想是在讨论中国目前的状况时不被请喝茶。

Ny revireviko dia ny tsy hanasana ahy ‘hisotro dite’ [tenin-jatovo enti-milaza ny fampiantsoana hihaona amin'ny tompon'andraiki-panjakana] rehefa miresaka lohahevitra momba an'i Shina amin'izao vaninandro iainana izao.

Milaza ny heviny [zh] ny iray hafa antsoina hoe @If Milk Tea (如果奶茶) [Raha Ronono Dite] ,

以我仅知的那点外国历史,当一种梦想上升为可以用一个国家作为前置定语时,这种梦想必然伴随着大股的移民潮,比如American Dream。今天两会上一些一本正经喊着要拥护实现中国梦的代表委员们,我觉得可以查一下,有多少人或其家属已经提前实现了美国梦

Araka ny fahalalàna kely dia kely ananako amin'ny tantaram-pirenena vahiny, raha misy revirevy lazaina amin'ny firenena iray, dia tsy maintsy miaraka amin'ny fifindra-monin'olona maro izany, tahaka izay tamin'ny nitranga tamin'ny Revirevy Amerikana. Afa-manamarina izany isika amin'ity Fivorian'ny Solontena indroa misesy ity, izay miantso antsika hiaro sy hahatsara ny Nofinofin'i Shina, ary manontany hoe firy amin'izy ireo na ny olo-pantany no nahatratra ny Revirevy Amerikana.

Manararaotra ihany koa ny mpandeha aterineto hiresaka momba ny fifanipahana hita ao amin'ny tian'ny fanjakana hisongadina amin'ny “Revirevin'i Shina” sy ny fanantenany tsy tanteraka. Nanoratra [zh] ny mpisera @Zhou Yiting (周旖婷),

空气清新点,水质卫生点,食物放心点,奶粉安全点,航班准时点,路面畅通点,油价低一点,税收少一点…不要那么多,只要一点点…I have a dream,just a dream…

Rivotra madio kokoa, rano ara-pahasalamana kokoa, sakafo voaaro kokoa, fomba tsara kokoa hiarovana ny zaza, sidina ara-potoana, lalana tsy voasakatsakana, vidin'etona mora kokoa, hetra ambanimbany kokoa…tsy betsaka, fa kely fotsiny…Manonofy aho, nofy fotsiny.

Manana ny revireviny ny fampahalalam-baovaom-panjakana, fa tsy afa-mamaritra azy mazava. Araka ny lahatsoratra iray, ny fanatontosana ny Revirevin'i Shina dia “manaraka tsy azo hozongozonina ny lalan'ny sosialisma manana ny toetra shinoa, fanatontosana ny fampandrosoam-pirenena sy ny fivoarana sosialista amim-pilaminana sy fomba sivilize.” Mpisera Weibo @Ji Jiaqing (籍佳婧JJJ) nahatsapa fa teny filamatra poak'aty indray izany:

怎么觉得最近频繁出现的新闻词汇"中国梦"有点虚,这是模仿American dream?连我都没办法保持根正苗红了

Nahoana aho no mahatsapa fa tahaka ny mitsena rivotra ihany ilay teny filamatra vaovao malazan'ny ‘Revirevin'i Shina’ faraparany teo, noho ilay izy nalaina tahaka tamin'ny ‘Revirevy Amerikana’ ve ? Eny fa na izaho aza tsy mahazaka ny Antoko amin'izao fotoana izao.

Ny fandraisana mangatsiatsiaka amin'ny “Revirevin'i Shina” any amin'ny mpihaino nokinendry no mampiseho ny fahadisoam-panantenana amin'ny tsy fahafahan'ny governemanta manatanteraka ny nofinofy. Mila fametrahan-dalàna na fidirana an-tsehatra vaovaon'ny mpitondra ny ankamaroan'ireo nofinofy ireo.  Hoy ny mpisera Weibo @Yu Jianrong (于建嵘), Mpikaroka iray avy ao amin'ny Akademia Shinoa misahana ny Siansa Sosialy izay manana mpanaraka mihoatra ny iray tapitrisa ao amin'ny Weibo  [zh]:

美国梦是指美国人的梦,保障个人权利是基础;中国梦是国家的梦,强化国家权力是前提。

Mampiseho ny revirevin'ny Amerikana tsirairay ny ‘Revirevy Amerikana’ , ary mifototra amin'ny fiarovana ny zon'ny tsirairay; mampiseho ny revirevin'ny firenena kosa ny ‘Revirevin'i Shina’, izay mifototra amin'ny fanamafisana kokoa indray ny herin'ny fitondram-panjakana.

Ny fahasarotan'ny fiainana (zavamisy iainana) sy ny tsy fisian'ny fahazotoana no mety ho antony roa mahasarotra ny famaritana ny  “Revirevin'i Shina.” Angamba ny tonian'ny gazety mivoaka isan'andro Henan Business Daily  no afa-mametraka azy tsara kokoa:

中国大陆有钱有权的,最高梦是美国梦,最低梦是香港梦。没钱没权,带点奶粉都是梦。

Eto Shina Tanibe, ho an'ny mpanankarena sy ny manana fahefana, ny revirevy lehibe indrindra dia ny ‘Revirevy Amerikana,’ raha ny revirevy kely indrindra dia ny ‘Revirevy Hong Kong.’ Ho an'ny olona tsy manam-bola sy fahefana kosa, na dia ny famerenana ny rononon-jazakely aza dia revirevy efa mety.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.