Manova Fihetsika Amin'ny Fanambadian'ny Ankizy Ao India

Ao Azia Atsimo sy any ambanivohitra Afrika Atsimon'i Sahara no ahitana ny ankamaroan'ireo fanambadian'ny ankizy manerantany. Ao ambanivohitra India, 47 isan-jaton'ny tovovavy (tatitry ny UNFPA) no manambady alohan'ny faha-18 taonany. Ny Firenena Indiana Bihar no manana taha ambony indrindra momba ny fanambadian'ny ankizy izay tafakatra 69 isan-jato.

Urmila Chanam nizara tantaran'ankizy manambady ao India:

 

Fomba amam-panao ao amin'ny faritra ao India io. Manambady ireo ankizy raha toa ka tokony mbola hiaraka amin'ny kilalao. Miditra amin'ny sehatry ny fanambadiana ireo tovolahy sy tovovavy kanefa tsy mahafantatra akory ny dikan'izany fanambadiana izany. Simban'ity fomba amam-panao fahagola ity ny fahazazana sy ny fanirian'ireo ankizy eo amin'ny fiainana. Tsy mba misy olona manohitra izany satria efa lasa fenitra ny fanambadian'ny ankizy. [..]

Na dia voaràran'ny lalàna Indiana aza ny fanambadian'ny ankizy, mbola manjaka tanteraka eny amin'ny faritra ambanivohitra ao Madhya Pradesh, Uttar Pradesh, Rajasthan, Chhattisgar, Bihar, ary Andhra Pradesh izany. Na dia misy aza ireo firenena an-dalam-pandrosoana sasany mampihatra ny fanambadian'ny ankizy, ao India ihany no ahitana ny iray am-pahatelon'ireo ankizy manambady:

Girls dressed as young bride and groom for an awareness campaign against child bride. Agartala, India. Image by Reporter#24728. /Copyright Demotix (7/3/2012)

Tovovavy mitafy tahaka ny tanora lahy sy vavy mifanambady, sary fanentanana ho fanoherana ny fanambadian'ny ankizy. Agartala, India. Sary avy amin'ny Reporter#24728. Copyright Demotix (7/3/2012)

Misy antony ara-pivavahana ihany koa ny fanambadiana aloha loatra. Vao haingana ny Fitsarana Ambony ao amin'ny Firenena Indiana ao Karnataka no namoaka didy  raharaha fanambadian'ny ankizy fa ny Lalàna Fandràrana ny Fanambadian'ny Ankizy 2006 (PCMA) dia mana-danja  voalohany amin'ny Lalàna Manokana an'ny Miozolomana, izay mamela malalaka ny fanambadian'ny ankizy rehefa tonga amin'ny fahamaotina.

Araka ny voalazan'ny lalàna PCMA, voaràra ny fanambadian'ny tovovavy latsaky ny 18 taona sy ny tovolahy latsaky ny 21 taona. Ireo tovovavy eny ambanivohitra sy tovolahy mahantra, tsy dia nandia-fianarana sy voakasiky ny fomba amam-panao sy ny hasina no tena iharan'ny fanambadiana lasa aloha loatra ka mihaika ny lalàna. Saingy tsy tahaka izany foana no zava-mitranga. Iray amin'ireo faritra manana taha ambony indrindra amin'ny fanambadian'ny ankizy i Maharashtra. Mampahatsiahy ny Video Volunteers at Youth Ki Awaaz :

Dimy ambi-roapolo isan-jaton'ny vehivavy manambady ao Maharashtra no nanaiky hanambady alohan'ny faha-18 taonany, araka ny tatitra sy fitsapan-kevitra (sondage) nataon'ny governemanta tamin'ny tokantrano eny anivon'ny Distrika (DLHS-3). Mitranga amin'ilay antsoina hoe firenena Maharashtra “tia fandrosoana’ izany, manara-maso akaiky ny fiainan'ireo tovovavy sy ny fanapaha-kevitra mifandraika amin'ny fananahana ny fianakaviana.

 

Saingy niova ny zava-misy. Mpikambana ao amin'ny IndiaUnheard (Video Volunteers)Rohini Pawar nanadihady tovovavy roa izay nanambady vao haingana ny naman'izy ireo. Misenton'ny fankasitrahana izy roa tsy nanambady:

Vehivavy roambinifolo, izay nanambady tamin'ny fahazazany no nandray anjara tamin'ity lahatsary ity izay miresaka fanoherana ny fanambadian'ny ankizy. Ity lahatsary sy tetikasa ity no fanombohan'ny Fandaharan'asan'ny Video Volunteers’ Community:

http://youtu.be/ke3SHTmKilw

Nalaina taminà tanàna kely maromaro ity lahatsary eto ambony ity.

Anisan'ny fanavaozana lehibe indrindra ara-tsosialy ny fanambadian'ny ankizy ao India izay tsy sokajiana ho olana firy intsony. Neha, bilaogera avy ao New Delhi, nanoratra hoe:

Na dia niara-niasa akaiky tamin'ny governemanta Indiana aza ny Firenena Mikambana mba hanentana, sy hanamafy ny fampiharana ny lalàna ary hampiroborobo ny fampianarana ny vehivavy, mbola maro ireo mpitondra no manasokajy ny fanambadian'ny ankizy ho vahaolana amin'ny fiarovana ny tovovavy amin'ny herisetra ara-nofo tahaka ny fanolanana.

 

Araka ny filazan'ny UNFPA, raha mbola mitohy hatrany ny tahan'ny fanambadian'ny ankizy ankehitriny, tovovavy  14,2 tapitrisa manerantany isan-taona na 39.000 isan'andro no hanambady aloha loatra.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.