11 Marsa 2013

Tantara tamin'ny 11 Marsa 2013

Ekoatora: Herintaona Izay No Lasa Hatramin'ny Nitànana An-tranomaizina An'ireo '10 Avy Any Luluncoto’

  11 Marsa 2013

Herintaona izao no lasa hatramin'ny nitànana ireo "10 avy any Luluncoto", olom-pirenena voampanga ho nikasa hanao asa fampihorohoroana. Fihetsiketsehana maro no natao teo ivelan'ny fonjam-behivavy Inca, tany avaratr'i Quito, ary miandry ny famoahana haingana an'i Abigaíl Heras sy Cristina Campaña, roa amin'ireo voampanga izay efa nandany herintaona an-tranomaizina ny vahoaka.

Global Voices Advocacy : Mampiroborobo Ny Zon'ny Mpiserasera Eo Amin'ny Firenena Mikambana

GV Mpisolovava  11 Marsa 2013

Tamin'ity herinandro ity, manampahaizana an-jatony momba ny teknolojia sy ny politikan'ny aterineto no nihaona tao Paris nandritra ny Vovonana Iraisam-pirenena momba ny Sehatry ny Fampahalalam-baovao (société de l’information) (SMSI) mba hiadihevitra sy hiresaka lohahevitra tena maika mifandraika amin'ny politikan'ny Aterineto. Manamarika ny faha-10 taona nitsingerenan'ny fizotry ny hetsika tamin'ny alalan'ireo karazana sampan-draharahan'ny Firenena...

Manova Fihetsika Amin'ny Fanambadian'ny Ankizy Ao India

  11 Marsa 2013

Ao Azia Atsimo sy any ambanivohitra Afrika Atsimon'i Sahara no ahitana ny ankamaroan'ireo fanambadian'ny ankizy manerantany. Ao ambanivohitra India, 47 isan-jaton'ny tovovavy (tatitry ny UNFPA) no manambady alohan'ny faha-18 taonany. Ny Firenena Indiana Bihar no manana taha ambony indrindra momba ny fanambadian'ny ankizy izay tafakatra 69 isan-jato. Urmila Chanam nizara tantaran'ankizy manambady ao India:  ...