- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manadihady ny Lova Politika Navelan'i Chávez ny Arzantiniana

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Venezoela, Mediam-bahoaka, Politika

Ny rohy rehetra dia amin'ny teny espaniola ankoatra izay marihana manokana.

Noho ny fahafatesan'ny [1] [mg] filoha Venezoelana Hugo Chávez, dia nanambara telo andro fisaonam-pirenena ny filohan'i Arzantina, Cristina Fernandez de Kirchner. Mandritra izany fotoana izany, manadihady ny fiainana politikan'ilay mpitarika Venezoelana ny bilaogera Arzantiniana.

Gerardo Fernandez, avy amin'ny bilaogy  Tirando al Medio [2] (Mikendry ny Media), manadihady ny rafitra politika tamin'ny taonjato lasa sy ny fanorenana vaovao amin'ny vanim-potoana politika vaovao ao amin'ny lahatsorany “Chávez, la democracia y el sentido de las palabras” [3] (Chavez, ny demokrasia ary ny dikan'ny voambolana):

Durante casi todo el siglo pasado, las derechas continentales recurrieron a las Fuerzas Armadas para derrocar gobiernos electos democráticamente porque, según ellas, se habían apartado “del camino correcto” y en consecuencia los golpes cívico-militares se perpetraban con el “bienintencionado fin” de generar las condiciones para una democracia mejor.

El punto es que esta mecánica fue funcional a la interrupción constante del proceso democrático latinoamericano. Hasta que el nuevo siglo vio implosionar al neoliberalismo y sus consecuencias quedaron a la vista de todos. Ahí, la irrupción de Hugo Chávez se torna definitiva para comenzar a sentar las bases de un nuevo tiempo político.

Nandritra ny taonjato lasa, nampiasa ny tafika mitam-piadiana ny hery politika avy amin'ny antoko ankavanana hanonganana ny governemanta nolaniam-bahoaka, rehefa – lazain'izy ireo – niala tamin'ny  “lalana marina” ireo, ary natao ny fanonganam-panjakana sivily-miaramila noho “ny finiavana tsara” hametrahana fepetra maromaro hananana demokrasia tsaratsara kokoa.

Nampiharina hatrany izany fomba izany hampitsaharana ny firosoana demokratika ao Amerika Latinina. Saingy tonga ny taonjato vaovao nahitana ny fahavakisana anatin'ny Neoliberalisma ary mora hita maso ny fiantraikany. Tamin'io vanim-potoana io no nipongatra i Chavez izay lakilen'ny fanorenana vaovao amin'ity vanim-potoana politika vaovao ity.

Ao anatin'izany fomba fisainana izany i Marcelo Fernandez avy ao amin'ny Novedades por el sur [4] (Vaovao ao Atsimo), mikendry ny hampahatsiahy “zava-misy tokony hanaitra ao amintsika” [5].

Cristina Fernández de Kircher con Hugo Chávez, 1 de diciembre 2011. Imagen compartida por el usuario de Flickr chavezcandanga bajo licencia Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0) [6]

Cristina Fernández de Kirchner miaraka amin'i Hugo Chávez, 1 Desambra 2011. Sary nozarain'ny mpisera Flick user chavezcandanga under license Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0)

Hugo Chávez Frías ha pasado a la historia como un líder latinoamericano que retomó una serie de banderas olvidadas a raíz de los embates furibundos que el neoliberalismo asestó a nuestra región. Ya desde 1992 -pero desde 1998 como presidente- Chávez comenzó a re-habilitar las nociones de Patria Grande, Socialismo, integración latinoamericana, Estado fuerte y redistribución de las riquezas, etc.

Lasa ao amin'ny tantara i Hugo Chavez Frias hotsaroana ho Mpitarika Amerikana Latinina nandray indray ny soatoavina efa noadinoina ela noho ny gidragidra nataon'ireo Neoliberalista romotra taty amin'ny renim-paritra. Hatramin'ny 1992, na dia tamin'ny taona 1998 no nahavoafidy an'i Chavez, no namerenany indray ny hevitra sasantsasany tahaka ny : Tanindrazana Lehibe, Sosialisma, Fiarahana Amerikana Latinina, Fanjakana matanjaka, fizaran-karena, sns.

Ankoatra izay ny bilaogeran'ny ‘Contradicto de San Telmo’ nanoratra tontonkalo mitondra ny lohateny hoe “El Perón Tropical” [7]  (Ilay Peron Tropikaly). Mamaphatsiahy antsika ny fehezanteny nipoitra tamin'ny soratsoratry ny rindrindra (graffiti) taorian'ny namoahana ny vaovao fahafatesan'i Eva Duarte de Peron ny andininy ao anatiny: “Ho Ela Velona Homamiadana [8]!” [en]

 

Las élites descorchan caros espumantes
Los sobrios mercados estallan en clímax
Se excitan los poderosos en sus sueños húmedos de poder
En mansiones del Doral preparan, embriagados,
La pintura de brea con la que reescribirán
Por enésima vez su lacónico “Viva el Cancer”

 

Raha manokatra ny divainy lafovidy ny vato nasondrotry ny tany
Mahatratra ny faratampony ny tsena tsotra
Manaitra indray ny nofinofim-pahefan'ireo mahery
Any an-trano Doral no ikarakaran'izy ireo, mamo,
Ny lokon-tany no anoratan'izy ireo indray
Tsy voaisa intsony ny feo reraka “Ho Ela Velona Ny Homamiadana”

Na izany aza, tsy ny bilaogera Arzantina rehetra no mihevitra fa tsara ny zava-navelan'ny politika ara-toekaren'ny fitondran Chavez. Esteban Tabasco milaza ao amin'ny bilaoginy Argentina Abierta [9]  [es] (Arzantina Misokatra):

Que nadie se equivoque: Chávez no erradicó la pobreza de Venezuela, erradicó la riqueza.

Porque un país sólo puede jactarse de haber eliminado el hambre cuando generó trabajo genuino para toda la gente, y no cuando reparte bolsas de comida, como Chávez.

Aza afangaro: Tsy nanafoana ny fahantrana tany Venezuela i Chavez. Fa nanafoana ny harena.

Satria ny lalana tokana ahafahan'ny firenena mirehareha amin'ny fanafoanana ny hanoanana dia rehefa nahatsangana asa tena izy ho an'ny mponina rehetra izy , fa tsy hoe manome sakafo maimai-poana tahaka ny nataon'i Hugo Chavez.

Misy ny Arzantiniana hafa, tahaka ny mpilalao football Diego Armando Maradona (@DiegoAMaradona) [10], nampiasa ny tambajotra sosialy hanaovam-beloma ny Filoha Venezoelana:

@DiegoAMaradona [11]: Hasta siempre comandante @chavezcandanga [12] , lo vamos a extrañar x siempre #ChavezVive [13]

@DiegoAMaradona [11]: Veloma mandrakizay, Komandy @chavezcandanga [12], Halahelo anao mandrakizay izahay #ChavezVive [13]

Hajiantsarin'i Cristina Fernández de Kirchner sy Hugo Chávez avyamin'i Bernardo Londoy, ambany lisansa Creative Commons license (CC BY-NC-SA 2.0) [14]