[Mitondra mankany amin'ny pejy amin'ny teny Portiogey ny rohy rehetra ato.]
Taitra noho ny feon'ny hiakam-pahoriana sy ny feon'ny vehivavy roa mpanjifa nokaravasiana tao amina tranombarotra iray i Angola tamin'ny 7 Febroary 2013. Tao anatin'ny telo andro monja, nahazo mpijery youtube maherin'ny 25.000 ilay rakitsary maharitra 13 minitra izay maneho vehivavy roa novonoina tamin-kerisetra, nalefa tamin'ny fahitalavi-panjakana ary nahatohina ny fiarahamonina Angoley.
Nampangaina ho nangalatra savony sy tavoahanginà champagne, nosaziana mafy ireto vehivavy ary nalaim-baraka tamin'ny firaisana ara-nofo nataon'ny lehilahy maro, isan'izany ny tompon'ilay tranombarotra. Nilaza tamin'ny mpanao gazety izy ireo taty aoriana fa naharitra ora maro ny fampijaliana natao azy.
Nampiasa antsipika, hazo fidarohana, ary fantsona ireo mpamono olona, hampijaliana ireto vehivavy, tamina sehatra izay mampatsiahy ny andron'ny fanandevozana. Ao anatina firenena izay mbola voafetra ihany ny anjara toeran'ny aterineto, tamin'ity fotoana ity kosa, niova ho lasa fitaovana iray nanome sehatra bebe kokoa ho amin'ny fahitana zavatra izy ary nitondra ny firenena hahita voalohany ny dikan'ny hoe “fitsaran'ny tena manokana”. Amin'izao fotoana izao ny aterineto, izay endriky ny fahafahana, vao manao ny dingana voalohany amin'ny maha-alika mpiambina izay eo am-pelatanan'ny vahoaka any Angola, araka ny hazavain’ ny mpanao gazety Reginaldo Silva eo amin'ny Facebook:
Acho que a partir de hoje as redes sociais ganharam um outro estatuto junto de quem manda neste país, com as minhas atenções voltadas para o poder judicial…É importante que os poderes estabelecidos passem a encarar de outra forma a informação que se produz aqui…
Mihevitra aho fa nahazo toerana vaovao manomboka androany ny tambanjotra sosialy ho an'izay mitantana ity firenena ity, ary ny fijeriko izay mitodika amin'ny fahefam-pitsaràna ankehitriny… Zava-dehibe ny fanombohan'ny fanjakana mijoro miatrika ny vaovao izay novokarina tamin'ny fomba hafa…
Nisy maro ireo feo nisandratra nanohitra ilay lahatsary ary naneho ny hatezerany sy ny tokony hanafoanana ilay lahatsary naoaritaka, toy ny Lehiben'ny Fampanoavana Paulo Tchipilica, sy ny Governoran'i Loanda, Bento Bento. Na izany aza, ao amin'ny fanambaràny, dia mihevitra ny mpanao fanadihadiana ao amin'ny Radio Eclésia sy ny Filohan'ny [antoko mpanohitra] Bloco Democrático, Justino Pinto de Andrade, fa sarotra ny hino ireo mpikambana ao amin'ny governemanta ireo:
Todos os dias há violência gratuita e bárbara contra cidadãos, como se não tivessem direitos, os mais elementares direitos. Agora, fruto da exposição a que as referidas imagens tiveram direito, ouvimos manifestações de repúdio por parte do Procurador de Justiça, Paulo Tchipilica, e até mesmo por parte do Governador de Luanda, Bento Bento. A questão que eu coloco é a seguinte: dá para acreditar na manifestar de “pesar” exibida por estes dois responsáveis, quando nunca se ouve a sua voz de protesto, quando se agridem pessoas na rua, se molestam os manifestantes de forma bárbara
Isan'andro izao, misy foana ny herisetra zaraim-potsiny sy feno habibiana atao amin'ny vahoaka, sahala amin'ny hoe olona tsy manan-jo izy ireo, tsy manana ilay tena zo fototra. Amin'izao fotoana, hita ny vokatry ny fanehoana ity lahatsary ity, henonay ny hetsika fanafoanana kasain'ny Lehiben'ny Fampanoavana, Paulo Tchipilica, eny fa na ny Governoran'i Luanda, Bento Bento aza. Ny fanontaniana apetrako dia izao manaraka izao: azo inoana ve ny hetsika “hatezerana” asehon'ireto lehilahy tompon'andraikitra ireto, raha toa kosa tsy heno mihitsy ny feo fanoherana avy amin'izy ireo, rehefa tafihana eny an-dalambe ny olona, rehefa vonoina amin'ny fomba feno habibiana ireo mpanao hetsi-panoherana.
Nanameloka ny herisetra natao tamin'ireto vehivavy ireto ihany koa ny Vondrona Parlemantera. Ao amin'ny fampitam-baovao ho an'ny masoivohom-baovao Lusa, nilaza i Candida Celeste Silva, Parlemantera avy amin'ny MPLA, ary ministry teoaloha nisahana ny Fianakaviana sy ny fanandratana ny Vehivavy, hoe:
O Grupo das Mulheres Parlamentares felicita os cidadãos que denunciaram o crime, considerando-o um atentado aos Direitos Humanos
Miarahaba ireo olom-pirenena izay nitatitra ilay heloka ny Vondrona Vehivavy Parlemantera, izay mandray azy ity ho fanitsakitsahana ny Zon'Olombelona
Na izany aza, mihevitra i Reginaldo Silva, mpanao gazety solontenan'ny BBC teo aloha, fa tokony hiverina hijery ilay lahatsary indray ny vehivavy:
Todas as senhoras que hoje ouvi a condenarem a cena de violência contra as duas mulheres, parecem ter ignorado que a mesma foi testemunhada no local por pelo menos três mulheres conforme as imagens comprovam facilmente. É um pormenor que faz alguma diferença e que não pode ser ignorado na hora de se fazer justiça…
Toa sahala amin'ny tsy mahalala akory ireo vehivavy rehetra izay henoko hatramin'ny androany nanameloka ilay herisetra natao tamin'ireto vehivavy roa, fa nisy vehivavy, farafarakeliny telo, nanatri-maso teo amin'ilay sehatra, araka ny anaporofoan'ilay lahatsary azy tsara. Pitsopitsony izany izay mahatonga fahasamihafana ary tsy tokony hodian-tsy hita rehefa ho entina eny amin'ny fitsarana…
Naraikitra amin'ilay tranganà fampijaliana amin'izao fotoana izao ety anaty tambajotra sosialy ny tavoahanginà champagne, Moet Chandon, mitentina 28€, araka ny hita eo amin'ny sary nozarain'i Master Ngola Nvunji eo amin'ny Facebook.
Hatramin'ny herintaona, nampivarahontsana an'i Angola ny tranga maro nahitana herisetra naseho teo amin'ny aterineto. Tamin'ny voalohadohan'ity taona ity, sarin'ny mpifonja iray novonoina no naparitaka.
Tohanan'ny bilaogy Círculo Angolano Intelectual (Làlana Ara-tsaina Angoley) ihany koa fa endriky ny fiarahamonina Angoley sy izay itarihana azy ity lahatsary ity.
Temos que repensar o tipo de País e sociedade, que queremos deixar aos nossos filhos e as gerações vindouras, e nesse aspecto temos todos que reagir e ninguém pode ficar indiferente,porque infelizmente casos como este é o nosso dia dia… a criminalidade é fruto da pobreza , miséria ,desemprego,politicas sociais injustas, a própria polícia com baixos salários mais preocupada com a gasosa para a sua sobrevivência do que a defesa do cidadão e do bem comum.
Mila mamerina mandinika ny karazana firenena sy ny fiarahamonina izay tiantsika havela hoan'ny zanatsika sy taranaka any aoriana isika, amin'izay, mila miaraka mihetsika isika ary tsy hisy olona tsy hivaky loha, satria indrisy mantsy fa isan'andro vaky izao dia misy tranga toy ity foana ho antsika… Ny herisetra dia vokatry ny fahantrana, ny fijaliana, ny tsy fisian'asa, ny politika tsy rariny ara-tsosialy, eny fa na ny polisy miaraka amin'ity karama keliny aza dia matahotra ny gasosa [fomba filazana ny kolikoly] amin'ny fivelomany kokoa noho ny hoe fiarovana ny vahoaka sy ny fananana iombonana.
Nitatitra ny fahitalavi-panjakana Angoley fa efa nanagadra ireo olo-meloka voampanga eo amin'ity tranga fampijaliana ity ny Lehiben'ny Fampanoavan'ny Repobilka sy ny Polisimpirenena. Niaiky ny anjara toerana fototra notanan'ny fanaparitahana ity lahatsary ity tamin'ny tambajotra sosialy ihany koa ny Mpampanoa lalàna.