- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maduro Sy Capriles No Hamaritra Ny Hoavy Ara-Politikan'i Venezoela

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Mediam-bahoaka, Politika

Tsy azo antoka ny hoavin'i Venezoela taorian'ny nahafatesan'i Hugo Chávez [1].

Ny firosoan'ny ‘chavism’ tsy misy an'i Chavez izao no tena ifantohan'ny resaka amin'izao fotoana, sary iray nanomboka nipoitra tany amin'ny 9 Desambra 2012 tany ho any. Tamin'izay andro izay, tao anatin'ny fisehoany imasom-bahoaka farany [2] [es] no nametraka ny fototra sy ny torolàlana rehetra ho fanohizana ny tetikasa ara-politikany ny Filoha, tetikasa izay mametraka ny tenany manokana ho ivon'ny zavatra rehetra.

Na ohatra aza ny Lalam-panorenana [3] [es] ka manome torolàlana manokana moba ireo dingana arahana aorian'ny fahabangan-toeran'i Chavez, ny fomba fandikàna samihafa atao an'ilay antontan-taratasy kosa dia niteraka resabe teny anivon'ireo mpisehatra ara-politika ao amin'ny firenena.

Fernando Soto Rojas [4], filoha teo aloha ary solombavambahoaka ao amin'ny Antenimieram-Pirenena (AN)[es] dia nilaza fa Diosdado Cabello [5], filohan'ny AN amin'izao fotoana, no tokony handray ny fitantanana ny Fahefàna Mpanatanteraka. Kanefa, ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny, Elías Jaua, niteny [6] [es] hoe ny filoha lefitra Nicolás Maduro [7] no hisahana ny toeran'ny filoha vonjimaika ary ho kandidà avy amin'ny Antoko Sosialista Mitambatra ao Venezoela [8] (PSUV) amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena manaraka eo, izay raha araka ny lalàm-panorenana ao Venezoela dia hatao afaka 30 andro.

Nicolás Maduro, foto del usuario de Flickr chavezcandanga bajo licencia Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0) [9]

Nicolás Maduro, asry avy amin'ilay mpampiasa Flickr chavezcandanga, ampiasàna ny lisansa Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0)

Raha izany àry, dia nanoratra i Suhelis Tejero (@suhelis [10]) [es] ao amin'ny Twitter fa toa i Soto Rojas no ho hany tokana manaraka ny lalàm-panorenana ao Venezoela

@Suhelis [11]: PaFace à ces contradictions, Suhelis Tejero (@suhelis [10]) soulignait sur Twitter que seul Soto Rojas respectait la Constitution vénézuelienne.rece que el único que sabe leer la Constitución de Venezuela en el oficialismo es Soto Rojas.

@Suhelis [11]: Sahala amin'ny hoe i Soto Rojas no hany olona tokana mahay mamaky ny lalàm-panorenana ao anatin'ny antoko eo amin'ny fitondràna

Sahala ny nanomezany an'i Chavez, ny fandraisana vonjimaika ny toeran'ny filoha dia hanome an'i Maduro ny fahafahana mihazakazaka ho amin'izany toerana izany miaraka amin'ny fitaovam-panjakana rehetra eo am-pela-tànany.

Manaiky i Luis Carlos Díaz (@luiscarlos [12]) [es] fa mifamatotra amin'ny fahafahana mahazo ireo fitaovana ireo ho entina manao fampielezan-kevitra no nandraisana ilay fanapahan-kevitra hametraka an'i Maduro ho filoha vonjimaika.

@luiscarlos [13]: El Gobierno es pragmático: mantener a Maduro en el poder le permitirá hacer otra campaña electoral abusiva.

@luiscarlos [13]: Miainga amin'ny zava-misy ny governemanta: ny fitazonana an'i Maduro eo amin'ny fitondrana dia ahafahan-dry zareo manomana fampielezan-kevitra iray hafa mihoam-pampana amin'ny fifidianana.

Amin'ny lafy mifanohitra amin'izay, ny Fiaraha-mientana Ho amin'ny Firaisana Demaokratika [14] (MUD) dia namoaka fanambaràna iray [15] [es] maneho ny fiaraha-mioriny amin'ny fianakaviana sy ireo mpomba ny filoha Chávez. Maro no nandray izay fihetsika izay ho toy ny fanambaràna matotra ny haha-kandidà an'i Henrique Capriles Radonski [16]  hiatrika an'i Maduro mandritra ny fifidianana hoavy, satria izy no niresaka tamin'ny vahoaka. Nahazo ny 45% tamin'ny vatom-pifidianana i  Capriles fony izy nifaninana tamin'i Chávez tamin'ny Fifidianana natao ny 7 Oktobra 2012 [17].

Heverin'i José Miguel (@JoseMiguelIRDS [18]) [es] fa ny governora ankehitriny ao Miranda no hihazakazaka hifaninana ho filohan'i Venezoela hiatrika an'i Maduro

Capriles Radonski, foto del usuario de Flickr César Gonzáles, bajo licencia Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0) [19]

Capriles Radonski, sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr César Gonzáles, ampiasàna ny lisansa Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0)

@JoseMiguelIRDS [20]: Hoy quedo claro que Capriles es el candidato

@JoseMiguelIRDS [20]: Manjary mazava ankehitriny fa i Capriles no kandidà

Tahaka ny efa mazava ny tetikadin'ireo kandidà roa mandritra ny fampielezankevitra ho avy eo raha tarafina avy amin'ireo kabary farany nataon-dry zareo: i Capriles hanohy ny hamoaka fandaharan'asa ho fampiraisana ary hanadrana ny hampiseho ny tenany ho lehilahy iray mibanjina ny fampandrosoana ny firenena. Hanohy ny hisolovava ny firaisam-pirenena izy ary handrava ny fisamantsamahan'ny samy Venezoeliana.

Amin'ny lafiny iray, ny kabarin'i Maduro ora vitsy talohan'ny nanambaràny mazava ny fahalasanan'ny filoha dia naneho fa hotohizany ny fampiasàna ny anaran'i Chávez sy ny hafanampon'ireo mpanaraka azy ho toy ny hery mampitambatra ao anatin'ny ‘chavism’. Nasongadiny ihany koa ny hanohizany hanohana ireo soatoavina nentin'i Chavez: manohitra ny imperialisma, miady amin'ny elatra havanana, miaro ny fiandrianam-pirenena sns…

Nolazain'i Maria Gabriela Méndez (@MaGaMendez [21]) [es] fa miaraka amin'ny fahafatesan'i Chavez, dia fideràna iray vaovao no teraka.

@MaGaMendez [22]: Muere un hombre, nace una religión.

@MaGaMendez: [22] Maty ny lehilahy iray, finoana iray kosa no teraka.

Na dia mbola aloha loatra aza izao hilazana izay mety ho mpandresy, maro no miloka fa ny antoko eo amin'ny fitondrana no handresy raha ny vokatra tamin'ireo fifidianana roa teo aloha no hiaingàna.

Ny hafa, tahaka an'i Armando Daniel Armas (@ArmandoArmas [23]) [es], dia mihevitra fa tsy eo an-tànan'ny governemanta ny hoavin'i Venezoela fa eo an-tànan'ny vahoakany.

@ArmandoArmas [24]: El destino d la patria no está amarrado a una persona, sino a la capacidad q tengamos todos los ciudadanos d querer y trabajar x #Venezuela [25]

@ArmandoArmas [24]: Tsy mifamatotra amin'olon-tokana akory ny hoavin'ny firenena, fa ny fahaizantsika rehetra, amin'ny maha-olom-pirenena, hanam-piniavana hiasa ho an'i #Venezuela [25]

Betsaka ny kisary sy ny mety ho fandehany azo sainina fa hanomboka hiseho, saingy efa ela kosa ny habaka no niady hevitra sy niresaka mikasika azy ireny. i Luis Carlos Díaz (@LuisCarlos [12]) [es] sy Naky Soto (@Naky [26]) [es] dia nametraka “Google hangout” iray efa hatrany alohan'ny fifidianana natao ny Oktobra 2012, ary amin'ity indray mitoraka ity – noho ny fahafatesan'i Chavez – nifanakalo hevitra sy nandalina izay mety hoavy ara-politikan'i Venezoela ry zareo.