Tantara tamin'ny 06 Marsa 2013
Venezuela: Fihetseham-po Voalohany Tamin'ny Fahafatesan'i Hugo Chávez
Tamin'ny 5 Marsa 2013, no nandrenesan'izao tontolo izao ny fahafatesan'ny [mg] filohan'i Venezuela, Hugo Chavez Frias. Nangoninay ny fihetseham-po voalohany nifampizarana tao amin'ny tambajotra sosialy, indrindra fa izay hitao tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny fanarahana ny tenifahatra #MuereChávez (Maty i Hugo Chávez).
Gazety Nepali Manome Feo Ireo Vitsy An'Isa Odian-Tsy Hita ao Hong Kong
Nanadihady ny tonia lehiben'ny gazety tsy miankina Nepali iray, Ethnic Voice, miorina ao Hong Kong, ny inmediahk.net. Mandrisika ny Nepaley monina ao Hong Kong hiteny sy handray anjara amin'ny raharaham-bahoaka ihany koa ny gazety mivoaka isan-kerinandro.
Ekoatora: Tezitra Noho Ny Fahatapahan'ny Famatsian-drano Ny Mponina Ao Loja
Anaty fepetra amin'ny tany misahotaka ny faritanin'i Loja amin'izao fotoana izao: efa ho herinandro iray mahery, tanàna mpifanilo-bodirindrina efa ho 60 mahery no tsy manana rano madio fisotro, noho ny olana mianjady amin'ny fantsona goavana famatsiana rano. Naneho ny tsy hafaliany mikasika azy io sy ireo olana hafa any amin'ny faritra ny mponina ao amin'ilay faritany , tamin'ny fampiasana ny tenifototra #Loxaindignada sy #Lojaindignada [es, Loja tezitra].
Printsy Saodiana: “Tsy Milefitra Amin'ireo Vehivavy Midina An-dalambe Ny Lehilahy Manantsaina”
Nilaza ny printsy Saodiana androany fa tsy milefitra amin'ireo vehivavy midina an-dalambe [hanao fihetsiketsehana] ny lehilahy misaina. Taorian'izany fanambarana navoakan'ny governora lefitry ny faritany Al Qassim, Faisal bin Mishal izany, niharan'ny famoretana ny...
Venezoela: Nodimandry i Hugo Chávez
Io hariva io (05/03/2013), no nambaran'i Nicolás Maduro, filoha lefitra, ny fodiamandrin'ny filohan'i Venezoela, Hugo Chávez Frías. Avy hatrany dia naneho hevitra tamin'ilay fanambaràn'i Maduro ireo mpampiasa Twitter.
Tondraka Keniana Ny Birao Fandatsaham-bato Na Nisy Herisetra Aza Ny Andro Nifidianana
Nahalatsaka ain'olona 13 raha kely tao Kenya ireo mpitaky fizakan-tena nirongo antsy lavalela raha an-tapitrisa kosa ireo olona nirohotra marobe teo amin'ny tantara mba handrotsaka ny vaton'izy ireo tamin'ny 4 Martsa 2013 nandritra ny fifidianana solombavambahoaka iray izay tena nobanjinina tokoa taty Afrika hatramin'ireo fifidianana tamin'ny 2007 niafara tamin'ny fifandatsahan-drà teo amin'ireo foko samihafa. Herisetra mitsitaitaika tetsy sy teroa no nanamaloka ilay fifidianana izay azo ambara ho nizotra am-pilaminana ihany