- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Isiraely Mampiditra Zotra Mitokana ho an'ny Jiosy ho an'ny Arabo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Palestina, Mediam-bahoaka, Tsidika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Nampihatra [1] Bus [zotra] misaraka ho an'ny Jiosy sy ny Arabo, mampitohy an'i amoron'i Jordania amin'Isiraely nanomboka androany [4 marsa 2013] i Isiraely. Niontana tamin'izany vaovao izany ny mpiserasera, milazalaza an'i Isiraely ho mampihatra ny fanavakavahana sy ny apartheid.

Araka ny bilaogin'ny gazety-boky +972 [2] :

A new Israeli bus line will serve only Palestinians. Officials claim it’s not segregation, but the ongoing experience of discrimination faced by Palestinian workers speaks for itself.

Hisy zotra vaovao hitondra Palestiniana fotsiny ihany. Milaza ny mpitondra fanjakana fa tsy fanavakavahana io, saingy miteny ho azy ny fanavakavahana mahazo ny mpiasa Palestiniana.

Nohazavaina ao amin'ny lahatsoratra:

Early this morning, Palestinians from the West Bank with permits to work inside the state of Israel crammed onto bus lines specially created for “Palestinians only” — instead of using the same public buses used by Israelis. The Israeli Transportation Ministry launched the new bus lines today, for travel from the Eyal checkpoint to Tel Aviv and Kfar Saba and back to the checkpoint, after settlers complained about Palestinians using the same buses as Israelis on their way to and from work inside Israel.

Mifanizina ao anaty zotra nosokafana ho an'ny “Palestiniana ihany” fa tsy zotra fitateram-bahoaka ampiasain'ny Isiraeliana, androany vao maraimbe, ireo Palestiniana nahazo fahazoan-dalana hiasa ao anatin'ny fanjakana Isiraeliana. Namoaka ny zotram-pitaterana vaovao, miainga avy eo amin'ny toera-pisavana mankany Tel Aviv sy Kfar Saba ary miverina indray mankany amin'ny toera-pisavana indray, ny minisiteran'ny fitaterana Isiraeliana, taorian'ny fitarainan'ny voanjo momba ireo Palestiniana mampiasa zotra fitateram-bahoaka iraisana amin'ny Isiraeliana rehefa handeha sy avy miasa ry zareo.

AO amin'ny Twitter ny bilaogera Tiorka Esra Doğramacı no milaza ny heviny:

@EsraD [3]: All I can say is, you've got to be joking.

Ny hany azoko lazaina dia hoe, mamazivazy angamba ianao an!

Namaly ilay Afrikana Tatsimo Bilal Randeree :


@bilalr:
Hmm, why does this sound familiar? Hmm… Let me ask my parents, maybe they can help figure out…

Hem, nahoana ary izy izany no toa efa niainana? Hem… Andraso anontaniako ny ray aman-dreniko, angamba afa-manazava kokoa ry zareo…

Manampy ilay Yemenita Noon Arabia:

@NoonArabia [4]: Despicable!

Mahatsiravina!

Miantso isian'ny fanapahan-kevitra ilay mpandraharaha Jordaniana Fadi Ghandour:

@fadig [5]: Apartheid

Ary milaza ny fanapahan-kevitra ho tsy mampino ny mpanao gazety Isiraeliana Joseph Dana:

@ibnezra: [6] Hard to believe that we are reading this headline in 2013: Israel introduces ‘Palestinian only’ bus lines

Sarotra Inoana ny hamakiantsika izao lohateny izao amin'ny taona 2013: Nampiditra ny zotram-pitaterana ‘Palestiniana ihany’ i Isiraely