- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampirehitra Ny Media Sosialy i Pero Mandritra Ny Fahatapahan'ny Herinaratra

Sokajy: Amerika Latina, Però, Mediam-bahoaka

Minitra maro taorian'ny mitataovovonan'ny Alahady 3 Martsa 2013, distrika maro tao Lima renivohitra Peroviana no niharan'ny fahatapahana herinaratra tampoka [1] [es].

Araka ireo tatitra avy amin'ny iray amin'ireo orinasa mpitsinjara herinaratra ao an-tanàna, nisy tsy fetezana ny zana-bondrona iray mpihary herinaratra tao amin'ny distrikan'i Limean ao San Juan de Miraflores, izay tantanin'ny Peru Energy Network, ary dia tsy namokatra herinaratra izay loharano izay. Efa hariva be io andro io ihany, nanomboka niverina tsikelikely ny herinaratra tao Lima.

Nirohotra tao amin'ny sehtra fitorahana bilaogy kiritika ireo mpampiasa Twitter mba hanaovana izay handrenesana ny feon'izy ireo nandritra ilay fahatapahana, tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #apagón [2] [fahatapahana].

Luis Jaime Cisneros (@ljcisneros [3]) [es] nanambara minitra vitsy monja taorian'ny nahatapahan'ny tolotra herinaratra hoe :

@ljcisneros [4]: colapsó web de #Luzdelsur [5] [empresa distribuidora del servicio eléctrico] en Lima donde un apagón dejó a más de cuatro millones sin energía eléctrica desde las 12h20.

@ljcisneros [4] [es]: tapaka ny tranonkalan'ny #Luzdelsur [5] [orinasa izay mitsinjara ny herinaratra] ao Lima izay toerana nisy olona maherin'ny efatra tapitrisa tratry ny tsy fisian'ny herinaratra hatramin'ny 12h20.

Pedro Alva (@Pedro1am [6]) [es] manontany tamin'hadrohadro hoe :

@Pedro1am [7]: Y dónde está el filósofo q dice q aprovechemos el #APAGÓN [2] para conversar c/familia, leer, etc… Seguro tuitea desde máquina de escribir,no?

@Pedro1am [7] [es]: Aiza izao ilay filaozofy milaza fa tokony hka izay tsara indrindra amin'ny #APAGÓN [2] isika mba hiresahana amin'ny fianakaviana, hamakiana teny, sns… Azo antoka fa mandefa bitsika amin'ny alàlan'ny milina fitendriny izy, sa tsy izany?

Mahatsiaro irony fotoana nisian'ny fahatapahana matetika nanjo ireo tanàn-dehibe Peroviana sady manondro ankolaka ny fitsapankevi-bahoaka ho fitsipaham-pitokisana an'i Limean mayoress Susana Villarán [8], Eduardo Primatus (@DuchoDepe [9]) [es] dia nibitsika hoe :

@DuchoDepe [10]: Y volvimos a las epocas del Apra, de [expresidente] Alan García, de Panzones… Ok NO. Estamos en la Gran Transformación… #Apagón [11]

@DuchoDepe [10] [es]: Ary dia miverina amin'ny [vaninandro politikan'ny antoko ] Apra indray isika, mankamin'ny [filoha teo aloha] Alan García, ilay bekibo… Ok TSIA. Miaina Ny Fiovàna Goavana isika izao… #Apagón [11]

Foto de Victor Romero Valladares, bajo licencia Creative Commons  (CC BY-NC-SA 2.0) [12]

Sary avy amin'i  Victor Romero Valladares, ampiasàna ny lisansa Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0)

Misarika ny saina amin'ny zava-misy ety anaty aterineto amin'izao fotoana, manararaotra i  Alejandro Muchotrigo (@oLets [13]) [es] milaza hoe :

@oLets [14]: Están grabando Harlem Shake [15] versión Luz del Sur #apagon [16] #luzdelsur [17]

@oLets [14] [es]: Eo ampandraketana ny fakàna tahaka ny Harlem Shake [18] Luz del Sur ry zareo. #apagon [16] #luzdelsur [17]

Mandritra izany, José Felipe Llamosas (@Josfel767 [19]) [es] manipika zava-misy iray izay tsy fantatry ny olona, na odian'ny olona tsy fantarina:

@Josfel767 [20]: Se quejan del #Apagón [11] en [los distritos lemañis de] Miraflores y San Isidro y no piensan que en el #Perú [21] existen pueblo que aún no conocen esa palabra Y NO SE QUEJAN.

@Josfel767 [20] [es]: Mitaraina mikasika ny  #Apagón [11] ry zreo any Miraflores sy San Isidro [amin'ny distrikan'i Limean] nefa tsy ftsapan-dry zareo fa ao #Peru [21] dia feno tanàna izay tsy mahafantatra akory ny fisian'ilay teny ary TSY MITARAINA ANEFA ry zareo.

Franco (@SoyMuyFranco [22]) [es] mijery lavitra kokoa :

@SoyMuy Franco [23]: Dios, bendice a los que tienen Blackberry o Galaxy Mini. En unos minutos se les muere la batería #Apagon [24].

@SoyMuy Franco [23] [es]: Hitahy an'ireo manana Blackberry na Galaxy Mini anie Andriamanitra. Afaka minitra vitsy dia ho faty ny vatoaratr'izy ireny. #Apagon [24].

Manontany tena ihany koa izy :

@SoyMuyFranco [25]: ¿Cómo estarán viviendo el apagón los famosos?

@SoyMuyFranco [25] [en]: Ahoana no ahafahan'ireo mpanankarena sy olo-malaza miatrika ny fahatapahana herinaratra?

Ny harivan'ny andro voalohany handehanana an-tsekoly, orinasa iray (@MundoArtesco [26]) [es] mpamokatra fitaovana ho an'ny sekoly no manolotra hevitra hoe :

@MundoArtesco [27]: ¿Por qué no pintamos algo mientras regresa la luz? 😉 #apagón [28]

@MundoArtesco [27] [es]: Nahoana moa raha manao sary hosotra mandra-piandry ny fiverenan'ny herinaratra? 😉 #apagón [28]

Mirehareha amin'ny fisorohana efa nivononany mialoha i Pedro Querebalú (@SoloPedrito [29]) [es] :

@SoloPedrito [30]: Y son en estos momentos en los que se siente tan bien tener una MacBook Pro con 8 horas de batería y un plan de datos de 5GB #lalala [31] #apagón [28]

@SoloPedrito [30] [es]: Ary ny foaoana toy itony no hahazoanao aina noho ny fanananao MacBook Pro manana vatoaratra maharitra ora 8 sy vatan-drakitra 5GB #lalala [31] #apagón [28]

Farany, ViveCASABLANCA (@ViveCASABLANCA [32]) [es] manao sosokevitra iray, mety ho an'ny isam-batan'olona :

@ViveCASABLANCA [33]: #CONSEJO [34] Recuerde mantener en casa linternas recargables o a pilas y en lo posible una radio. Bidones de Agua. En caso de #SISMO [35] o #APAGON [36]

@ViveCASABLANCA [33]: #CONSEJO [34] [torohevitra] Tsarovy ny mitahiry vatoaratra azo fahanana ao an-trano na jiro fitsilo mandeha amin'ny vatoaratra, ary raha azo atao dia vata fandraisam-peo iray. Rano iray sinibe. raha sendra #SISMO [35] [horohorontany] na #APAGON [36].