- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

[Lahatsary] “Aza Matahotra Ny Aterineto”: Ny Wikipedia, Ny Fizakà-manana, ary Ny Fahalalahana Miteny Ao Anaty Aterineto

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Fitsipika, Fizakàna ara-tsaina, Lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, Fitantanana-aterineto, GV Mpisolovava

Fanamarihana: nivoaka tamin'ny teny Espaniola ny lahatsoratra tena izy [1] [es] nosoratan'ny Derechos Digitales, ary nadikan'i  Silvia Viñas [2].

Tsy fanitaran-javatra ny filazana fa nanova ny fomba famoronantsika sy fahazoantsika fahalalàna ny Wikipedia, amin'ny fampisehoany lasitr'asa ara-tsaina maharitra sy misy fiaraha-miasa ary ny fahatakarana ny zava-niseho tahaka ny fizakà-manana ara-tsaina. Vitan'ity sehatra ity ny mampifandray antsika rehetraamin'ny fomba samy hafa amin'ny fahalalàna, ary namotsy ireo lasitra  voafetra amin'ny fanovozana fahalalana ihany koa izy.

Anatin'ity fanadihadiana vao haingana avy ao amin'ity fanentanana  #NotemasaInternet [3] ity (Aza matahotra ny Aterineto) mikasika ny fizakà-manana ao anaty aterineto ity, niresaka tamin'i Osmar Valdebenito izahay, filohan'ny Wikimedia [4] ao Arzantina (sady filohan'ny sampana Shiliana teo aloha), fikambanana izay mandrindra sy manao izay hisian'ny fotodrafitrasan'ny Wikipedia eran-tany. Niresaka taminy mikasika ny fomba fiasan'ny Wikimedia izahay, nefa niresaka ihany koa ny mahatonga ny fahalalahana miteny ho fototra iaingan'ny fivoarany, sy ny mahatonga ireo hetsika mikatsaka ny hamepetra ny fizakà-manana ao anaty aterineto (SOPA, PIPA, sns.) tsy hampisy ny Wikipedia araka izay efa fantatsika.