- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

An-tsary: Vahoaka Nitokona Tao Shahbag

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Saripika, Tanora, Tantara, Vaovao Mafana

Tamin'ny zoma 8 Febroary 2013, olona an'arivony no nanomboka nameno ny Projonmo Chottor (Kianja Generation) tao Shabagh hatramin'ny maraina ho firaisankina amin'ny fanoherana ataon'ireo mpibilaogy maro sy ireo mpisera maro ao amin'ny aterineto [1]. Tamin'ny 3 ora tolakandro nanomboka nihira ny hiram-pirenena ireo vahoaka niangona tao Dhaka renivohitr'i Bangladesh. Tena sarotra ny hilaza hoe firy no isan'ny olona tafangona teo [2] ho fanoherana am-pitoniana tamin'io andro io. Maro no mitovy hevitra fa efa ho 200.000 olona [3] no nanatevina laharana ilay hetsika ho firaisankina ho fangatahana sazy henjana ho an'ireo mpamono olona an'ady. Efa hatramin'ny Talata no nanohy tsy ankiato ny fitokonany ireo Mpibilaogy sy ireo mpikatroka mafàna fo mpiserasera ao amin'ny aterineto. Nanatevina izao hetsi-panoherana izao ihany koa ireo mpianatra sy mpampianatra maro, ireo mpandàla ny fahalalàhana, ny ao amin'ny fiarahamonim-pirenena ary ny fianankavian'ireo maritioran'ny ady.

 

#shahbag [4]Nizara ireo fitakiany sy ny vaovao mahakasika ireo hetsika samihafa tamin'ny alàlan'ny habaka atao hoe Shahbag.org [5] ireo mpitokona. Tao ihany koa no nampahafantaran'izy ireo mikasika ny hetsi-panoherana nanerana izao tontolo izao [6] ho fanehaa firaisankina amin'ny fitakian-dry zareo. Azon'ny olona atao ny mandray vaovao tsy tapaka ao amin'ny Twitter, tenifototra #Shahbagh [7] ary #Shahbag [8]. Mampita ireo vaovao farany, sary, hevitra manokana ary lahatsary ireo pejy Facebook isan-karazany toy ny Shahbag Movement [9] ary Shahbag Square [10] . Alefa mitsitapitapy amin'ny alalan'ny “livestream”, [11] izay azonareo arahana, ireo fihetsiketsehana ao Shahbag. Ny fanavaozana farany tao dia ny fampielezana mivantana tamin'ny radio ny kabary sy ny teny faneva. [12]

 

Afaka mijery ireto sary manaraka ireto ianao mikasika ilay hetsika tamin'ny zoma. Arif Hossain Sayeed no naka ny sary rehetra ary efa nahazoana alàlana ny fampiasàna azy ireo.

 

 

Children participating in Mass autograph event. [13]

Ankizy mandray anjara amin'ny hetsika fanangonan-tsonia faobe.

প্রতিবাদী জনতার দাবী 'ফাঁসি চাই' [14]

Fitakiana ataon'ny mpanao hetsika “Takianay ny szy fara-tampony”

The protesting crowd's demand We want capital punishment

Fitakiana ataon'ny mpanao hetsika “Ilainay ny fanasaziana lehibe”

An old lady joining the protests

Ramatoa efa antitra namonjy ny hetsi-panoherana

Agitation by the protesting crowd

Fientanentanan'ireo vahoaka mpanao fihetsiketsehana

Protests against poor coverage in international media [15]

Manohitra ny fahanginan'ireo fampahalalam-baovao iraisam-pirenena.

girls protesting [16]

Tovovavy tanaty fitokonana fitorevahana

protests continued at night [17]

Nitohy ny alina ny fitokonana

 

Slogans [18]

Teny faneva – Mbola hitohy ny tolona

Slogans and placards against war criminals [19]

Teny Faneva sy peta-drindrina manohitra ireo mpamono olona an'ady

Innovative protests [20]

Asa Famoronana ataon'ny mpitokona

Protesting Crowd [21]

Vahoaka mpitokona

Slogan of Protesting Crowd [22]

Teny fanevan'ireo olona mpitokona

Children among the crowd [23]

Ankizy ao anaty vahoaka maro be

Children also participated in protest [24]

Ankizy mandray anjara amin'ny fitokonana ihany koa

Huge crowd at the protest [25]

Vahoaka maro be nandritra ny fitokonana