Fanontaniana Sarotra Ho an'ny Filohan'i Iran Voasivana Tao Amin'ny Fahitalavi-Panjakana

Mahmoud Ahmadinejad

Filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad. Loharano: Mehrnews.com

Notapahin'ny Fahitalavi-Panjakana Iraniana IRIB tampoka ny fandefasana ny tafatafa fanontaniana sy valiny nifanaovana tamin'ny filoha Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny 23 Febroary 2013 ka nosoloina fampisehoana an-tsehatra iray. Namoaka fanambarana milaza ny hagagany ny tao amin'ny biraon'ny filoha, saingy niteny ny tao amin'ny departemantan'ny Serasera ao amin'ny IRIB fa niaraha-nanapa-kevitra tamin'ny biraon'i Ahmadinejad io fanapahana io. Na nisy fiaraha-nanapaka tao na tsia, dia nafana ny resaka tao amin'ny aterineto.

Heverin'ny bilaogera maro ho sivana izany.

Ilay fotoana notapahina

Fanotaniana Sarotra

Nanoratra [fa] i Shahbeldin Sheykhi :

Masoume Hatemkhani, ilay vehivavy mpanao gazety be herim-po avy ao amin'ny sampan-draharaham-baovao Mehr, no nanontany izay manan-danja tamin'i Ahamdinejad tahaka ny hoe aiza ho aiza izao ny fampanantenany hamorona asa, ny tarigetrany ho fiadiana amin'ny kolikoly ara-toekarena, ny fidinan'ny sandam-bolan'ny firenena… Valinteny efa fanao no namalian'i Ahmadinejad azy… azonao tarafina eny amin'ny tavan'ilay mpanontany ny fahadisoam-panantenany… tsimifaditrovana ny politikan'i Ahmadinejad, tsimifaditrovana efa nanomboka 34 taona izay raha nanomboka ny revolisiona tsy nahomby.

Ahmadinejad namaly fa tsara ny toe-karena ary tsy voatery hisy fifandraisany amin'ny fitondrany avokoa ny zava-mitranga amin'izao fotoana izao, tahaka ny kolikoly ara-toekarena ohatra…

Nanoratra [fa] i Nedayeazadi :

Manohitra izay firaisankina sy fivondronana amin'ny endriny rehetra misy eo amin'ny vahoaka Iraniana ny fitondrana islamika… Nanontany an'i Ahmadinejad ilay mpanao gazety raha, araka ny heviny manokana, tokony hiaro tena amin'ny fisondrotam-bidim-piainana ny vahoaka, izany hoe tokony tsy hividy ny entam-barotra sasany ny olona mba hampidinana ny vidiny…. Mieritreritra aho fa notapahina ny tafatafa nifanaovana mba ialana amin'ny fanontaniana sarotra hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.