Hamarino Tsara: “Colombia, Fa TSY Columbia”

Mba ho fiezahana hamerenana amin'ny laoniny sy hanitsiana ny fahadisoana fahita amin'ireo mpiteny anglisy, dia misy tanora matihanina Kolombiana efatra avy amin'ny orinasa Zemoga nanokatra fanentanana amin'ny tambajotra sosialy manao hoe “Colombia, Fa TSY Columbia.”

Hoy ny fanazavan'i Richard Emblin ho an'ny The City Paper:

We are geographically far from British Columbia and a shuttle age that endured many missions after the ‘Columbia’ disintegrated over Texas in 2003. Yet many still get it wrong. There are no Rocky Mountains in Colombia. We are in the Andes.

Lavitra ara-jeografika amin'i Columbia Britanika izahay ary lavitry ny vanim-potoan'ny sambondanitra efa niaritra iraka maro taorian'ny fipoahan'i ‘Columbia’ teny an'habakabak'i Texas tamin'ny 2003. Fa mbola maro ny mandiso azy. Tsy misy Rocky Mountains (tangoron-tendrombohitra Rocky) any Colombia. Aty amin'i Andes izahay.

Saingy lasa lavitra kokoa noho ny fanoroana ny olona ny fomba fanonona ny anaran'ny firenena araka ny tokony ho izy ny iraky ny fanentanana. I Paul Giles no manazava ao amin'ny Colombia Travel blog:

The “It’s Colombia, not Columbia” campaign is steadily building up steam in its crusade to demonstrate how the misspelling of a country just highlights how skewed the popular conception of this amazing country is.

Ny fanentanana “Colombia, fa tsy Columbia” no fampakarana halaky (vitesse) amin'ny iraka ataony ho fanaporofoana fa ny fandisoana ny fanononana ny anaran'ny firenena iray no mampisongadina ny fomba fijery diso any amin'ny vahoaka ity firenena mahatalanjona ity.

Emilio Pombo, iray amin'ny mpanorina ny fanentanana, niteny tamin'i Edgar Zúñiga avy ao amin'ny NBC Latino:

“We saw this common error and realized it was a platform to start updating the world’s vision of what is happening in our country […] We currently have great things happening. Colombia is becoming a destination and getting on the world stage. We want to spotlight that and it all starts with people spelling our country’s name right.”

Nahita ny fahadisoana mpitranga nataon'ny maro izahay ka nahatsapa fa io no sehatra ahafahana manavao ny fomba fijerin'izao tontolo izao ny zava-mitranga ao amin'ny firenenay […] Nahita zavatra tsara maro nitranga izahay. Lasa toerana fandehanan'ny olona i Colombia ary nahatratra ny dingan'izao tontolo izao. Tianay tarafin-jiro izany [asongadina ho hita tsara] ary manomboka amin'ny fanononan'ny olona araka ny tokony ho izy ny anaran'ny firenenay.

A social media campaign is trying to fix a common spelling error: "It's Colombia, not Columbia"

Fanentanana amin'ny tambajotra sosialy te-hamerina amin'ny laoniny ny fanoratra azy: “Colombia, fa tsy Columbia”. Sary niely fatratra tao amin'ny Twitter sy Facebook.

Ampirisihana handray anjara amin'ny fanentanana amin'ny alalan'ny famoronana sary na lahatsary hampielezana ny hafatra ny mpanohana. Afa-mizara ny fandraisany anjara amin'ny Twitter na Instagram amin'ny alalan'ny tenifahatra #itsColombiaNOTColumbia ny mpandray anjara, na hamoaka ny tsangan'asany ao amin'ny pejy Facebook-n'ny mpanohana ny hetsika.

Nanenika ny tenifahatra sy ny pejy Facebook ny sary sy hafatra tsara momba an'i Colombia miaty ny hafatra hoe ” Colombia, fa tsy Columbia”.

Image shared by the "It's Colombia, NOT Columbia" Facebook page.

Sary nozarain'ny pejy Facebook “Colombia, fa TSY Columbia”.

Image shared by the "It's Colombia, NOT Columbia" Facebook page.

Sary nozarain'ny pejy Facebook “Colombia, fa TSY Columbia”.

Widely shared Facebook image by Carlos G Jara

Sary Facebook niely fatratra avy amin'i  Carlos G Jara

Industrial designer Juan Leon Machicado (@LordLeonMachi) shared the following image on Twitter:

It's Colombia, not Columbia, image shared on Twitter by @LordLeonMachi

Colombia, fa tsy Columbia, sary nozaraina Twitter avy amin'i @LordLeonMachi

@LordLeonMachi: We have a message. We all have something to say. #itsColombiaNotColumbia @OdeColombia #Colombia #Guajira #message pic.twitter.com/U1qCytAq

Manana hafatra isika. Manan-javatra holazainia avokoa isika rehetra.  #itsColombiaNotColumbia

Ary manasa ny mpiserasera hitsidika ny fireneny i @YatsarEl, avy ao an-tanànan'i Bucaramanga:

@YatsarEl: A place where old dreams are coming true, where people work hard and smile lots. Lots has changed, dare you to come! #itsColombianotColumbia

Toerana mampody ventiny ny nofinofy fahiny, ahitana ny olona miasa mafy sy mitsiky matetika. Maro ny zava-niova, mifampihaika aminao ho tonga!

Saingy tsy afaky ny tsikera na kivazivazy [es] ny fanentanana.

Nilalao ny teny fanevan'ny fanentanana ry Nicolás Martínez (@diarionocturno) [es] sy ny hafa [es]:

@diarionocturno: It's pobre, not en vías de desarrollo #ItsColombiaNotColumbia

@diarionocturno: Mahonena, fa tsy mampandroso #ItsColombiaNotColumbia

Ao anatin'ny lantom-peo matotra kokoa, mandresy lahatra ny mpanao gazety Carolina Ruiz (@CaroRuizG) [es]:

@CaroRuizG: De qué sirve que digan Colombia y no Columbia si todo lo demás seguiría igual. Hay que cambiar el fondo más que la forma.

@CaroRuizG: Inona ny ilaina ny hilazan'ny olona antsika ho Colombia fa tsy Columbia raha tsy misy miova ny zavatra hafa rehetra. Ny votoatiny no ilaina ovaintsika fa tsy ny endriny.

Raha misioka somary maneso i El gato (@elgatoninja) [es]:

@elgatoninja: Lo importante no es que paren los secuestros, matanzas o muertos de hambre. Que nos digan Colombia en vez de Columbia, eso es lo importante.

@elgatoninja: Tsy zava-dehibe loatra ny fakana an-keriny, famonoana, ary ny fahafatesana vokatry ny hanohanana. Ny hiantsoany antsika ho Colombia manolo ny Columbia, izany no zava-dehibe.

Ary nanoratra i Paula Ricciulli (@RicciuP) [es] :

@RicciuP: Si le dice a todos los asiáticos “chinos” no tiene derecho a quejarse porque le digan “Columbia” a Colombia.

@RicciuP: Raha miantso ny Aziatika rehetra ho “Shinoa” ianareo dia tsy manan-jò hitaraina raha miantso an'i Colombia ho “Columbia”.

Ny pejy Facebook “Colombia, fa TSY Columbia” izay nosokafana tamin'ny 7 Febroary 2013, dia manana mpisera mihoatra ny 9000 tamin'ny fotoana namoahana ny lahatsoratra (teny anglisy). Azonao jerena ihany koa ny fanentanana amin'ny Twitter ao amin'ny @OdeColombia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.