- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mikasa Mbola Hanohy Fe-potoam-piasana Fanindroany (Sa Fanintelony?) Ny Filohan'i Bolivia

Sokajy: Amerika Latina, Bolivia, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

Nanambara ny antokon'ny fitondrana MAS [1] fa mikasa hofidiana fanindroany amin'ny fifaninana fifidianana filoha-pirenena hoavy atao amin'ny volana Desambra 2014 ny filoha Evo Morales. Manana tombontsoa noho ny fanohanana lehibe ao Bolivia, indrindra avy amin'ireo vahoaka teratany sy tambanivohitra i Morales, mpamboly coca teo aloha izay nanjary lehiben'ny sendikalista an'ny ankavia.

Saingy niteraka adihevitra izany fanambarana izany raha fe-potoam-piasana voalohany na faharoa ny fe-potoam-piasany ankehitriny, ary na koa mbola hamela azy hirotsaka hofidiana ny lalampanorenana nolaniana efa-taona lasa izay.

Tamin'ny taona 2005, taorian'ny taona maro nisian'ny olana ara-politika, voafidy filoham-pirenena i Evo Morales tamin'ny vato 54 isan-jato. Tamin'ny volana Janoary 2006 no nanombohan'ny fe-potoam-piasany voalohany, saingy mbola nitohy hatrany ny ady politika, indrindra teo amin'ireo faritra atsinanana sy ny governemanta ankavia an'i Morales, izay nahatonga fandaniana lalàm-panorenana vaovao.

Evo Morales image during presidential campaign. Photo by vocesbolivianas on Flickr, under Creative Commons license (CC BY-NC-SA 2.0) [2]

Evo Morales, sary tamin'ny fampielezan-kevitra nandritra ny fifidianana filoham-pirenena. Sary avy amin'ny vocesbolivianas tao amin'ny Flickr, under Creative Commons license (CC BY-NC-SA 2.0)

Taorian'ny fifanekena ara-politika tamin'ny taona 2008 nataon'ny antokon'ny fitondrana sy ny mpanohitra, nisy ny fitsapan-kevi-bahoaka notontosaina tamin'ny Janoary 2009 handaniana ny lalàmpanorenana vaovao. Nahena ny fe-potoam-piasan'ny filoham-pirenena ary nisy indray ny fifidianana vaovao notontosaina ny Desambra 2009. Ka mbola nandresy tamin'izany fifidianana izany indray i Evo Morales tamin'ny salan'isa 64 isan-jaton'ny vato.

Hoy ny  voalaza ao amin'ny Lalàm-panorenana Boliviana 2009 [3][es] :

Artículo 168. El periodo de mandato de la Presidenta o del Presidente y de la Vicepresidenta o del Vicepresidente del Estado es de cinco años, y pueden ser reelectas o reelectos de manera continua por una sola vez.

Andininy faha-168. Dimy taona no fe-potoam-piasan'ny Filoha na ny Filoha Lefitra ary mbola azo fidiana indray mandeha ihany izy.

Ery ambany kosa, hoy ny voalaza ao amin'ny lalàmpanorenana:

Los mandatos anteriores a la vigencia de esta Constitución serán tomados en cuenta a los efectos del cómputo de los nuevos periodos de funciones.

Manomboka amin'ny fampiharana ity lalàmpanorenana ity, manan-kery ireo fe-potoam-piasana teo aloha  ho fanisana izay ho fe-potoam-piasana vaovao.

Mpanohana ny firotsahan'i Morales hofidiana fanintelony, tahaka ny Senatera Rene Martinez, nahita [4] [es] fa ara-dalàna sy manaraka ny lalàmpanorenana ny firotsahan'i Morales hofidiana indray.

Hoy i Martinez naneho hevitra tao amin'ny kaonty Twitter-ny (@ReneMartinez_) [5][es]:

@ReneMartinez_ [6]: Disposición Transitoria Primera de la CPE, solo reguló la elecciones del 2009. no tiene mas aplicación en el tiempo.

@ReneMartinez_ [6]: Ny fifidianana tamin'ny 2009 ihany no  fehezin’ [ity] lalàmpanorenana tetezamita ity, tsy mihatra aty aoriana intsony izany.

Etsy andaniny, nilaza ny sasany fa fe-fotoam-piasan'i Morales fanindroany izao ka voaràran'ny lalàmpanorenana ny firotsahany hofidiana fanintelony.

Taorian'izany fanehoan-kevitra izany, mpikatroka ara-politika Julio Aliaga (@JulioAliagaL) [7] [es] nisioka sary tamin'ny hajia-paositra ofisialy navoakan'ny governemantan'i Bolivia tamin'ny 2012 ho fankalazana ny fe-fotoam-piasana fanindroany ho an'ny filoha Evo Morales:

Image shared on Twitter by user [7]

“Fe-potoam-piasana fanindroany. Filoha araka ny Lalàm-panorenana ao amin'ny Fanjakana Maro Firenena ao Bolivia.” Sary nozarain'ilay mpisera Twitter @JulioAliagaL tao amin'ny Twitter

Eo ampandinihana ny raharaha ankehitriny ny Fitsarana Misahana ny Lalàmpanorenana ao  Bolivia.

Na dia izany aza, nanazava [8] [es] i Mario Duran, bilaogera monina ao El Alto,  fa mbola manan-tsafidy ny mpanohana an'i Morales raha manohitra azy tsy mahazo mirotsaka hofidiana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana:

para habilitar al presidente Morales a una nueva re-eleccion se requiere un referéndum que apruebe cualquier modificación a la Constitución Política del Estado, ahora considerando el apoyo superior al 50% en votación que posee el Presidente Evo Morales, sus partidarios deberían optar por el referendum.

Mba ahafahan'ny filoha Morales hofidiana filoham-pirenena indray, takiana ny fanaovana fifidianana fitsapan-kevi-bahoaka mba handaniana  Lalàmpanorenana vaovao indray, satria fantatra fa maherin'ny 50 isan-jaton'ny mpifidy no mbola manohana ny filoha Evo Morales, tokony hitaky ny fanaovana fitsapan-kevi-bahoaka ireo mpanohana azy.

Eo an-dalana ny kajikajy rehetra mikasika ny fifidianana satria mbola ho atao fanandramana amin'ny volana manaraka avokoa ny fitaovana momba ny fifidianana ao Bolivia.