Vao maraimbe tamin'ny 20 Febroary, no notontosaina tao amin'ny Fitsarana Misahana ny Heloka Bevava, ao Buraidah, renivohitr'i Al-Qassim, Afovoany avaratr'i Arabia Saodita ny fotoam-pitsarana ilay mpiara-manorina ny Fikambanana miaro ny zo politika sy sivily (ACPRA), Dr Abdulkareem al-Khadr. Roa herinandro lasa izay no tokony nanaovana ny fotoam-pitsarana, saingy tsy tonga nanatontosa izany ny mpitsara. Roa amin'ireo mpiara-manorina ny fikambanana, Dr Abdullah al-Hamid sy Dr Mohammad al-Qahtani no efa niakatra fitsarana sy nalaina ambavany isan-kerinandro nandritra ny enim-bolana. Al-Khadr no mpanoratra ireo lahatsoratra marobe mampisongadina ny tranga momba ny zo ara-politika sy ara-tsivily amin'ny endrika Islamika, izay mifanohitra amin'ny fijery ofisialin'ny fanjakana.
Navoakan'ny ACPRA ny lisitr'ireo fiampangana an'i al-Khadr. Izay mitovy amin'ny fiampangana an'i al-Hamid sy al-Qahtani ary tafiditra amin'izany fiampangana izany ihany koa izy roa ireo [ar]:

Sary nalaina tao anatin'ny efi-pitsarana, avy amin'i @alajmi01
Olona 50 no tafiditra tao amin'ny efi-pitsarana, saingy tsy tafiditra kosa ireo folo hafa satria tery ilay efitra. Tsy mitovy tamin'ny fotoam-pitsarana natao tao Riyadh, fa navela hiditra miaraka amin'ny findainy sy navela haka sary ireo mpanatrika.
Tamin'ny taona 2008, teo anatrehan'ny mpitsara izay nanameloka an'i al-Hamid sy nanome sazy an-tranomaizina efa-bolana ho azy no nitarihan'i al-Khadr ny ekipa mpiaro an'i Hamid tamin'izany, tamin'ity farany voampanga ho nanohana ireo mpanao fihetsiketsehana. Niangavy ny mpitsara tsy hitsara ny raharaha ny ekipa mpiaro an'i al-Khad noho ny ady tombontsoa manokana eo aminy sy ny toriana izay mety hisy ifandraisany tamin'ny asany teo aloha. Nilaza ilay mpitsara fa ny lehiben'ny fitsarana no tompon'andraikitra amin'izany fanapaha-kevitra izany.
Nangataka ny fandraràna an'i al-Khadr tsy hivezivezy ny mpampanoa lalàna, ary ny fampiharana ny andininy faha-6 ao amin'ny Fehezan-dalàna momba ny heloka an-tserasera (cyber-criminalité) [ar], izay toy izao ny sazy hita amin'izany:
يعاقب بالسجن مدة لا تزيد على خمس سنوات وبغرامة لا تزيد على ثلاثة ملايين أو بإحدى هاتين العقوبتين
Sazy an-tranomaizina mety tafakatra hatramin'ny 5 taona sy onitra mety ho tafakatra hatramin'ny telo tapitrisa riyals [~800,000USD], na iray amin'ireo sazy roa ireo.
Amin'ny 10 Aprily indray ny fotoam-pitsarana manaraka.