Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

25 Febroary 2013

Tantara tamin'ny 25 Febroary 2013

Niteraka Resabe Ny Fitetezam-pirenena Nataon'ilay Bilaogera Kiobàna Yoani Sánchez

Hatramin'ny taona 2004, sambany nandao an'i Kiobà ilay Bilaogera Kiobàna efa nahazo fankasitrahana Yani Sánchez tamin'ny Alahady lasa teo. Handeha hitsidika sy handray anjara amin'ny dinidinika (forum) any amin'ny oniversite, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana (ONG) ny fikambanana ara-panjakana ao Eoropa, Amerika Latina sy ao Etazonia izy hatramin'ny tapaky ny...

Zambia: Sinoa Manampahaizana Hanaramaso Ny Aterineto Hoe?

Voalaza fa nanakaràma Sinoa manampahaizana ny governemanta Zambiana mba hametraka fitaovana fanarahamaso miafina ny aterineto ao amin'ny firenena. Efa nitsidika ireo orinasa ny iraka avy amin'ny Biraon'ny Filoham-pirenena sy ireo manampahaizana manokana amin'ny teknolojia hitsidika ny toeram-piasàny sy handalina ny fotodrafitrasa ampiasain'ny tambajotran-dry zareo, mba hahafahan'ireo manampahefanaa mijery izay toerana...

Mbola Matroka Ny Fahalalahan-Gazety ao Myanmar Na Misy aza ny Fivoarana

Noderain'ny vondrona maro ho dingana mankamin'ny fahalalan'ny fahalalahan-gazety ao amin'ny firenena ny fanapahan-kevitr'i Myanmar hanafoana ny sampana malaza amin'ny fanaovana sivana. Saingy mbola navoitran'ny mpikatroka mpanara-maso ny fahalalahan-gazety ihany ny fitohizan'ny fampitahorana, fahasarotana ary ny fanafihana nahazo ny mpanao gazety monina ao Myanmar tamin'ny herintaona.

Kianin-dry zareo Senegaly Ny Fahafahana Vonjimaika Nomena An'i Béthio Thioune

Nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpampianatra Korany Masina Cheikh Béthio Thioune, voasambotra ny ampitson'ny namonoany anankiroa tamin'ireo mpianany tao Médinatoul Salam, andro vitsy monja taorian'ny nadefasana azy hitsabo tena tany Frantsa.Ity fanapahan-kevitry ny fitsarana ity niteraka fanehoankevitra mivaivay teny anivon'ireo teratany Senegaly izay mihevitra fa niraviravy tànana tamin'ity raharaha ity ny...

Nivadika Nanoratra Bilaogy Ireo Mpanao Gazety Iharan'ny Teritery Ao Gambia

Nanangana sy nanoratra bilaogy  ireo mpanao gazety sasany ao Gambia mba hitati-baovao noho ny fifandrafiana eo amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao, izay voaloton'ireo lalàna sy fitsipi-pipehezana mahery vaika saiky mampihitsoka ny fampahalam-baovao mahazatra. Nitsikera hatrany ny filohan'i Gambia Yahya Jammeh ireo vondro-piarovana noho izy tompon-dakan'ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Araka ny tatitra avy amin'ny “Reporters...

Syria: “Lens of a Young Homsi”, Sarin'ny Tanàna Iray Atao Fahirano

Nanjary loharanom-baovao manana ny lanjany mikasika ny tanàna Siriana iray iharan'ny fahirano ny vondronà iray ahitàna tanora mpaka sary avy ao Homs. Fanampin'ny fanaovany izay hahafantaran'izao tontolo izao ny zava-mitranga isanandro ao Homs, mahazo fangatahana ihany koa ry zareo isanandro avy amin'ireo olona nandositra ny tanàna ka te-hahalala raha toa...

Arabia Saodita: Mpikatroka Miampanga Ilay Mpitsara Amin'ny Ady Tombotsoa

Vao maraimbe tamin'ny 20 Febroary, no notontosaina tao amin'ny Fitsarana Misahana ny Heloka Bevava, ao Buraidah, renivohitr'i Al-Qassim, Afovoany avaratr'i Arabia Saodita ny fotoam-pitsarana ilay mpiara-manorina ny Fikambanana miaro ny zo politika sy sivily (ACPRA), Dr Abdulkareem al-Khadr. Roa herinandro lasa izay no tokony nanaovana ny fotoam-pitsarana, saingy tsy tonga nanatontosa izany...