- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Ny Hopitaly Mamindra VIH, Ny Minisitra Manome iPad

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka

Zazavavy vao 13 taona monja i al-Hakami no tratran'ny VIH rehefa nampidirana rà tao amin'ny hopitaly iray tao Jizan, any antsimon'i Arabia Saodita.

Manazava [1] i Ahmed Al Omran, bilaogera ao amin'ny Riyadh Bureau:

Niteraka savorovoro tany amin'ireo tranokalanà media sosialy ity raharaha ity, izay nahitàna olona maro nangataka ny fametraham-pialàn'ny minisitry ny Fahasalamana Abdallah al-Rabeeah. Nilaza ny gazety Al-Sharq fa nitsidika an'i Reham tao amin'ny King Faisal Specialist Hospital and Research Center ny minisitra ny Asabotsy ka nanolotra azy iPad ho toy ny fanomezana, fihetsika iray izay nihomehezan'ny maro tao amin'ny Twitter.

Nafàna aok'izany ny fanehoan-kevitra, teo ambanin'ny tenifototra [ar] #الربيعة_يهدي_رهام_ايباد izay midika hoe: “iPad iray no fanomezana nomen'i al-Rabeeah an'i Reham”, no nitondra ho amin'ity bitsika avy amin'i Summer ity, ary naverina nobitsihana in-1715:

@Sughmmer [2]: #الربيعة_يهدي_رهام_ايباد Miala tsiny amin'ny zava-nitranga fa raiso ity iPad  ity ary manaova fitrohana fampiharana eo am-piandrasana ny fahafatesanao

Manontany i Haïfa Alrasheed [ar]:

#الربيعة_يهدي_رهام_ايباد لو ماتت وش بيصير؟ بيعطي اهلها اي ماك مثلا؟!

@Haifa_ [3]: Dia inona no hitranga raha maty izy? Htolorany iMac ihany koa ve ny fianakaviany?

Nanapariaka hevitra tahàka izany koa i Olfat Gushgari:

@olfatg [4]: Ka inona indray no manaraka? MacBook iray ho an'olona malemy noho ny hadisoana teo amin'ny fandidiana #tsy mampino

Ary nanontany tena i @7iat_20 hoe nahoana no tsy mbola nentina hanaraka fitsaboana any ivelany foana ilay ankizivavy hatreto:

#الربيعة_يهدي_رهام_ايباد ‏​ميزآنيہ‏​​​ وزآرة آلصحہ‏​​​ 86 مليآر وتعطيهآ آآيبآد ‘بدآآل مآترسِسلهآ تتعآلج بِمستشفيآت متخصصہ‏​​​ بهآلحآآلآت !!

@7iat_20 [5]: 86 lavitrisa ( Riyals Saodiana) no tetibolan'ny minisiteran'ny fahasalamana dia iPad iray fotsiny no atolotrao ho azy ho solon'ny fandefasana azy hanaraka fitsaboana any amin'ny hopitaly manokana?

Manamarika i Bassam Altamimi fa:

#الربيعة_يهدي_رهام_ايباد خطة وزارة الصحة ف المستقبل صرف جهاز آيبادلكل من يقع عليه خطأ طبي إذا كان ع قيد الحياة وإذا توفي يعطى الأيباد للاهل

@BASSOOME [6]: Ny vinavinan'asan'ny Minisiteran'ny Fahasalamana amin'ny ho avy dia ny hanolotra iPad ho an'ireo niharan'ny hadisoana ara-pitsaboana raha mbola velona izy ireo ary ho an'ireo havany raha maty izy ireo

Raha i Suleiman Alosaimi kosa mbola maminavina tombontsoa ho an'ny Apple, ilay orinasa mpamokatra ny iPad, amin'ny filazana hoe:

#الربيعة_يهدي_رهام_ايباد عاجل الاسواق الامريكيه تتوقع ارتفاع ضخم في مبيعات شركة ابل وتتوقع ارباح خياليه بسبب الاخطاء الطبيه في السعوديه

@bofares_55 [7]: Miandrandra fiakarana avo eo amin'ny tombom-barotra ny tsena Amerikana amin'ny famarotana ireo vokatra Apple noho ny hadisoana ara-pitsaboana misy ao Arabia Saodita

Ary manampy i Khaled Aldhaheri fa:

أتمنى أن تكون شرارة توقظ الشعب من السبات #الربيعة_يهدي_رهام_ايباد


@5aled_DH
: Mino sy manantena aho fa iny tranga iny no hampifoha ny firenena amin'ny torimasony