Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

20 Febroary 2013

Tantara tamin'ny 20 Febroary 2013

Fifidianana Tao Ekoatera: Voafidy Ho Filoha Indray i Rafael Correa

Tamin'ny Alahady 17 Febroary 2013, olom-pirenena Ekoateriana 11.6 tapitrisa no nandeha nandatsa-bato, nanatontosa ny zony hifidy. Nofidiana tamin'izany andro izany, ny filoham-pirenena sy ny filoha lefitra, solontena 137 avy ao amin'ny Antenimieram-pirenena sy solontena dimy avy ao amin'ny Antenimiera Andean. Tsy nahitana olana ny fizotry ny fifidianana izay nanomboka tamin'ny...

Lahatsary momba ny “One Billion Rising” Hetsika Manerantany miady ho an'ny Zon'ny Vehivavy

Vehivavy iray ao anatin'ny telo no iharan'ny herisetra amin'ny fiainany. Tamin'ny 14 Febroary 2013, olona amanarivony manerantany no nanao fihetsiketsehana nanohitra ireo herisetra andavanandro tamin'ny alalan'ny dihy-fihetsika mirindra, hetsika artistika sy maro hafa.

Sambany Mpitondra Jadona Afrikana Teo Aloha Tsaraina ato Amin'ny Kaontinanta ihany

Nanokatra ny varavarany ao Dakar, Sénégal, ny fitsarana natsangana hitsara an'i Hissène Habré, filohan'i Tchad teo aloha. Hatramin'ny 1999 ny Human Rights Watch no niara-niasa tamin'ireo lasibatry ny mpitondra jadona tao Tchad teo aloha mialokaloka [any Sénégal], ahafahana mitory azy any amin'ny fitsarana. Ao amin'ny habaka France-Rwanda Tribune isika no mahita ny...