- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manakenda Ny Artista Ny Lalàna Ao Japana Mikasika Ny Fahavetavetana

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Singapaoro, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Saripika, Tanora, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

Nosamborina [1] ilay mpaka sary lamaody antsoina hoe Leslie Kee [2], izay niara-niasa tamin'ny mpihira fanta-daza maneran-tany  Beyonce [3]sy Lady Gaga [4] noho ny famarotana sary mamoafady [1] tamin'ny fampirantiana nataony farany teo tao Roppongi, Tokyo tamin'ny faha 4 Feboary 2013. Araky ny lalàna Japoney, ireo sary rehetra mampiseho taovam-pananahana dia tsy azo avoaka avokoa [5], izany hoe ny sanganasan'i Kee izay mampiseho fiboridanana dia mazava ho azy fa mandika lalàna. 

Michelangelo's David photo modified by Keiko from wikimedia commons by Silmaril

Sarin'i Michelangelo avy amin'i David ,novain'i Keiko, tao amin'ny wikimedia commons [6], nampidirin'i  Silmaril (CC BY SA 3.0)

Tamin'ny faha 7 Febroary, nadaboka ny fitsarana io raharaha io [7], satria ny fisamborana azy dia niteraka adihevitra be teo amin'ny fahalalahan'ny artista sy ny fivelaran'ny lalàna Japoney mikasika ny sary mamoafady. Fantatra amin'ny fomba ofisialy amin'ny he Andininy 175 [8]ao amin'ny Fifehezan-dalàna Japoney mikasika ny sazy famaizana, io lalàna io dia mandrara ny fanaparitahana, fivarotana, na ny fanehoana ampahibemaso ny fitaovana rehetra mamoafady.

Kee izay mipetraka ao Tokyo dia fantatra ihany koa amin'ny sanganasany manaitaitra ny filan'ny nofo ho an'ireo ‘homo’. Nanoratra tao amin'ny Twitter [9][ja] ilay mpanoratra sady mpanao gazety @quitamarco:

【拡散希望】レスリー・キー逮捕に抗議します。彼の表現行為がもたらしたLGBTの解放を、ポルノだとか猥褻だとかの尾籠な劣情を持ち込んで卑小化するのは、まったくの本末転倒の倒錯であると考えます。

<mba hamafiso anie ity azafady indrindra e> Manohitra ny fitazonana an'i Leslie Kee aho. Nitondra ny fahafahan'i LGBT ny fomba fanehoany ny talentany. Ny fanambaniana ny asany amin'ny hiantsoana izany ho “mamoafady” na koa “mahamenatra” ary tsy am-pahamendrehana dia tsy mitombona ka lasa manambany ny lanjan'ny asany.

Nanamafy [10][ja] ilay mpanjifa iray hafa @WildcatBooko fa tamin'ny fisamborana an'i Leslie dia hita fa manembatsembana ny fahafaha-mitenin'ny tsirairay avy ny mpitandro ny filaminana:

@quitamarco  横レス失礼。今回のレスリーの写真集はあくまで私費出版として出されてるわけで、マスメディアの場で「猥褻な」写真を公表したわけではないはずです。今回の措置は、いわば私的な領域における表現の規制なわけで、そこに何とも言えないおぞましいものを感じます。

@quitamarco Raha afaka milaza ny fomba fijeriko aho, dia hitako fa sarotsarotra io toe-draharaha io satria i Leslie dia tsy nivarotra io sary “mamoafady ” io teo imasom-bahoaka. Ny volany manokana no nampiasainy hamoahana ny boky misy ny rakitsariny. Trangan-javatra mampivarahontsana io ho ahy ary azo lazaina ho fampiharana lalàna mamepetra ny fahalalahan'ny olona tsirairay haneho hevitra.

Ankoatran'ny sanganasan'i Lee, dia tsy nankatoavina ihany koa ny fampirantiana notarihin'ilay artista Japoney sangany amin'izao fotoana izao antsoina hoe Makoto Aida [11]  ao Tokyo. Ny ahalalan'ny olona ny asany dia ilay somary manainga ny filan'ny nofo sy ilay miteraka adihevitra lehibe.

Tamin'ny 25 Janoary 2013, namoaka taratasy fanoherana iray [12] [en] niantefa tany amin'i Mori Art Museum [13], ilay toerana hanaovana ny fampirantiana, ireo Vahoaka manohitra ny Fahavetavetana sy ny Herisetra Ara-nofo (PAPS) [14] [ja] :

Karazana fahavetavetana atao amin'ny zaza ireo sanganasa ireo. Mitovitovy amin'ny fanararaotana ara-nofo miantefa amin'ny zaza na koa fanararaotana eo amin'ny fanaovana takalo ara-bola ny resaka ara-nofo izany. […]

Ilay andian-tantara nampitondraina ny lohateny hoe ‘Alika’ dia manambany ny vehivavy sy ny tovovavy ho toy ny tsy olona, ary mampitovy azy ireo amin'ny kilalaon'ny filan'ny nofo sy biby fanaovana firaisana ara-nofo.[…] Ohatra iray amin'ny fanavakavahana io fampirantina io ary maniratsira ireo bory ratsam-batana ary ireo olon-kafa manana kilema.[…]

Eo amin'ny toerany amin'ny maha fikambanana manana ny maha izy azy, dia nampita hafatra mafonja ny Mori Art Museum amin'ny alàlan'ny fampiantranoana io fampirantiana amin'izao fotoana io. […] Ny fampiantranoan'ny Mozea ilay fampirantiana dia manisika fatratra ny fihetsika manavakavaka sy ny herisetra ho toy ny zava-mahazatra, ary mandrisika be ny fanararaotana ara-nofo ireo tovovavy, ny herisetra miantefa amin'ny vehivavy, ary fanavakavahana sy faniratsirana ireo olona manana kilema.

Nisy fikambanana mpiasa an-tsitrapo iray antsoina hoe Vondrona miandraikitra ny ara-kolotsaina [15] [ja] izay mandalina ny fahalalaha-mitenin'ny tsirairay ao Japana, nanao fanambarana ofisialy [16][ja] mikasika ny tsy fitovian-kevitra amin'io resaka fampirantian'i  Makoto Aida io:

芸術作品に限らず、多くの表現や意見を楽しむことができるのは、表現の自由を保証する健全な社会があるからです。芸術家・会田誠氏の作品に対する批判がなされること、議論が巻き起こることは、私たちの社会が表現の自由が機能する健全なものである証左であり、そのことは歓迎すべきです。

しかし、今回の作品撤去要請は、他者が会田誠氏の作品を見て、考える機会、それ自体を奪おうとするものであり、議論を形成する機会をも奪おうとするものです。

表現の自由は、特定人の具体的な権利、人権を侵害しない限りは、最大限に保障されるべきであり、表現を見て、各人が自由に考え、批判を含め議論、討議する権利は守られなければなりません。

私たちは市民として、クリエイターとして「森美術館からの会田誠氏の作品撤去要請」に反対します。

Miaina ao anaty fiaraha-monina salama isika izay mampanantena ny fisian'ny fahalalaha-miteny ary izay indrindra no ankafizantsika, tsy ny asa maneho talenta fotsiny ihany, fa koa ny fahafahana maneho ny fomba fijerintsika sy ny hevitsika ihany koa. Ny fisian'ny fanakianana ny sanganasan'ilay artista antsoina hoe Makoto Aida dia porofo mivaingana maneho fa ny fiaraha-monintsika ihany no ahitana fahalalaha-miteny ary tokony horaisintsika tsara izany.

Na izany aza, ilay fangatahana ny hanaisotra ny sanganasany, dia manakana ny vintana rehetra hifanakaloan-dresaka sy hisaintsaina amin'ny fijerena ny sanganasany.

Tokony hoarovana feno ny fahafaha-miteny raha tsy hoe mandika ny zo manokana ananan'ny olona iray manokana angaha izany, ary amin'ny fahitàna ilay fomba fiteny, dia tokony hoarovana ny zo hifanakalo hevitra sy hanakiana miaraka amin'ny olona tsirairay misaina amin'ny fomba malalaka.

Amin'ny maha mpamorona sy maha olon-tsotra antsika, dia tsy manaiky ilay fangatahana hanaisotra ny sanganasan'i Makoto Aida ao amin'ny Mori Art Museum isika.

Mahatsapa ny olona sasany fa tsy mikasika fahafaha-miteny fotsiny ihany io. Amin'ny fanondroana ny fanafoanana ny fampirantiana sarin'i [17]Ahn Se-Hong [17] mikasika ireo vehivavy manao atin'akanjo tamin'ny volana May 2012 dia nanambara [18] [ja] ny taranaka Koreana  @rinda0818 hoe :

会田誠展とニコンの安世鴻展、表現の自由とかで同じように語られてるけど本当にそうなのかな。人権がちゃんと守られてないこの国で、表現の自由は時々暴力になるんだけど。前者は作品、後者は抗議に対してそう思う。で、何となく違和感。

Ireo fitantaràna ny fisian'ny adihevitra mikasika ny fanehoana fitanjahana nataon'i Aida Makoto sy Ahn Se-Hong dia samy latsaka any anatin'ny sokajin'ny fahafaha-miteny avokoa, fa tena izay tokoa ve no tena izy? Ao anatina firenena iray izay tsy voahaja akory ny zon'olombelona [fototra], indraindray mivadika ho herisetra ny fahalalaha-miteny.  Ho an'ireo voalohany, ny sanganasa maneho talenta dia herisetra, ary ho an'iretsy farany, ny fanoherana ny fampirantana dia herisetra ihany koa. Tsapako ho misy zavatra tsy mety ao.

Under Japanese law pictures of genitalia must be censored or blurred, which has given rise to its own genre of pornography. By Flickr user eliazar. (CC BY 2.0) [19]

Boky mampiseho sary mamoafady somary manjavona eny amin'ny trano fivarotana lehibe ao Japana, nalaina tao amin'i eliazar mpampiasa Flickr . (CC BY 2.0)

Tweet anankiray hafa indray koa avy aminà mpikambana iray @tatangarani [20][ja] dia mitodika amin'ireo tranga roa mikasika an'i Makoto sy Leslie ireo ary nilaza izy fa diso làlana ny lalàna ao Japana :

会田誠もレスリーも。クローズドな場所で売ってる芸術作品やアートをグロだ、エロだと取り締まるなら、子供の手が届く範囲でオープンに売られてるコンビニに山とあふれるヘアヌード掲載週刊誌はアリなの?パレンタルロックの存在も仕様も知らない親が、子どもに与えるPCはアリなの?根本間違ってる。

Raha toa ka lazaina fa manohina olona ary marikoriko ny sanganasan'i Makoto Aida sy Leslie izay amidy any aminà toerana mihidy, nahoana ary no hita amidy eny amin'ny trano fivarotana lehibe eny ireo antontam-boky mivoaka isan-kerinandro ahitana sarin'olona miboridana. Nahoana no azon'ny Ray aman-dReny atao ny manome solosaina ny zanany  raha toa ka tsy fantatr'izy ireo akory ny dikan'ny hoe fanalahidin'ny Ray aman-dReny (verrouillage parental)? Hadisoana goavana izany rehetra izany!

Lahatsoratra notsarain'i Sahar Habib Ghazi [21]