Tiorkmenistana: Zon'Olombelona? Zon'Olombelona Inona?

Nanan-karena vaovao mikasika an'i Tiorkmenistana ny fiandohan'ny taona 2013, miaraka amin'ny resaka zon'olombelona sy fahalalahan'ny fampahalalam-baovao ao amin'ilay firenena izay niverina indray ho eo ambanin'ny fibanjinan'izao tontolo izao. Ny 4 Janoary, nandany [ru] ny lalàny voalohany momba ny fampahalalam-baovao ity firenena ity, izay notondroin'ny fikambanana mpanara-maso ny fampahalalam-baovao eran-tany “Reporters Sans Frontieres” ho ‘nofinofy’.

Mendrika azy tokoa ilay fiantsoana, araka ny nitateran'ny “Human Rights Watch” azy tamin'ny taona lasa , satria raitra an-taratasy ihany ny fifandraisan'i Tiorkmenistana amin'ireo fampahalalam-baovao tsy miankina izay raha oharina amin'ny zavatra iainana :

Tamin'ny Aogositra 2011, nanome baiko i  Berdymukhamedov fa soloina fahitalavitra mandalo fantsona ireo sahafabe mandray zanabolana. Raha ampiharina, hampihena betsaka ny fahafahan'ny mpijery hahazo vaovao ilay didy, indrindra fa ireo fandaharana vahiny, satria afaka mitsabaka amin'ny fotoana rehetra amin'ny fandefasana atao amin'ny fahitalavitra mandalo fantsona ny governemanta. Nandamoaka ny andrana nataon'i  Berdymukhamedov tamin'ny 2007 hanesorana ireo sahafa be fandraisana zanabolana noho ny kiaka avy amin'izao tontolo izao.

Io fomba fijery io dia iraisan'ny ankamaroan'ireo mpisera ety anaty aterineto ao Tiorkmenistana izay mino fa ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao sy ny zon'olombelona amin'ny ankapobeny dia tsy hafa fa ‘nofinofy’ fotsiny ao amin'ity firenena Kaspiana ity. Tamin'ny fanehoana hevitra teo ambanin'ny tati-baovao iray tao amin'ny Chrono-TM.org, manontany ny mpamaky iray, ‘Zemlyachka’ [ru], ny amin'izay tena hevitra mikasika ny fananan'ny zon'olombelona toerana ao anivon'ny Tiorkmenistana  amin'izao fotoana:

Однажды моего знакомого спросили в американском посольстве в Туркменистане: «Как вы относитесь к тому,что в Туркменистане нарушаются права человека?». На что он ответил: «Как можно нарушать то,чего НЕТ»

Tratry ny fanontaniana tao amin'ny Masoivoho Amerikana tao Tiorkmenistana ny namako iray indray mandeha izay : “Ahoana no mba fahatsapanao ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona eto Tiorkmenistana?” Izay novaliany hoe : “Ahoana no hanitsakitsahanao zavatra tsy misy akory?”

Tiorkmenistana, firenena iray ao anatin'ny lisitra avy amin'ny Freedom House misy ireo firenena “faran'izay ratsy indrindra” mpanimbazimba zon'olombelona, dia manana ny Ivontoeram-pireneny Momba  ny Demaokrasia sy ny Zon'Olombelona

Mpamaky iray hafa, ‘45% v teni’, no mivalaketraka [ru] amin'ny ezaka zara raha misy ataon'ireo firenena Tandrefana ho fanatsaràna ny fampanjakana ny fanajana zon'olombelona ao amin'io firenena io :

Не чего они [западные страны] не решат… Курбангулы Президент умный. У него с Америкой, с Западом и с России все ОК, он все их условия выполняет, пока у него с ними все намази никто Туркменистан не в чем не обвинит. Если президент обидет Запад или Америку вод тогда ТОЛК БУДЕТ. А я уверен что он будет им Ж…. лизат как надо.

Ry zareo [firenena Tandrefana] tsy hamaha na inona na inona [olana momba ny zon'olombelona]… Filoha marani-tsaina i Gurbanguly [Berdymuhammedov]. Tsara fifandraisana amin'i Etazonia, Rosia, ary ny Tandrefana izy ; mamaly izay rehetra hetahetan-dry zareo; raha mbola tsara foana ny fifandraisany amin’ [ireny firenena ireny], tsy misy mihitsy hiampanga azy na amin'inona na amin'inona. Raha toa ny filoha manafintohina ny Tandrefana na i Etazonia, izay vao misy zavatra hitranga, mazava ho azy. Saingy azoko antoka fa hitohy hilelaka ny [vodi]faladihan-dry zareo izy.

Ny Filoha Amrikana Barack Obama sy ny vadiny Michelle Obama miara-maka sary amin'i Gurbanguly Berdimuhammedov, ilay filohan'ny firenena iray isan'ny mpanitsakitsaka “ratsy indrindra amin'izay ratsy” eto ambonin'ny tany amin'ny zon'olombelona, araka ny ambaran'ny Freedom House (New York, 2009). Sary anaty sehatra ho an'ny daholobe ity

Ny filoha Berdimuhamedov miaraka amin'ny mpitarika Rosiana Dmitry Medvedev sy ny Filoha Kazakh Nursultan Nazarbayev, 2009. Sary avy amin'ny Biraon'ny Filoha Rosiana, azo raisina ao amin'ny Wikipedia (CC BY-3.0).

Mifantoka ihany koa amin'ny olan'ny fahalalahana ara-pivavahana ao amin'ny firenena ireo feon'ny fanoherana Tiorkmena. Amafisin-dry zareo fa tondroin'ilay fitondrana mpamoritra ho ‘extremistes’ daholo izay hetsika ara-pinoana ataon'ireo fikambanana relijiozy tsy lanilanin'ny vavoniny. Mampahatsiahy ny fomba nataon'ireo mpiasa iraky ny fanjakana niampangàna azy ho mpikambana anaty vondrona ‘Wahhabi‘ iray i Fuchik [ru] :

В 2006 году, в конце правления Туркменбаши, на меня наехало МНБ [Министерство национальной безопасности] с обвинениями в…ваххабизме- на основании только того, что я знаю арабский и работаю у арабов… Не уверена, что господа из министерства национальной безопасности вообще понимали, что такое ваххабизм.

Tamin'ny 2006, talohan'ny nahatongavan'ny fiafaràn'ny fitondran'ny Turkmenbashy  [filoha Saparmurat Niyazov] , nampangain'ny manampahefana avy amin'ny MND [Ministry of National Security/Minisitry ny Filaminam-Pirenena] aho ho manao resaka… “wahhabism”, tsotra fotsiny, satria aho miteny Arabo ary niasa ho an'ny Arabo… Tsy azoko antoka loatra hoa takatr'ireo mpiasan'ny ministera ny dikan'ny hoe “wahhabism”.

Saingy tsy manohana hatrany ny hisian'ny fahalalahana midadasika amin'y sehatra rehetra kosa ireo mpisera ety anaty aterineto. Ny tanjaky ny “mantra” nobosesiky ny governemanta fa hoe “tsy anaty alina iray no hahatsanganana demaokrasia” – na anaty roapolo taona niainana fiandrianam-pirenena – no nahatonga ny maro haka toerana tsy te-hiasa saina momba ny fampahalalam-baovao sy ny fahalalahana hafa.

Eo ambany lahatsary iray YouTube mikasika ny tatitra iray antsipirihany farany momba ny zon'olombelona ao Tiorkmenistana napetraka any amin'ny Firenena Mikambana, marobe ireo mpampiasa no mifanakalo resaka momba ny faneriterena ny fampahalalam-baovao ao amin'ny fireneny. Mpampiasa iray, ‘Emir3839′, no manohana [ru] fa ny governemanta Tiorkmena dia manana ny ‘zom-piandrianany’ hamepetra ny media noho ny resaka ‘filaminam-pireneny’ :

сайты во всех цивилизованных странах мира контролируются и при надобности блокируются. если правительство Т-ана решило, что те или иные сайты могут нести опасность целостности или безопасности Т-ана, то это их суверенное право обезопасить себя и своих граждан.

Izay firenena rehetra nahita fandrosoana teto an-tany dia manara-maso ny tranonkala sy manakana ny fidirana amin'ny sasany amin'izy ireny raha ilaina. Raha toa manapa-kevitra ny governemanta ap Tiorkmenistana fa mitondra loza mitatao ho an'ny maha-firenena sy ny filaminana ao Tiorkmenistana ny tranonkala sasantsasany, tena manana ny fiandrianany azy manokana izy hiaro [ ny firenena] sy ny olom-pireneny [amin'ny fibahanana ireo tranonkala ireo].

Miaraka amin'ny vintana rehetra ho fiaraha-miasa amin'ny resaka angovo iarahana amin'i Tiorkmenistana mibahan-toerana be ao an-sain'ireo mpandrafitra ny politika ao  Washington sy Bruxelles, toa tsy maintsy hiditra am-pahendrena amin'ny fifanarahana ihany  ny Tandrefana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.