- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andianà Mpizaha-tany Mandoto ny Ala-Mando (Mangrovy) Lehibe Indrindra Manerantany

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Tsidika

Manimba ny ala-mando lehibe indrindra manerantany ireo mpizaha-tany tsy mitsaha-mitombo be tabataba sy mpandoto ny tontolo iainana, mihitatra hatrany Bangladesh, atsinanan'i India izany izay toerana mampialoka Liona Mpanjaka Bengaly [1] sy angona biby dia hafa maroloko tahaka ny ombilahy axis, voromanidina, voay, sy karazana bibilava samihafa.

Amin'izao vanim-potoanan'ny ririninina izao, manintona ireo mpitsidika ny alan'ny Sundarbans [2], ary ao anatin'izany ireo mpizaha-tany marobe mitsangatsangana tsy mitandrina ka manimba ny tontolo iainana sy manelingelina ireo biby. Isan-taona mpizaha-tany ao an-toerana sy avy any ivelany eo amin'ny 100 000 [3][bn] eo no mirohotra mankao amin'io toerana io izay anisan'ny vakoka iraisam-pirenen'ny UNESCO, ary mitombo 20-30 % isan-taona izany isa izany.

Niteraka adihevitra teo amin'ny media sy ny tontolon'ny bilaogy ny olana.

Tourists are trekking in the Sundarbans. Photo by Mohammad Mustafizur Rahman. Used with permission. [4]

Mpizaha-tany mitsangatsangana ao amin'ny alan'ny Sundarbans. Sary avy amin'i Mohammad Mustafizur Rahman. Nahazoan-dalana avy aminy ny sary.

Iftekher Mahmud, mpanao gazety ao amin'ny The Daily Prothom Alo, nanoratra momba ny zava-niainany sy hitany nandritra ny diany [3] [bengali] :

বেলা গড়িয়ে সকাল ১০টা বাজতেই লঞ্চ আর ছোট জালি নৌকায় পর্যটকদের আনাগোনা বেড়ে গেল। মাইকে বিকট শব্দে হিন্দি গান বাজতে বাজতে একটার পর একটা লঞ্চ বনের ভেতরে হানা দিতে লাগল। পর্যটকদের লঞ্চ চলে যাওয়ার সময় সুন্দরবনের পরিবেশের জন্য মারাত্মক ক্ষতিকারক চিপসের প্যাকেট ও পলিথিন নদীতে ভাসতে দেখা গেল।

Vao maraina, dia mitaingina sambo mandeha amin'ny entona sy lakana kely ireo mpizaha-tany mandeha tsifolofolo. Mamoaka mozika manakoako mafy ireo sambo mamakivaky ny renirano afovoan'ny ala. Manipy ireo fononà “chips” plastika efa lany sy harona vita amin'ny “polyéthilène” ao anaty renirano ireo mpizaha-tany, ka miteraka fahasimbana goavana eo amin'ny tontolo iainana.

Tareq Onu, mpandalina momba ny vorona, nanoratra tao amin'ny pejy Facebook [5]-ny [bn] nandritra ny fivahinianany tao Sundarbans :

কিছু অসভ্য মানুষ দেখলাম যারা বনের ভিতরে, নদীর জলে প্লাস্টিকের ব্যাগ, বোতল নির্বিকারে নিক্ষেপ করে এবং তারস্বরে মাইক বাজিয়ে গান শোনে। এরা কেন আসে সুন্দরবনে!

Nahita olona tsy mahalala fomba aho izay, tsy mba mandinika fa manipy ireo harona plastika sy tavoahangy ao anaty renirano ary mihaino mozika mafy sy tsy laitra renesina ao anaty ala. Nahoana ireo olona ireo no mitsidika an'i Sundarbans ?

Mohammed Arifur Rahman Chowdhury [3] [bengali], naneho hevitra tao amin'ny lahatsoratra Prothom Alo, nilaza fa toy ny olona bado ny fiheverany ireo mpizaha-tany :

আমরা এখনো অশিক্ষিত পর্যটক, আমার এখনো জানিনা কোন এলাকাতে কি ভাবে ভ্রমণ করতে হয়। বনের সোন্দর্য বিকট শব্দে গান বাজিয়ে হই হুল্লোড় করে উপভোগ করা যায় না।

Amin'ny maha-mpizaha-tany, bado diso tafahoatra isika. Mbola tsy fantatsika foana ny dikan'ny mitsangatsangana am-panajana sy ny fomba tsy hanakorontanana ny natiora. Tsy afaka hianoka ny filaminan'ny Sundarbans ianao raha sady mihaino mozika mafy mankareni-tsofina.

Nitombo ihany koa ny isan'ireo sambo mandalo ao amin'ireo renirano marobe ao Sundarbans. Tamin'ny taona 2011, sambo 25 sy sambon'entana no nitety ny renirano tao amin'ny faritra, saingy herintaona taty aoriana, tafakatra hatramin'ny 130 izany isa izany [6]. Isan'andro, rehefa mampaneno ny anjomarany mandeha amin'ny herinaratra azo avy amin'ny rano ireo sambo ary mamoaka entona (gazy) sy faikana menaka mitondra loto, manimba tanteraka ny tontolo iainana ao Sundarbans ihany koa izy ireo.

Fishing net is floating in a river of the Sundarbans. Photo by Mohammad Mustafizur Rahman. Used with permission. [7]

Harato mitsinkafona ao anaty renirano. Sary avy amin'i Mohammad Mustafizur Rahman. Nahazoan-dalana.

Manimba ny ala ihany koa ireo mpanjono. Shopnobalok Ami [8] [bgalien] nanoratra tao amin'ny somewhereinblog :

মাছ বা কাঁকড়া ধরতে কিংবা শামুক-ঝিনুকের খোঁজেও যারা যান তারা যে স্রেফ মাছ-কাঁকড়া-ঝিনুক নিয়ে ফেরেন তা নয়। পথে গাছ কেটে নৌকায় তুলে কিংবা নৌকার সঙ্গে বেধে ভাসিয়ে নিয়ে আসেন।

Matetika ireo mpanjono mandeha manarato trondro sy foza no manapaka ireo ala ary fatoran'izy ireo ao anaty sambo izay hoentiny miaraka amin'ireo trondro voajono.

Kanefa misy ny fanantenana. Amin'ny ezaka hampitsaharana izao fizahantany tsy mendrika izao sy mba hampiroboroboana ny toekarena sy ny fizahantany ao anatin'ny alan'ny Sundarbans, namolavola lalàna [9] [bn] ny governemanta izay mandràra ireo mpizahatany tsy hitondra zavatra mety hanimba na handoto ny tontolo iainana. Zavatra toy ny mpandray feo (mikrôfôna), fanitaram-peo (megafôna), vokatra simika, plastika, ary tsy azo atao intsony ny manipy ireo poti-tsakafo sy fako ao anaty renirano, ary tokony hanana fanangonam-pako manokana ny sambo.