Tantara tamin'ny 10 Febroary 2013
Mifanome Tànana Ny Fisavoritahana Sy Ny Horohoro Ao Guinée-Bissau
Raha mbola mifantoka any amin'ny faritra iray hafa amin'i Afrika Andrefana ny sain'izao tontolo izao, ny olom-pirenen'i Guinée-Bissau, firenena kely iray mikorontana kosa, dia mitolona hitondra ny zava-misy momba ny zon'olombelona ho ao an-tsain'ny any amin'ny faritra sy ny iraisam-pirenena. Namoaka tatitra iray mavesa-danja [pdf] ny Ligy Gineana momba ny Zon'olombelona, mikasika ny zava-misy ankehitriny momba ny zon'olombelona, tena dobok'amponga gavana ho an'ireo izay mihevitra ny fahanginana misy dia midika fa mandeha tsara ny zavatra rehetra ao amin'ilay firenena
Andianà Mpizaha-tany Mandoto ny Ala-Mando (Mangrovy) Lehibe Indrindra Manerantany
Manimba ny ala-mando lehibe indrindra manerantany ireo mpizaha-tany tsy mitsaha-mitombo be tabataba sy mpandoto ny tontolo iainana, mihitatra hatrany Bangladesh, atsinanan'i India izany izay toerana mampialoka Liona Mpanjaka Bengaly sy angona biby...