- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mihevaheva Mitety an'i Singapore

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Hevitra, Mediam-bahoaka, Saripika, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

 ‘Nihevaheva’ [1] (nanao lévitation) nitety an'i Singapore i Jayden Tan sy i Jeff Cheong ary nampianatra ireo mpianatra ny tsiambaratelon'ny fakana sary mihevaheva. Nahasarika ny tao Singapore ny tetikasa [2]n-dry zareo ary maro ny olona no nahamarika ny famoronana nataon-dry zareo eo amin'ny sehatry ny fakana saripika.

We take this levitating photography seriously. Its all done without any cables, its all sweat and passion. No photoshop no touch ups. We only colour correct the photo to create a certain mood okies 🙂

Noraisinay matotra mihitsy ity fakana sary mihevaheva ity. Vita tsy nasiana tady mahazaka na tari-by, fa hatsemboahana sy fitiavana. Tsy natao photoshop tsy namboamboarina. Ny loko ihany no nahitsy mba hanatsarana ny ambiansy 🙂

levitation marina [3]Nanome alalana anay hizara ny saripika mahafinaritra vitany ho hitan'ny mpamakin'ny Global Voices i Jayden sy i Jeff . Eto ambany ny tafatafa amin'ny alalan'ny mailaka izay nifanaovanay tamin-dry zareo.

Inona no nahatonga anareo hanao ity tetikasa ity? Oviana ianareo no nanomboka ity tetikasa ity?

Natsumi Hayashi [4] made levitation photography famous with her gravity-defying shots. And since then many people from Asia to the world joined in the craze and started sharing cool photos of themselves ‘floating’ whilst going about in their daily (mundane) activities. We started the Facebook page sometime in July last year.

Nalaza tamin'ny fanaovana saripikam-pihevahevana  mihaika ny herim-panintonan'ny tany i Natsumi Hayashi . Ary nanomboka hatreo, maro tamin'ny olona avy ao Azia sy nanerana izao tontolo izao no niditra tamin'ilay kiry ka nifampizara sarim-pitsingevana  rehefa mankany amin'ny asany andavanandro. Nanomboka ny pejy Facebook izahay tany amin'ny volana jolay tamin'ity taona ity.

 

Ahoana ny fihetseham-po azonareo tamin'ny vondro-piarahamonina teto an-toerana?

There were several groups in Singapore shooting levitation photos. We are all connected by the same passion and it was great that the local papers did a coverage of this special interest group on front page!

Maro ny vondrona ao Singapore no naka sary am-pihevahevana.  Ampiraisin'ny fitiavana mitovy izahay ary mahafinaritra ny mahita ny gazety eto an-toerana mitatitra ity zava-mahaliana manokana ny vondron'olona io eo amin'ny pejy voalohany!

levitation changi [5]Inona avy ny sary tena nankafizinao tao amin'ny tetikasa?

We like the latest album for last year's Christmas. We collaborated with dancers, food bloggers and some of our friends. It was an epic shoot with such a large group. The theme was Christmas in tropics and we think its got the magic to spread the Christmas cheer.

The other one we like is the album shot at Singapore Changi Airport. We were lucky to get permission to shoot at the transit area. The airport has a beautiful setting and very interesting backdrop like the butterfly garden, kinetic rain sculpture and a roof top swimming pool.

Tianay ny raki-tsary farany nandrindra ny krisimasy tamin'ny herintaona. Niara-niasa tamin'ny mpandihy, bilaogeran'ny sakafo ary ny sasany amin'ny namanay izahay. Fanapihana sary tsy mahazatra miaraka amin'ny vondron'olona maro. Ny Krisimasy aty amin'ny troplikaly ny lohahevitra ka eritreretinay fa nanokatra ny maso nahatonga ny  fampielezana ny hafaliana amin'ny krismasy izany.

Ny anankiray hafa tianay indray dia ny rakitsary nopihana tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Singapore Changi . Tsara vintana izahay nahazo alalana haka sary tao amin'ny faritry ny lalantsaran'ny fanondranana entana (transit) .  Manana  habaka tena mahafinaritra ny seranam-piaramanidina sy mahaliana tahaka ny zaridainan'ny lolo, ny sokitra andon'orana manome endrika zavatra hafa [6] [sary](mahavalalanina) ary ny tafo dobo filomanosana.

levitation trees [7]Drafitra amin'ity taona ity raha iompanana amin'ny tetikasam-pihevahevana

We will continue the fun and creative new stories and challenge ourselves to outdo the previous album.

Of late we found the opportunity to share our work with young students. And it fun side of things do have some light-hearted life skills to impart.

Levitation photography requires alot of hardwork to capture the perfect shot.

Lessons of perseverance, tenacity and perfection comes through and we share these in ad hoc engagement. The session ends with hands-on lesson where they get a sense of the work.

But when they see the result, the pride and awe kicks in and it gives these kids a sense of achievement to see themselves doing the impossible.

Mbola hotohizanay ny fiama-boly sy ny famoronana tantara vaovao ary hanao fanamby amin'ny tenanay izahay hahavita mihoatra aminizay efa vitanay tamin'ny raki-tsary teo aloha.

Farany teo izahay afa-nizara ny asanay tamin'ny tanora mpianatra. Sy ny lafiny manala voly amin'ny zavatra mila fahaizana (talenta) hozaraina.

Mila asa mafy hahazoana ny pika tonga lafatra ny fakana sary mihevaheva.

Manavatsava ao anatin'izany ny leson'ny fikirizana, ny faharetana ary ny fitadiavana ny lavorary ka mizara izany amin'ny fanolora-tena manokana izahay. Mifarana amin'ny alalan'ny lesona azo tsapain-tanana amin'izany atao hoe miasa izany ny  fotoam-pianarana indray mandeha.

Fa rehefa mahita ny valiny ry zareo, dia tonga ny rehareha sy ny [tsinjaka] ka mahatonga an-dry zalahy sy zavavy fahatsapana ho tahaka ny nahavita zavatra tsy azo tanterahana aza.

levitation street [8]

levitation 2013 [9]

levitation skyfall [10]

levitation sota [11]

levitation butterfly [12]