Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

07 Febroary 2013

Tantara tamin'ny 07 Febroary 2013

Fampiofanana Hazakazaka Haingana dia Haingana Momba Ny Lahatsary Misokatra

Rising Voices

Vao avy namoaka fampianarana haingana momba ny famoronana lahatsary misokatra ny oniversite “tsiroaroa” P2PU (Peer to Peer University) noho ny fangatahan'ireo olona mpikirakira, mpamoaka sy mpampiasa lahatsary. Tao anatin'ny hetsika Forum Open Video, natao tamin'ny volana Desambra 2012  tao amin'ny xm.lab no nananganana izany fampiofanana izany. Lohahevitra isan-karazany toy ny refin-dahatsary, fanaovana kaody, fametrahana lohateny kely,...

Chobi Mela VII: TaoSary Mampifandray Ny Mponina Manerana Izao Tontolo Izao

Ao an-drenivohitry Bangladesh ao Dhaka no ankalazaina ny Chobi Mela (Sary Madio) faha-fito, fety iraisam-pirenena momba ny sary. Karakarain'ny Drik Picture Library Ltd. sy ny Pathshala (Ivon-toeran-tsary ao Azia-Atsimo), ity no fetiben'ny sary lehibe indrindra notontosaina tao Azia. Tamin'ny taona 1999 no namoronana ny hetsika ary isaky ny roa taona no ankalazàna izany ao...

Fahatafintohinana Manoloana ny Kolikoly Lalina eo amin'ny Politisiana ao Espaina

Ahitana trangan-javatra lalindalina [matotra] kokoa tahaka ny filazana fa misy karama ambany latabatra omena ny mpikambana sasany ao amin'ny Antokom-Bahoaka (PP) [es] izay antoko mitondra ao Espaina, ny famotorana momba ny raharaha kolikoly politika fantatra amin'ny anarana hoe “”Gurtel. Hadihadiana amin'ny fananana kaontim-bola 22 tapitrisa euros any Soisa sy amin'ny fandoavana...

Mihevaheva Mitety an'i Singapore

‘Nihevaheva’ (nanao lévitation) nitety an'i Singapore i Jayden Tan sy i Jeff Cheong ary nampianatra ireo mpianatra ny tsiambaratelon'ny fakana sary mihevaheva. Nahasarika ny tao Singapore ny tetikasan-dry zareo ary maro ny olona no nahamarika ny famoronana nataon-dry zareo eo amin'ny sehatry ny fakana saripika.

Filipina: Manolotra Fotoam-pivavahana Amin'ny Aterineto Ny Fiangonana Katolika

Nazoto nampiasa ny aterineto hamitana ny adidy evanjelika ny Fiangonana Katolika Filipiana tato ho ato. Tato anatin'ny taona vitsy lasa, nanokatra seha-pifaneraserana maro tamin'ny aterineto izy izay hahafahan'ireo Filipiana maneran-tany mankalaza ny fomba Kristiana

Karaiba: Inona No Nitranga Tamin'ny 2012 (Tapany 1)

Tamin'ity taona ity, nifarana tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina izay nahavaka ny saina, ireo tranga tao amin'ny tontolon'ny bilaogy teo an-toerana. Saika mijery ireo lohahevitra izay tena nandranitra resadresaka tamin'ny aterineto teo amin'ny tontolon'ny bilaogy Bahamiana, Kiobana ary Karaiba miteny Frantsay, ny tapany 1 tamin'ity fintina 2012 ity.