Fara-fahakeliny olona 14 no maty ary 80 no naratra, hatramin'izao dia ireo no vokatra azo tamin'ny fipoahana mafy namely ilay orinasam-panjakana Meksikana momba ny solitany (Pemex) tamin'ny Alakamisy faha 31 Janoary 2013 teo tany Mexico City, araka ny vaovao voaray avy amin'ny kaonty Twitter ofisialin'ilay orinasa :
@pemex [es]: Lamentablemente se tienen confirmados al momento 14 personas fallecidas y 80 lesionadas
@pemex: Indrisy, olona 14 no vo9amarina fa maty ary 80 no naratra
Ny mpiserasera amin'ny aterineto sasany , ankoatra ny alahelo tamin'ireo vaovao, dia niahiahy tamin'ny tena fototry ny fipoahana marina. Tahaka an'i Think Mexican (@ThinkMexican), izay nanasongadina izany tao amin'ny kaontiny ao amin'ny Twitter :
@ThinkMexican: Torre de
#Pemex nitranga andro vitsy taorian'ny namalian'ny@EPN ny fiahiahiana ny mpitantana azy ho nitady hanome ny solik'i Meksika ho an'ny tsy miankina http://ow.ly/1RJUGC ilay fipoahana
Nefa Raúl Tortolero, izay sady mpanao gazety no mpanoratra (@raultortolero1), dia nanontany :
@raultortolero1 [es]: ¿Conoceremos con transparencia lo que pasó en
#Pemex hoy, o sólo versiones a modo?
@raultortolero1: Ho fantatsika ao anatin'ny mangarahara ve izay zava-nitranga tao Pemex androany, sa izay zavatra amboamboarina ihany no ho rentsika?
Fa ny sasany toa an-dry Ana (@AnaLargaespada) dia niteny ny momba ny mety ho nisian'ny antsirambina :
@AnaLargaespada [es]: Instalaciones de
#Pemex ya habían tenido 2 explosioneshttp://www.eluniversal.com.mx/notas/899965.html … (ver video). Eso me huele a mal manejo
@AnaLargaespada: Efa in-2 nipoaka sahady izay ny fotodrafitrasan'ny #Pemex http://www.eluniversal.com.mx/notas/899965.html … (jereo ny lahatsary). Ohatra ny hoe tsy fahaiza-mitantana izany amiko.
Fa ny sasany dia nihevitra fa andraikitry ny andrianan'ny zava-mahadomelina io, tahaka ny nilazàn'i Jorge (@TwytterMx) azy :
@TwytterMx [es]: Explosion en oficinas principales d
#Pemexal igual q la explosion en#reynosa son actos d terrorismo por parte del Narco!#atentado
@TwitterMx: Ny fipoahana tao amin'ny foiben-teran'ny #Pemex , tahaka izay niseho tany #Reynosa, dia asa fampihorohoroana ataon'ireo andian-jiolahy mifoka zava-mahadomelina! #atendato (fanafihana)
Nofehezin'i Alejando Escalona (@alexoescalona) mpanoratra ao amin'ny Huff Post Voices hoe :
@alexoescalona [es]: Me parece muy bien no especular que lo de Pemex fue atentado, pero tampoco hay que asumir que fue accidente.
#PEMEX
@alexoescalona: Heveriko fa tsy tsara ny miahiahy raha toa ka fanafihana iny nitranga tamin'ny Pemex iny, nefa tsy tokony hoeritreretintsika ho tsy nahy iny. #PEMEX
Amin'ny lafiny iray, misy ireo fanehoankevitra mahasosotra izay mampirongatra ny maro, toa an'i Mariano Bouchot (@marianobouchot) mpanao sarimihetsika sady mpanoratra lahatsoratra, izay tsy mankasitraka ny vazivazy amin'io resaka io
@marianobouchot [es]: No entiendo ni justifico los chistes que se hacen alrededor de la tragedia. Lo ocurrido hoy en
#Pemex no es chiste.
@marianobouchot: Tsy azoko na tsy hamariniko ireo vazivazy manodidina ilay loza. Tsy sangisangy izao niseho tamin'ny #Pemex androany izao.
Fa nisy maro ihany koa ireo mpiserasera amin'ny aterineto no mizara vaovao ilaina. Toa an-dry Fherb (@LFernando24) izay nibitsika hoe :
@LFernandoo24 [es]: Ayuda por favor: Se necesitan donadores de sangre en hospital de Pemex Central Norte Azcapotzalco…
#Pemex
@LFernandoo24: Mbà ampio azafady : Ilàna mpanome rà ao amin'ny Tobim-pahasalaman'ny Pemex, Avaratra Afovoany any Azcapotzalco… #Pemex
Nizara ny rohy misy ny tatitra mikasika ireo maratra i Maru Iniestra (@889Maru) :
@889Maru [es]: Pasen la voz… Reporte preliminar de heridos
#Pemexhttp://www.presidencia.gob.mx/informacion-de-contingencia-de-pemex/ … Más información en@locatel_mx#LocatelInforma 56581111
@889Maru: Aparitaho ity teny ity… Tatitra vonjimaikan'ireo naratra #Pemex http://www.presidencia.gob.mx/informacion-de-contingencia-de-pemex/ … Fanampim-panazavàna ao amin'ny @locatel_mx #LocatelInforma (Locatel Informs) 5658111
Fa betsaka ireo mpiserasera amin'ny aterineto no naneho fiaraha-miory tamin'ny fianakavian'ireo namoy ny ainy, toa an'i Guillermo Barba (@memobarba) mpahay toekarena sady mpitoraka bilaogy :
@memobarba [es]: Es sin duda una gran desgracia la explosión ocurrida en la Torre de
#Pemex. Mis condolencias para los familiares d las víctimas
@memobarba: Tsy isalasalàna fa tena zava-doza io fipoahana tao amin'ny Tilikambon'ny #Pemex io. Mamangy amin'ny fahoriana ho an'ny fianakavian'ireo niharam-boina.
Efa misy fehy mainty sahady ny tranonkalan'ny Pemex ho mariky ny fisaonana.
Mbola eo am-pivoarana ny vaovao tamin'ny fotoana namoahana ity lahatsoratra ity.