- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nandefa Gidro Tany an'Habakabaka i Iran Ary Hafa no Tonga avy Any

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka, Siansa, Teknolojia
Aftab the monkey before launch into space

Aftab ilay gidro nialoha ny nandefasana azy teny an'habakavaka. Sary: IRNA

Nihaika [1] ny filazan'ny governemanta Iraniana milaza ny fahombiazan'ny fandefasana gidro nankany an'habakabaka sy nitondra azy niverina velona tamin'ny 28 Janoary 2013 ny bilaogera sy ny loharanom-baovao maro. Official images — supposedly depicting the monkey before and after the launch — do not appear to match up [2], casting further doubt and raising suspicions that the launch may have been fake.

Indro ny fakan-tsary ofisialy voarakitry ny IRIB nasionaly Fantsona 1 :

Maro ireo mpisera avy ao amin'ny habaka fifampizaran-drohy Iraniana, Balatarin [3], no niteny fa mandainga ny fitondrana ary mampitaha  [4]ny sarin'ilay gidro nialoha ny fandefasana azy tamin'ny sariny lazaina fa nakana azy avy ao amin'ny kapisily (efitra kely misy ny olona mandeha eny an'habakabaka), tamin'ny alalan'ny fampisongadinana ny fahasamihafana hita amin'ny sary roa.

Indreto ry zareo:

0,,16563829_303,00

Araka ny hita amin'ny sary voalohany amin'ity lahatsoratra ity, sy ny sary iray eto ambony (ankavanana) dia misy tandra ny gidro voalohany eo amin'ny volomasony ankavanana ary fohy miloko volombatolalaka mazavazava ny volony manodidina ny tarehiny, raha tsy ahitana tandra sy somary matroka kokoa ny volo manodidina ny tarehin'ilay gidro faharoa.

Nisara-kevitra ny mpiserasera ka misy ireo tsy mino tanteraka ary misy ireo mihevitra fa famelezana fotsiny izany:

Maka fijery mamelively ilay bilaogera Iraniana ‘Hagh mosalam ma’ [5] (‘Ny zonay azo antoka’), ary mametraka fampitahana amin'ity lazaina ho iraka fandefasana an'habakabaka ity sy ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana tamin'ny 2009 izay heverin'ny maro fa misy hosoka. Nananihany ihany koa izy:

Naman'[ny Mpitarika Faratampony] ilay gidro nalefa an'habakabaka, ary hafahafa fihetsika ilay iray niverina. […] Amin'ny fampiasana Photoshop ianao afa-mandefa gidro any amin'ny [planeta] Marsa, fa tsy manamarika fotsiny hoe ivelan'ny atmosfera.

Amir Farshad manoratra ao amin'ny bilaoginy ‘Hot Chocolate [6]‘ fa:

Nanome vaovao tsara betsabetsaka ho an'ny firenena [ny filoha] Mahmood Ahmadinejad tamin'ity herinandro mialoha ny fetin'ny Fajr [manamarika ny tsingerintaona fandresen'ny Revolisiona Islamika]: “Nandefa gidro tany an'habakabaka isika ary niezaka ny nanao fandidiana fanatsarana endrika tany ambony tany, avy eo dia namerina azy salama tsara teo an-trotroan'ny Mpitondra Faratampony.”