- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Tsy Vitanay Irery io”, Nangataka Ny Firotsahan'i Etazonia An-tsehatra Any Mali Ny Ben'ny Tanàna Iray

Sokajy: Afrika Mainty, Amerika Avaratra, Etazonia, Mali, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Vonjy Voina, Zon'olombelona

Lehilahy  tsy manara-dalàna sy tsy manam-pinoana — izay miafina ao ambadik'i Shariah ary mangataka ny fahaleovantenan'i Tuareg — no midaroka sy manolana vehivavy ary manery ny ankizy kely hanatevin-daharana mba hiady amin'ilay antsoin'izy ireo hoe ady “masina”. Ary ny tena mampalaelo indrindra dia efa lasa mahazatra ny olona izany [..] Tokony ho sakanan'ny filoha Obama tsy ho lasa trano fonenan'ireo mpampihorohoro sy ireo mpivarotra zava-mahadomelina izay miteraka loza ho an'ny tany manontolo ny avaratr'i  Mali. Mirotsaka an-tsehatra namaha olana tsy dia henjana akory i Etazonia. Miantso ny fahatongavan-tsainy aho. Miangavy, ampio izahay hanaisotra ny fianakavianay amin'ny fitaintainana goavam-be iainany.

 

Nanoratra mikasika ny maha-zava-dehibe ny firotsahan'i Etazonia an-tsehatra any Mali [1] tao anatin'ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny NY Times i Oumou Sall Seck, ben'ny tanànan'i Goundam, ao avaratr'i Mali. Tsy miombon-kevitra amin'izany i Dr Akory Ag Ikhnane ary manolotra soso-kevitra [2] izy hoe “mety hampitsahatra ireo tsy fitovian-kevitra ireo ny fandraisan'ny miaramila an-tanana ny raharaha.”