Ekoatera : Hatsikana Politika Mandritra ny Fampielezan-kevitra

[Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy rehetra ankoatra izay marihina manokana]

Niainana tamin'ny fomba miavaka ny fotoam-pifidianana tany Ekoatera. Marina fa nahetsika ny fiaran'ny fampielezan-kevitra ary niomana ny kandidà ho filoha (izay kasaina hotontosaina amin'ny 17 febroary 2013), saingy nanana ny anjara toerana niavaka ihany koa ny hanihany sy ny hatsikana.

Nanamarika ny gazety tahaka ny La República, Diario Hoy ary ny Expreso fa nanapa-kevitra ny hanivana ny lahatsary mitondra ny lohateny hoe “La Feriatta” ny Vaomieram-Pirenena Misahana ny Fifidianana (Consejo Nacional Electoral na CNE) , rehefa nitory ny kandidà ho filoham-pirenena Guillermo Lasso ho manao fampielezan-kevitra misy fisolokiana ny talem-pirenen'ny hetsika CREO (‘Inoako’, mitovy fanafohezan'anarana amin'ny hetsika Creando Oportunidades, ‘Manorina fanararaotra’). Noraran'ny CNE ihany koa ny famoahana ny lahatsary “El reyecito y su corte” (“Ilay menakely sy ireo mpanompony”), heverina ho fitifirana an'i Rafael Correa, filoha-kandidà Ekoatoriana ankehitriny.

Ny lahatsary La Feriatta moa dia hita ao amin'ny fantsona YouTube Políticamente Incorrecto :

[Nandritra ny fanasana hihinana sy hisakafo naka tahaka ny lamaodin'ny taonjato faha-19 sy maka tahaka amin'esoeso ny lohahevitr'i Brindisi tamin'ny “opéra de Verdi” mitondra ny lohateny hoe la Traviata – izay niaingan'ny kilalaonteny maneso amin'ny teny espaniola hoe “La Feriatta”, ilay foara lehibe – ny mpisehatra voalohany mitondra saron-tava sy solomaso dia milalao an'i Guillermo Lasso, candidàn'ny antoko CREO. Miara-mihira amin'ireo olona “lalaovina” avy amin'ny banky, gazety ary mpanao politika izy.]

Raha ny amin'ny lahatsary El reyecito y su corte (“Ilay menakely sy ireo mpanompony”) indray dia hita ao amin'ny fantsona YouTube an'i Alberto Acosta, kandidà ho filoham-pirenena ekoateriana izany :

[Raha nifampiresaka tamin'ny tandapa iray antsoina hoe Verdeflex ny mpanjaka iray mitovitovy endrika amin'i Rafael Correa, filoha ekoateriana ankehitriny, dia manahy ny amin'ny “revolisionany” tahaka ny “mpandala ny tontolo iainana mpanao sain-jaza” na “ny fampitam-baovao voakolikoly”. Tsy mieritreritra vahaolana afa-tsy tokana izy avy eo dia ny fampiasna ny fampielezan-kevitra hanovana ny saina… Any amin'ny faran'ny lahatsary no miseho ny endriky ny kandidà Alberto Acosta].

Ankoatra izay, nisy hetsika nihanaka tany amin'ny tambajotra sosialy rehefa nisy nanisy volombava tamin'ny pensilihazo ny afisin'i Maria Paula Romo (@mariapaularomo), kandidà vavy hofidiana ho depiote avy amin'ny antoko Ruptura 25 (@RupturaEC). Tamin'ny fisongadinany tao amin'ny twitter tamin'ny alalan'ny tenifahatra #lookruptura25 sy #atrevetearomper, dia nanapa-kevitra hanohana ilay kandidà tamin'ny famoahan-dry zareo sary ahitana volombava nolokoina tambony sary ireo mpankasitraka.

Sofía Merino (@sophymerino) namoaka tao amin'ny kaontiny twitter ho fanohanana ny hetsika Ruptura25

@sophymerino: @rupturaEC #lookruptura25, #atrevetearomper twitpic.com/bz3fh4

Sarin'i Sofía Merino R @Sophymerino

Nizara ny sariny misy lokom-bolombava, tahaka ny hafa ihany koa, i Bernarda Ordóñez (@BernardaOM) :  

@BernardaOM: #lookruptura25 @maiapaularomo @felipeabrilm @RupturaEC pic.twitter.com/l13aKOHm

Sarin'i Bernarda Ordóñez M @BernardaOM

Dia tahaka izany ihany koa i Andrés Zambrano (@_Andreswz) niditra tamin'ny hetsika #lookruptura25:

@_Andreswz: @VanArellano nahazo volombava ihany koa aho ! #LookRuptura25 pic.twitter.com/ReH2mixf

Sarin'i Andrés Zambrano @_Andreswz

Ao amin'ny pejy Ruptura de los 25, ahitana sarin'olom-pirenena vitsivitsy manao volombava, ho fanohanana ny hetsika ny raki-tsary #LookRuptura25 .

Tamin'ny 30 janoary 2013, teo amin'ny zoro sy toerana mahazatra ahitana ny sariitatra no namoahan’ny gazety El Universo ny taratasin'ny mpamaky nalefa tany amin'ny tale niara-nosoniavin'ny kandidà ho filoha sy filoha-lefitra, Rafael Correa sy Jorge Glas, ahitana ny fangatahan'ireo nanoratra ny fialan-tsiny avy amin'ny gazety noho ny sariitatra nataon'i Xavier Bonilla, mihevitra fa simban'ilay sary ny lazan'izy ireo. Nomarihan'izy ireo ihany koa ny hala-tahaka mahavoarohirohy ny filohan'ny Banky Foiben'i Ekoatera teo aloha Pedro Delgado, ny kandidà ho filoha-lefitra Jorge Glas, ny sekreteran'ny fifandraisana Fernando Alvaro ary ny rahalahiny Vinicio Alvaro, sekretera nasionalin'ny fitantanam-panjakana. Naleon'ny gazety namoaka manontolo ny taratasy, ka niteraka fihetseham-po isan-karazany izany.

Navoakan'ilay mpanao sary Xavier Bonilla (@bonilcaricatura) tao amin'ny kaontiny Twitter ilay sariitatra nanelingelina ny kandidà :

@bonilcaricatura: Indro ny sary tsy nankasitrahan'ny Tsarantitra (ianao ry mpanjaka)  pic.twitter.com/LvYD0FW7

Caricatura tomada del usuario de twitter Xavier Bonilla (@bonilcaricatura)

Sariitatra avy amin'ny Twitter an'i Xavier Bonilla (@bonilcaricatura)

Ao anatin'ny tontolo iainan'i Ekoatera, herinandro vitsivitsy mialoha ny fifidianana filoha, filoha-lefitra ary mpikambana parlemantera ankehitriny ny hatsikana sy ny vazivazy ary ny fandoavana onitra vitsivitsy, rehefa nohadihadian'ny tsirairay ny tolo-kevitry ny tsirairay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.