“Helo ho an'ny pelaka” i Tajikistan

Lohahevitra fady ny resaka pelaka ao Tajikistan. Na dia efa ho dimy amby folo taona aza izao no tsy mahavoasazy intsony ny fiarahan’ny mitovy fananahana ao amin’ity firenena, dia mbola vitsy ireo mahazaka ny fisian'izy ireo ao amin’ny fiaraha-monina mitandro ny fomban-drazana. Ankoatra ny fihetsika fankahalana pelaka, lasa lasibatry ny herisetra ara-batana sy ara-tsaina ireo vitsy mahasahy mampiseho izany fironana ara-pananahana ‘tsy nifanarahana’ izany (pdf). Vokany, mitoetra ho « iray amin’ireo vondrona mikatona sy miafina eo amin’ny fiaraha-monina Tadjika » ireo vavy tia vavy, tia fananahana roa, lahy tia lahy ary ireo niova fananahana (LGBT).

Nisy adi-hevitra faramparany teo tao amin’ny tontolon’ny bilaogy ao amin’ny firenena nahitana ambangovangony mikasika ny dikan’izany atao hoe pelaka (gay) ao Tadjikistan sy hoe ahoana no fiheveran’ny olona ao an-toerana ireo LGBT.

Midika ho FANGIRIFIRIANA…’

Nanomboka taorian’ny nanoratan'i [ru] Rishdor mikasika ny voina mahery vaika iray teny amin’ny anjerimanontolo ny adi-hevitra. Nahafantatra ireto mpianatra fa pelaka ny iray tamin’ireo namany ao an-dakilasy. Nanoratra izy hoe:

Как-то все восприняли это как личную обиду. Гомика решили проучить. Человек 8 однокурсников избили его в туалете. Жестоко избили, у него все лицо и костюм были в крови…

Noho ny antony maro dia noraisin’ny rehetra ho toy ny fanalam-baraka manokana izany. Tapaka ny hevitra fa tokony homena lesona ity pelaka. Valo tamin’ireo namana ireo no nidaroka azy tao amin’ny trano fandroana. Tena novelesin’izy ireo maharary izy, ka nijininika eran’ny tava sy ny akanjo ny rà

Tao anatin’ireo adi-hevitra maro hafa tao amin’ny bilaogy, dia nandroso hevitra [ru] ny mpamaky iray fa mampiseho fihetsika fanaon'ny olona amin'ireo pelaka ao Tadjikistan izany trangan-javatra izany

[Д]умаю это не первый случай. Пока он в Таджикистане он будет с «этим отношением» сталкиваться. Каждый день. Когда он пойдет в правоохранительные органы за помощью, его выгонят издеваясь, везде его будут встречать с насмешкой, и толпа непонятных молодых людей будут всегда и везде его преследовать.

Мне искренне жаль его.

Mino aho fa tsy vao voalohany no voavono toy izany ilay lehilahy. Tsy maintsy miatrika fihetsika toy izany hatrany izy raha mbola eto Tadjikistan. Isan’andro. Ary raha handeha hitaraina any amin’ny polisy izy, dia ho roahin’ireto farany, sady handatsa, tsy maintsy miatrika ny fihetsika fampijaliana amin’izay rehetra alehany izy, ary tsy maintsy hisy andian'olona hanenjika azy hatrany, na aiza na aiza.Tena mampalahelo ahy izy.

Nanontany [ru] kosa i Shakha, mpamaky hafa:

[П]очему в нашей стране сохраняется такое отношение к геям? Ведь быть геем это уже давно не преступление, за это не предусмотрено никакого официального наказания со стороны государства. И современная наука уже давно доказала, что гомосексуализм – это не какое-то психиатрическое отклонение, которое можно вылечить таблетками (или побиванием камнями, плетями)…

Fa nahoana no mitohy eto amin’ny firenentsika izany fihetsika atao amin’ny pelaka izany ? Tsy voasokajy ho heloka intsony ny pelaka eto amintsika, tsy mbola nanasazy ofisialy ny olona noho izay ny fanjakana. Ary efa nanaporofo koa ny siansa ankehitriny fa tsy karazana areti-tsaina afaka sitranina amin’ny fanafody (na toraham-bato na karavasiana)  ny fifanelahana…

Namaly [ru] ny lahtsoratr'i Rishdor i Drugoi, bilaogera hafa :

Вы знаете что значит быть геем в Таджикистане? Хуже ничего и не придумаешь!..

БЫТЬ ГЕЕМ ЗНАЧИТ, БЫТЬ НЕПОНЯТЫМ. Почти никем. Это значит, быть обреченным на одиночество и равнодушие даже родных и семьи, друзей, на их презрение и сожаление что ты такой. Попытки убедить тебя, а, скорее себя самих, что это лишь болезнь, как грипп и ее можно и нужно поскорей вылечить.

Это БОЛЬ, СТРАДАНИЯ, ОБИДА, ОДИНОЧЕСТВО, УНИЖЕНИЯ.

Fantatrao ve ny dikan’izany hoe  pelaka eto Tadjikistan ? Tsy misy ratsy kokoa azo sainina !TSY VOASITRAKA NO DIKAN'IZANY HOE PELAKA ! Avy amin’ny olon-drehetra. Izany hoe efa voaozona hitoka-monina sy tsy raharahian'ny hafa, eny fa na dia fianakavianao sy ny namanao aza ; [midika ho] fanebahana avy amin'izy ireo sy ny fangorahany ny maha-anao anao. [Midika] fa handresy lahatra anao izy ireo na hifandresy lahatra, fa aretina io ka mila fitsaboana haingana.

FANGIRIFIRIANA, FIJALIANA, LATSA,  IRERY  , ary FANILIKILIHANA no hevitr’izany.

Mandrisika ny mpamaky kosa ilay lahatsoratr’ity bilaogera Fragaria izay mitondra ny lohateny hoe « Avelao ny pelaka »

Хватит лезть в чужую жизнь… Научитесь относиться к человеку как к человеку, а не как к девушке, парню или гею… Принимайте людей такими, какими они уже сформировались. Будьте толерантными. Какая вам разница, с представителем какого пола этот человек предпочитает секс?

Aoka izay ny fitsabahana ny fiainan’ny hafa… Mianara mandray ny olombelona toy ny olombelona raha ny marina toy ny vehivavy, ny lehilahy, na pelaka… Ekeo amin’ny maha-izy azy ny tsirairay. Mandefera. Fa nahoana  ianao no lian-kahafantatra mafy amin’ny safidin’ny olona na te hiaraka amin’ny lehilahy hafa izy na vehivavy ?

‘Afoben'ny pelaka”

Na dia izany aza anefa, ny fanehoan-kevitry ny mpamaky ao amin'ity bilaogy farany indrindra ity ho ahafaha-manamarika fa mbola tsy akaiky ny fanekena ny LGBT ao Tadjikistan.

Fanehoan-kevitra iray avy amin’ireo mpamaky tsy fantatra [ru] :

Живём в среднековьи или в современном мире, всё равно запретное есть запретное. Не стоит продавать свою веру ради признания этих больных в обществе…

Na miaina amin’ny vanim-potoana fahiny na ankehitriny isika, izay voarara dia voarara. Tsy tokony hisy ny hanary finoana amin’ny fiheverana ireny olona marary ireny ho anisan'ny fiaraha-monina…

Nilaza [ru], ity bilaogera hafa, Teocrat, ity fa mitovy amin’ny fanekena ny zon’ny « zoophiles » (fanaovana firaisana amin’ny biby) sy ny « pedophiles » (fanaovana firaisana amin'ny zaza) ny fanekena ny zo amin’ny fiarahan’ny mitovy fananahana. Naneho hevitra ihany koa izy fa « raha te ho ekena tahaka ny rehetra ny pelaka, dia tokony hitondra tena tahaka ny rehetra koa izy ».

Lasa lavitra amin'ny tsy fankatoavana ny pelaka ao amin'ny fiaraha-monina tadjika kosa ilay bilaogera Bachai Sako [tj]

Гомосексуалисто на точик хастанду, на мусулмон. Онхо одамои касал ё хайвонот.

Sady tsy Tadjika, no tsy silamo ny mpanelaka. Olona tsy salama izany na biby.

Ao anatin’ny fanehoa-keviny i Mustafo nanoratra hoe [ru] :

Мне с гомосексуалистами в нашей стране как-то не доводилось встречаться. Но судя по коментариям Таджикистан ад для геев.

Tsy mbola nifankahita tamin'ireny mpanelaka ireny aho teto amin’ny firenentsika. Nefa, raha jerena amin'ireto fanehoan-kevitra ireto, dia helo ho an’ny mpanelaka i Tadjikistan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.