Vokatry ny Ady teo amin'ireo ankizy Syriana:
Ankizy Syriana tombanana eo ho eo amin'ny 4.355 eo no namoy ny ainy (hatramin'ny 15/1/2013) ao anatin'izao ady ao Syria izao, araka ny tatitra farany navoakan'ny Angon'ny Martioran'ny Revolisiona Syriana. An'arivony mahery ireo naratra, nogadraina sy tsy tafahaona intsony tamin'ny fianakaviany, na tsy nahazo fitsaboana sy fanampiana maha-olona .
Araka ny filazan'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR), mpitsoa-ponenana Syriana 650.764 no voaisa na miandry fanisana ao anatiny na ivelan'i Syria. Latsaky ny 18 taona avokoa ny antsasany mahery amin'izy ireo (52%). Na dia izany aza, ankizy Syriana tsy tambo isaina no mitebiteby fatratra tsy hahita intsony ny trano fonenany, ny fananany, ary ny ray aman-dreniny. Vavahadin-tseraseran'ny Zon'ny Ankizy nitatitra hoe:

Ankizy Syriana ao anaty Krizy, manampy ny fahoriana ny ririnina mamirifiry. Sary: Save the Children
Amin'izao zava-iainana izao, mikorontana tanteraka ny fepetram-pampandrosoana ilaina amin'ny fivelaran'ny ankizy, ary tsy hay saintsainina intsony ny fahasimbana ara-tsaina ateraky ny ady mitam-piadiana….Ireo ankizy, tsy afa-mitombo ao anatin'ny tonolon'ny fifampitokisana, dia tsy maintsy miatrika habibiana dieny mbola ao anatin'ny fahazazana tanteraka, matetika manamasaka ao anatiny ao fa fomba iray tahaka ny hafa hamahana ireo disadisa ny herisetra, ka sarotra ho azy ireo ny handefa hafatra ho amin'ny fandriampahalemana sy ny fiarovana erantany ho an'ny taranaka hoavy
Ahoana ny fomba hanampiana ireo ankizy Syriana?
Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, nitatitra ny mafy nozakain'ireo ankizy Syriana tao anatin'ity ady mamotika ny fireneny ity izahay. Androany, mitady fomba ahafahan'ny olona manampy amin'ny fanamaivanana ny fahorian'ireo ankizy izahay.
Amin'ny fandraisana anjara ataonao, afaka maneho ny fahangorahanao ianao ary afaka ny manamafy ny feonao mba handraisan'ny Firenena Mikambana ny andraikiny amin'ny alalan'ny fiarovana ny zon'ireo ankizy lasibatra ao Syria. Asehoy ny firaisankinanao amin'ireo ankizy ao Syria amin'ny alalan'ny:
- Fanehoana ny fiahianao amin'ny fizarana ity lahatsoratra ity izay maro ireo fomba ahafahana miaro ireo ankizy Syriana manoloana ny anjara ratsy manjò azy ireo.
- Fizarana ny hetsika amin'ny alalan'ny Rise 4 humanity izay:
Hetsika natokana hanairana ny sain'ny vahoaka manoloana ny heloka atao amin'ny olombelona manerantany ary hanampy amin'ny fampitsaharana izany, ka voalohany amin'izany ny habibiana mihatra amin'ireo ankizy ao Syria.
Mampiseho ny tranga mahazo ireo ankizy Syriana ity lahatsary manaraka avy amin'ny Rise 4 Humanity ity [Tandremo: sary mampihoro-koditra, ahitana fatin'ankizy].
- Ao Royaume-Uni, London, fantaro fa ao amin'ny Metro an-tanàn-dehibe, misy dokambarotry ny UNICEF mba hanohanana ny ankizy ao Syria, manomeza 5 livres).
- Manolora, IZAY VOLA AZO OMENA, ao amin'ny pejy fandraisan'ny UNICEF.
- Manomeza boky hanampiana amin'ny fianaran'ny ankizy Syriana amin'ny alalan'ny habaky ny “Just Giving website”: Books4Syria (Boky ho an'i Syria)
- Manolora ao amin'ny “Safeworld” mba hanome fanohanana ny sekoly ao amin'ny tobin'ireo mpitsoa-ponenana Zaatari fantatra amin'ny hoe “tobin'ny ankizy” satria latsaky ny 18 taona avokoa ny antsasany mahery amin'ireo mpitsoa-ponenana 33.000.
- Manolora ao amin'ny Save the Children mba hanomezana akanjo mafana, kiraro, ary bodofotsy ho an'ireo ankizy, fanampiana natokana ho an'ny ankizy amin'izao ririnina izao .
Nandefa fanentanana Hampitsaharana ny Heloka Atao Amin'ireo Ankizy ao Syria ny “Save the Children” (Vonjeo ny ankizy). Mampiaiky volana ny vokatr'izany – nahatonga izao tontolo izao ho liana manokana manoloana ny habibiana izay iainan'ireo ankizy manerana an'i Syria. Ity no hetsika nandroso haingana nokarakarainay, an'arivony ireo olona misoratra anarana amin'izany isan'andro.

UNICEF: Ririnina sy ny krizy mihatra amin'ireo Ankizy ao Syria. Dokambarotra ao amin'ny metro ao Londra Desambra 2012. Sary: Global Research
- Mizarà tantara sy sarin’ ireo Ankizy ao Syria ao amin'ny Facebook. Amin'ny fizarana izany pejy izany, manampy amin'ny fanaparitahana izany ianao ary manohana ny fampitsaharana ny famonoana ny fahazazana ao Syria.
- Ao amin'ny Facebook: Save Syrian children
- Facebook: SRC mpitsoa-ponenana Syriana ao Libanona [ar] (تنسيقية اللاجئين السوريين في لبنان)
- Apariaho ny hetsika, mandraisa anjara ao amin'ny Global walk 4 children of Syria
- Tohano ny kamboty anio amin'ny vola $50 ao amin'ny Kamboty Syriana
- Change.org: Tongava manatevina ny hetsika Stop the Crimes Against Syria's Children (Atsaharo ny Heloka Atao amin'ireo Ankizy ao Syria)
Soniavo ny Fanangonan-tsonia:
Manampia amin'ny fizarana ireo habaka sy fanangonan-tsonia ireto amin'ny namanao sy ireo solontenam-panjakana. Afaka manao zavatra betsaka izy ireo. Afaka manao zavatra betsaka ianao.
- Avaaz: Protect Syria’s Children Now (Arovy ny Ankizy ao Syria Ankehitriny)!
- Avazz: Stop the Torture of Children in Syria (Atsaharo ny Fampijaliana Ireo Ankizy ao Syria)!
- Fanangonin-tsonia ao amin'ny Google: Ovay ny Doodle tamin'ny 05/25/2012 mba hanehoana firaisan-kina amin'ny vahoakan'i Syria
- Ao Etazonia, lazao ireo manampahefana voafidinao mba hanatsahatra ny famononana ireo vahoaka Syriana amin'ny alalan'ny Syrian American Consul( Masoivoho Amerikana Syriana)
- Fanangonan-tsonia ho an'ny Kongresy sy ny filoha Obama: Atsaharo ny Vono olona ao Syria
- Habaky ny fanangonan-tsonia: Ho an'ny filoha Bashar Assad: Lazao ny governemanta Syriana: Ajanony ny Fampijaliana Ankizy!

Ankizy 2 tapitrisa no iharan'ny krizy ao Syria. Mila ny fanohananao izahay mba hipaka any amin'ny tsirairay izany. Sary: UNICEF España on Twitter.
Fiarahamonina ao amin'ny faritra izay manampy ireo ankizy Syriana:
- جمعية سردة للتنمية SRDH Association for Development (Fikambanana ho an'ny Fampandrosoana)
- مؤسسة الإغاثة والتنمية الإنسانية السورية Najda-Now International E.V
- Ho an'ny mpianatra eny amin'ny Oniversite Syriana. Fampianarana Ambony Iraisam-pirenena (Institute of International Education): Krizin'ny Fampianarana ao Syria: Ahoana no fomba hanampianao
- Fikambanana ao an-toerana sy iraisam-pirenena maherin'ny 32 no manome Fiarovana ny Ankizy, izay avy ao Iraka, Libanona, Jordana sy Ejypta ao amin'ny habaky ny mpitsoam-ponenana Syriana UNHCR.
Ity lahatsary manaraka ity, Ao anatin'ny Hatsiaka: miaritra ny ririnina ireo fianakaviana mpitsoa-ponenana Syriana, lahatsary navoakan'ny savethechildrenuk mba hampisehoana ny filàn'ny ankizy sy ny fanangonam-bola ho an'ireo ankizy mpitsoa-ponenana:
Tsy manantsiny lasibatr'ity ady ity ny ankizy Syriana ka tairina ny saina amin'ny manjò azy ireo ary ezahina ny hanamaivanana ny fijalian'izy ireo ho an'izay rehetra afaka manao izany.