- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Espaina: Seranam-piaramanidina Tsy Misy Voromby?

Sokajy: Eoropa Andrefana, Espaina, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

Tsy dia fandre mahazatra amin'ny vaovao misongadina ny resaka seranam-piaramanidina, raha tsy resahina ny loza an-habakabaka na misy ny fitokonana ataon'ny mpiasa ka mivadika ho afo fandiovana ho an'ny mpandeha izany. Na dia izany aza, manana seranam-piaramanidina iray malaza i Espaina, izay nivoaka tamin'ny gazety sy tamin'ireo lohatenim-baovao antserasera hatramin'ny nisokafany: Seranam-piaramanidina Castellón [1] [es].

 

Natsangana toy ireo foto-drafitrasam-panjakana maro hafa tsy dia misy fotony ity seranam-piaramanidina ity, nandritra ny taompolo lasa nanombohan'ny krizy ara-toekarena, fanokanana makotrokotroka [2] [es] no nataon'ny filoham-paritry Castellón, Carlos Fabra izany tamin'ny volana Martsa 2011, herinandro mialoha ny fifidianana ben'ny tanàna, na dia mbola tsy nisy aza ny tetiandro fisidinan'ny zotram-piaramanidina tamin'izany. Raha ny marina dia mbola tsy nahazo fahazoan-dalana momba ny fifamoivozana an-habakabaka izy ireo. Olona 1500 no tonga nanatrika ny lanonana, anisan'izany i Francisco Camps, Filohan'ny Generalitat Valenciana tamin'izany fotoana, izay nametra-pialàna taorian'ny faimpangana azy ho nanao kolikoly [3] [es]. Fotoana mahatsikaiky no nanamarika ny lanonana fanokanana  izay nalaina tao anatin'ity lahatsary mahatsikaiky notontosain'ny El Intermedio [4] [es], tamin'ny fandaharana La Sexta.

 

Amin'ny lisitr'ireo hadalàna momba ity seranam-piaramanidina ity ny fahadisoam-panamboarana [5] [es] izay nahatonga ny lalam-pitodian'ny voromby ho tsy azo ampiasaina, ka mbola mila fanamboarana indray alohan'ny hampiasana azy, fanampin'izany ihany koa ny fanamboarana ilay sary sokitra goavana [6] [es] eo amin'ny fidirana amin'ny fiholanan-dalana — natsangana ho fahatsiarovan an'i Fabra ny sary sokitra, araka ny filazan'ny mpanamboatra azy — izay mitotaly 300.000 euro ary tsy nahazaka ny hamandon'ny faritra.

Castellón Airport. [7]

Seranam-piaramanidina Castellón. Tao amin'ny Bilaogy #La Campana De La Vela.

Na dia mbola tsy miasa aza ny seranam-piaramanidina, mandany vola be isan-taona ny fikojakojana ny foto-drafitrasan'ity seranam-piaramanidina ity , araka ny filazan’ny lahatsoratra tao amin'ny elplural.com [8] [es]:

Manchas de óxido en la estatua que preside la entrada al aeropuerto. Foto del blog Hits Book. [9]

Harafesenina eo amin'ny sokitra mandravaka ny fidirana ao amin'ny seranam-piaramanidina. Sary avy amin'ny bilaogy Hits Book.

Juan García Salas, director general de Aerocas [10] [la sociedad pública que gestiona el aeropuerto], cobró en 2011 88.104 euros, una cantidad bastante superior a los 84.200 euros brutos que ganó en 2010. (…)

Todavía hay más. Los gastos de explotación del aeropuerto de Castellón ascendieron en 2011 a un total de 6.484.935 euros. De ese total, 5.092.596,22 euros se gastaron en el apartado de publicidad, propaganda y relaciones públicas; es decir, más del 78%. Del resto, 918.663 euros fueron a parar a servicios profesionales independientes; 368.865,49 euros a los salarios de sus siete trabajadores; 223.074 euros a trabajos realizados por otras empresas; 129.430 a otros servicios; 23.412 a arrendamientos y cánones y 23.006 a servicios bancarios o similares, entre otros apuntes.

Tamin'ny taona 2011, nahazo vola mitentina 88.104 euro i Juan García Salas, Tale Jeneralin'ny Aerocas [orinasam-panjakana misahana ny fitantanana ny seranam-piaramanidina],  ary vola mahery lavitra noho izany no noraisiny tamin'ny taona 2012 izay mitentina 84.200 (…)

Saingy tsy izay ihany. Niakatra 6.484.935 euro ny fandaniana amin'ny saram-pitrandrahana tamin'ny taona 2011. Tamin'ity vola ity, 5.092.596.22 euro no nolaniana tamin'ny dokam-barotra sy ny serasera; izany hoe, maherin'ny 78%. Ny ambiny 918.663 euro kosa dia nalefa tany amin'ny sampan-draharaha matihanina tsy miankina: ka 368.865.49 euro no karaman'ireo mpiasa fito tamin'izany; 223.074 kosa nolaniana tamin'ireo asa hafa notontosain'ireo orinasa hafa; 129.430 tamin'ny sampan'asa hafa; 23.412 ho an'ny hofan-tany sy ny hetra ary 23006 ho an'ny fandaniana amin'ny banky

Carlos Fabra [11] [es], no anisan'ny tompon-kevitra tamin'ity seranam-piaramanidina ity, politisianina avy ao amin'ny antokom-bahoaka izy, ary anaty fianakaviana mpandova ara-politika ao Castella. Izy no lehiben'ny faritra nanomboka ny 1995 hatramin'ny 2011, toerana izay nialàny taorian'ny fiampangana azy ho nanao kolikoly sy nanararao-pahefana tamin'ny taona 2010. Rain'i Andrea Fabra ihany koa izy, solombavambahoaka avy ao amin'ny antoko PP izay nanjary nalaza ratsy volana vitsy lasa izay noho ny fitabatabany hoe “Tsy raharahako ireo!” tao amin'ny Kongresy [12] raha nanambarana ny fampihenana tetibola ho an'ny fanampiana ireo tsy an'asa ny filoha Rajoy.

Andro vitsy lasa izay, nanambara i Fabra tenany, izay mitantana ny Aerocas amin'izao fotoana fa misy vondron'orinasa iray nanome tolotra fa hividy ny seranam-piaramanidina Castellón [13] [es] 200 tapitrisa euro. Na dia tsy ahazoana tombony [14] [es] araka ny dradradradrain'ny mpitantana ny Aerocas aza ny tolotra, dia mijanona ho vaovao tsara izany, noho ny halafosan'ny fikojakojana ny fotodrafitrasa. Na dia izany aza, nahatalanjona ny maro ny vaovao, satria fantatra fa tsy ilaina mihitsy ilay seranam-piaramanidina, ka niteraka fanontaniana momba ny antony mahatonga izay olona te-hividy izany.

Arak'izany, namorona tenifahatra #NuevosUsosAeropuertoDeCastellón [15] [es] (#FampiasanVaovaoNySerananaCastellón) ny tao amin'ny Twitter, izay nanjary lohahevitra nalaza tamin'ny 10 Janoary, naneho hevi-baovao momba izany ireo mpiserasera.

 

Eiryah Udhen [16] [es] sy Eva [17] [es] nihevitra fa ho atokana ho an'ny fanatanjahan-tena ilay izy:

@Eiryah [18]: Recinto de calidad extraordinaria para realizar la Champions League de petanca

@Eiryah [18]: Kianja mety tsara ho an'ny Fiadiana ny amboaran'ny Tsipy Kanetibe

@evitalunera [19]: A partir del 7 de julio, los encierros de San Fermín

@evitalunera [19]: Manomboka 7 Jolay, fetiben'ny San Fermín

Marina Segovia [20] [es] sy David Antonio Tomico [21] [es] miròna kokoa amin'ny zavakanto:

@ [22]marinuxy_94 [22]: una escuela de escultores de figuras de aeropuertos

@ [22]marinuxy_94 [22]: sekoly ho an'ny mpanao sary sokitra manana endrika seranam-piaramanidina

@DTomico [23]: Monumento homenaje a la soledad

@DTomico [23]: Tsangambato ho fahatsiarovana ny fitokana-monina


jose melchor valero [24] [es] sy Magnes [25] [es] kosa nanolo-kevitra ny hanaovana azy ho toerana hialana voly amin'ny alina:

@josemelchor1 [26]: Botellódromo oficial de la Provincia

@josemelchor1 [26]: Toerana ofisialin'ny faritra hikarakarana botellón. [Fihaonam-ben'ny tanora miaraka amin'ny toaka.]

@ValNyx [27]: Fumadero de marihuana. Por lo menos que allí vuele alguien” AAAAJAJJAJAJAJ

@ValNyx [27]: Fifohana Marijuana. Farafaharatsiny mba misy olona iray misavoamboana AAAAHAHHAHAHAH.

Marte con más tráfico aéreo que el aeropuerto de Castellón. Imagen de Cuánta Razón. [28]

Mars, fitohanana an-habakabaka noho ny seranana Castellón. Sary: Cuánta Razón.

Javier Etxarri [29] [es], Tanya G [30] [es] sy ElNinjaDeLasGalletas [31] [es] nisafidy ny biby:

@jetxarri [32]: Uno en cada provincia! RT”@quiquepeinado [33]: Zoorrupto, un lugar para criar corruptos en cautividad”

@jetxarri [32]: Iray isaky ny faritra! RT”@quiquepeinado [33]: Zoorupto, toerana hiompiana olona tratra nanao kolikoly “

@TanyGomez [34]: Caracolódromo

@TanyGomez [34]: Toeram-pihazakazahan-tsifotra

@Chinobi_Ninja [35]: y si a falta de aviones montamos un Angry Birds a escala real? Será por cerdos para atinarles…

@Chinobi_Ninja [35]: ary rehefa tsy misy voromby, maninona raha asiana Angry Birds [lalao vidaka] amin'ny tena habeny? Hokendrentsika ry zareo satria kisoa ry zareo…

Gorka Zumalabe [36] [es] sy ManuMillán [37] [es] manao tarehy ratsy:

@tormentad [38]: Y paralizar la actividad normal del aeropuerto? estáis locos? XD XD

@tormentad [38]: Tsy mampihetsika ny asa andavanandron'ny seranam-piaramanidina? Adala ve ianareo e? XD XD

@Manu_Millan [39] cementerio de maletas

@Manu_Millan [39]Fasam-balizy

DiQuijorna [37] [es] no manana hevitra revolisionera indrindra amin'ny rehetra:

@JordiDiaz71 [40]: Se podria usar de aeropuerto que es de lo unico que parece que al final no se va a usar

@JordiDiaz71 [40]Azontsika atao ihany koa ny manao azy ho seranam-piaramanidina, satria io no zavatra farany indrindra tsy noeritreretina hampiasana azy