Ekoatera: Ny Raharaha ireo 10 avy any Luluncoto

Fadua Tapia, Cristina Campaña, Abigaíl Heras, Royce Gómez, Pablo Castro, Santiago Gallegos, Víctor Vinueza, Luis Merchán, Héctor Estupiñán ary César Zambrano ireo olona 10 avy ao Luluncoto [es] izao notazonina tamin'ny 3 Marsa 2012 tao Sol Rojo [Mena Masoandro] [es]. Nampangaina ho mandrahona hanohintohina ny filaminam-pirenena sy ho mpikamban'ny Vondrom-Bahoaka Mpiady [es] (GCP) ry zareo ka very fahalalahana raha saiky hiady hevitra momba ny politikam-panjakana Ekoateriana tao amin'ny trano iray ao atsimon'i Quito. Nahitan'ny polisy solosaina filanja, diary, afisy misy sarin'i Che Guevara, [ary] gazety heverina ho fitaovam-panakorontanana tany amin-dry zareo.

Nilaza ny Minisitry ny Atitany [es] tamin'ny 25 jolay fa ampy ireo porofo nasehon'ny lehiben'ny fampanoavana ireo fa nahavita heloka izy ireo.

Nahazo fepetra manokana i Fadua Tapia noho ny fitondrany vohoka; tamin'ny tafatafa navoakan'ny El Mercurio [es] no nilazàny fa tsy nanaja ny nitondrany vohoka ny polisy ary nasaina nihohoka tamin'ny tany izy. Ny fantsona YouTube  Sampam-baovaon'i Ekoatera Afaka [EcuadorLibreRed Agencia de Noticias] [es] no namoaka lahatsarim-pijoroana vavolombelona avy amin'ny havan'ny notazonina am-ponj, izay nanamarihan'izy ireo fa nisy ny fidirana an-keriny tany amin'ny tranon'ny ankohonan'ireo nosamborina ireo tany amin'ny tanàna maro ao amin'ny firenena tamin'ny maraim-ben'ny 26 April:

Tao amin'ny habaky ny Hetsi-bahoaka Demokratika (MPD) kosa, voalaza fa nahemotra ny fakana ambavany sy ny fikarakarana ny fotoam-pitsarana ireo gadra tamin'ny 17 Jolay. Tamin'ny 6 Desambra, nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina [es] ireo olona voarohirohy tamin'ny raharaha Luluncoto, ho endriky ny fihetsiketsehana hitakiana ny famotsorana azy ireo. Tamin'ny 20 Desambra, noho ny fahataràn'ny fe-potoana famindrana azy ireo diia nahazo famotsorana ny fito amin'ny vondron'i Luluncoto ka nahazo fahafahana [es]. Nitatitra ny Expreso.ec [es] fa nolavin'ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ao amin'ny Lapam-pitsarana Nasionaly tamin'ny 4 Janoary 2013 ny fanafahana araka ny lalàna an'i Abigaíl Heras sy Cristina Campaña izay efa nakatoavin'ny fitsarana ambanimbany kokoa teo aloha.

Hita amin'ny amin'ny pejy Facebook ny fanohanana ireo voatazona thaka any Tsy eto Daholo izahay fa tsy eo ny folo avy ao Luluncoto [es]. Ao amin'ny Twitter, amin'ny alalan'ny tenihafatra #los10deLuluncoto [es] no ahazoanao mamaly ny fihetseham-pon'ny mpisera momba ity raharaha ity:

Navoitran'ny mpisera Jorch Copy Paste ?! (@amrp24) [es] ny sorona nataon'ireo nogadraina:

@amrp24: Cuantas HORAS resistes SIN comer Dos? Cinco? Diez?? #AbigailyCristina llevan 552 horas SIN COMER! #10deluluncoto luchan x su libertad!

@amrp24: [es] Mahazaka ORA firy TSY misakafo ianao Roa? Dimy? Folo?? TSY NISAKAFO nandritra ny 552 ora izao i #AbigailyCristina [es]!#10deluluncoto [es] miady ho amin'ny fahafahany!

Fomba Fijery Hafa, rangitra i Daniel Solórzano S. (@dani_solorzano) [es]:

@dani_solorzano: Que aún haya personas que estén en la cárcel por lo que leen es señal inequívoca de que no hemos cambiado. #10deluluncoto

@dani_solorzano: [es] Ny fisian'ny famonjana noho ny [taratasy] novakian'izy ireo no marika fa tsy niova isika. #10deluluncoto [es]

Mandritra izany fotoana izany milaza ny fahafahana tanteraka [habeas corpus] ny roa tamin'ny voatazona i  Karla Armas (@maka_al) [es]:

@maka_al: No es justo que dos mujeres x pensar distinto se les prive de su libertad, fue negado el habeas corpus para abigail y cristina #10deluluncoto

@maka_al: [es] Tsy rariny raha tsy navela hahazo fahafahana noho ny fananany fomba fisainana hafa ny vehivavy roa, tsy nekena ny hampiharana ny habeas corpus tamin'i Abigail sy Cristina #10deluluncoto [es]

Namoaka ny sarin'i Abigail sy Cristina nohodidinin'ny polisy ny kaonty Twitter an'ny gazety La Hora (@lahoraecuador) [es]:

@lahoraecuador: Nuestros cuerpos se han debilitado,pero las ganas de luchar por nuestro pueblo se han fortalecido. #10delulucoto http://twitpic.com/bsfcg6

@lahoraecuador[es]: Reraka ny vatanay fa nihanatanjaka kokoa ny fientanentananay hiady ho an'ny vahoakanay. #10delulucoto [es] http://twitpic.com/bsfcg6 [es]

Nanao fanentanana an-tserasera ao amin'ny Vaderetro References handrangaranga ny niainan'ny tanora folo avy ao Luluncoto ny Sendikàn'ny Tanora mpanohitohitra [La Unión de la Juventud Rebelde] avy ao Brezila; ny tanora Komonista Revolisionera Arzantina [la Juventud Comunista Revolucionaria Argentina]; Ny Tanora Karaiba [Juventud Caribe] sy ny hetsika Flavio Suero, avy ao amin'ny Repoblika Dominikana; Ny tanora Revolisionera avy ao Frantsa ary ny vondrona hafa avy any Meksika, Venezoelà, Kolombia, Però, Bolivia, Espaina, Libanona ary Torkia.

Ny vavahadin-tserasera www.libertadpresospoliticos.com [es] dia namoaka taratasy [es] fiangaviana ho fiarovana [avy amin'ny fikambanana mpiaro] ny zon'olombelona amin'ny raharahan'ireo 10 avy ao Luluncoto.

Namoaka tatitra [es] mampahafantatra ny fahasalaman-tsain'ireo nofonjaina sy ny fianakaviany tamin'ny alalan'ny fampiasana ny fitaovam-pijerena ny toe-tsaina sy ny fitaovan'ny mpiaro ny zon'olombelona ny Fikambanam-paritra Mpiaro ny Zon'Olombelona INREDH Ecuador [es], niaraka tamin'ny Vaomiera Ekiomenika MPiaro ny Zon'Olombelona CEDHU [es] ary ny tetikasam-panavaozana sosialy sy ara-tontolo iainana Clínica Ambiental .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.