20 Janoary 2013

Tantara tamin'ny 20 Janoary 2013

ONG Voasazy Noho Ny Fikaroham-Baovao Momba Ny Kolikoly Ao Espaina

  20 Janoary 2013

Taorian'ny dimy taona nanaovana ady teny amin'ny fitsaràna, voasazy handoa 3.000 euros [es] ny Access Info Europe, ONG iray iarahan'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity miasa, taorian'ny namoahan'ny Fitsarana Ambony didy milaza fa tsy manana zo hahafantatra izay fomba ataon'i Espaina hiadiana amin'ny kolikoly izy.

Laos: Aiza i Sombath Somphone?

  20 Janoary 2013

  Ny 15 Desambra 2012 no nahitana farany an'i Sombath Somphone, ilay mpahay fiharian-karena fampandrosoana sy mpanabe avy ao Laos. Iray volana taorian'ny fanjavonany hafahafa, dia nangataka tamin'ny governemanta Laosiana ireo namany sy mpanohana an'i  Sombath Somphone eran-tany mba hanamafisana ny fitadiavana azy. Ny takarivan'ny sabotsy 15 desambra tao Vientiane no nahitana farany an'i Sombath Somphone,...

Manohitra Ny Fakana Lahatsary Miafina Avoaka Fahitalavitra Ny Mpikatroky Ny Zon'ny Pelaka ao Zeorzia

  20 Janoary 2013

Nanambara [ka] ny sampan-draharahan'ny Fampanoavana ao Zeorzia tamin'ny 14 Janoary 2013, fa naka lahatsary miafina ireo olona fanta-daza manao firaisam-batana amin'ny olona mitovy fananahana aminy ny lehiben'ny Polisy[-n'ny] Miaramila teo aloha Megis Kardava. Nolazain'ilay sampan-draharaha fa nampiasaina hanerena (chantage) ireo olona fanta-daza ireo hiara-miasa amin'ny governemantan'ny filoha Mikheil Saakashvili ireny lahatsary ireny. Namoaka kinova...

Shily: Ny Zavatra Andrandraina Amin'ny Fahatongavan'ny Dakar Ao Santiago

  20 Janoary 2013

Androany, Sabotsy 19 Janoary 2013 no fiafaran'ilay “hazakazaka faran'izay mampidi-doza indrindra eto ambonin'ny tany”: ny Dakar, ao Santiago. Mientanentana momba ny tsipika famaranana ireo Shiliana mpisera anaty aterineto. Indrindra indrindra fa andrandrain-dry zareo ny hahita ilay mpiray tanindrazana aminy, Francisco "Chaleco" Lopez [es], mpitaingina moto, mety hanatsara ny toerana fahatelo azony tamin'ny andiany 2009 amin'ity andiany iray hifarana ao an-tanindrazany ity

Ireo Fitsabahana Ara-tafika Ataon'ny Frantsay Ao Afrika

Nanomboka ny 11 Janoary ny firotsahana ara-tafika ataon'ny frantsay ao Mali, antsoina hoe Opération Serval, taorian'ny fandrosoan'ny vondrona islamista nankao Bamako. Noarahabain'ny ampahany tamin'ny vahoaka tao Mali sy ny mpanaramaso avy any ivelany, nefa miala amin'ny fitsipiky ny tsy fitsabatsabahana any Afrika nofaritan'ny filoha frantsay Hollande ity firotsahana ity.